Seminera
Matio 4; Lioka 4–5


Matio 4; Lioka 4–5

Topimaso

Taorian’ny nanaovana batisa ny Mpamonjy dia nandeha tany an’efitra Izy mba hiaraka amin’ Andriamanitra (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:1 [ao amin’ny tovana misy ny Dikantenin’i Joseph Smith ]). Nalain’i Satana fanahy Izy, saingy nahatohitra ireo fakam-panahy. Rehefa nahazo tamin’ny fomba mahagaga “hazandrano be dia be” i Simona Petera, i Andrea, sy i Jakoba ary i Jaona taorian’ny nanasan’ny Mpamonjy azy ireo mba handatsaka ny haraton’izy ireo (Lioka 5:4, 6), dia tsinjon’izy ireo kely ny zavatra azon’izy ireo tontosaina niaraka tamin’ny fanampian’ny Mpamonjy. Dia nisafidy ny handao ny zava-drehetra ireo mpanarato ireo mba hanaraka an’i Jesoa Kristy. I Nikodemosy, izay Fariseo sy “mpanapaka tamin’ny Jiosy”(Jaona 3:1), dia nanatona ny Mpamonjy nony alina mba hametraka fanontaniana manan-danja mikasika ny famonjena.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ny mpampianatra mikasika ny zavatra mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Matio 4:1–11, Tapany 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahita ireo fitsipika izay hanampy azy ireo hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanoherana ireo fakam-panahy avy amin’i Satana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fakam-panahy atrehany amin’izao sy ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy azy ireo hanohitra izany.

  • Sosokevitra mikasika ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ampitaina an-tsary: Avereno amboarina amin’ny tahirin-kevitra ao anatina rindrambaiko azo hanoratana soratra (fichier word ohatra) ilay tabilao tao amin’ny faran’ny lesona, dia zarao ny efijerinao mba hahitan’ny mpianatra izany, ary fenoy miaraka amin’izy ireo izany rehefa avy eo.

Matio 4:1–11, Tapany 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy sy hitadidy ireo fahamarinana avy amin’ny soratra masina mba hanampy azy ireo hanohitra fakam-panahy eo amin’ny fiainany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hivonona hizara ao an-dakilasy andinin-tsoratra masina iray na roa izay tsapany fa azony ampiasaina mba hanampiana azy ireo hanohitra fakam-panahy. Raha tsy mahita mihitsy izy ireo, dia amporisiho izy ireo mba hanontany ny ray aman-dreniny, na olona hafa ao amin’ny fianakaviany, na koa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

  • Application fifehezana fotopampianarana: Asao ireo mpianatra izay afaka mampiasa io application amin’ny finday io mba hampiasa izany mandritra ny lesona.

  • Sosokevitra momba ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ampitaina an-tsary: Ampiasao ny safidy atolotra ahafahana mifandefa hafatra an-tsoratra (chat) mba hahafahan’ireo mpianatra mizara ireo soratra masina izay tsapany fa hanampy azy ireo hanohitra fakam-panahy. Tahirizo ireo hafatra an-tsoratra nifanoratana ireo dia alefaso amin’ireo mpianatra ny lisitra fenon’ireo soratra masina avy eo.

Lioka 5:1–11

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hanana faniriana hanaraka an’i Jesoa Kristy mba hahafahany manampy azy ireo hanatanteraka zavatra mihoatra lavitra ireo zavatra izay azon’izy ireo tontosaina tsy misy ny fanampiany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hivavaka mba hahafantarany ny tanjon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ireo mpianatra izay nahazo tsodranon’ny patriarika dia afaka mamaky izany ary mitady izay nambaran’ Andriamanitra momba ny tanjom-pisian’ny fiainan’izy ireo. Ny hafa dia mety hahazo tombontsoa amin’ny firesahana amin’ny ray aman-dreniny na ny fitadiavana hevitra ao amin’ny soratra masina.

  • Sary: Miomàna hampiseho sarin’olona vitsivitsy izay nahavita zavatra lehibe teo amin’ny fiainana satria nanampy azy ireo Andriamanitra hahatakatra ny tanjon’ny fiainan’izy ireo (ohatra, i Rebeka, i Maria, na i Joseph Smith).

  • Sosokevitra mikasika ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ampitaina an-tsary: Hevero ny hampiseho sarin’ny Mpamonjy miantso an’i Petera ho mpianany eo am-piresahana momba ny Lioka 5:1–11.

Jaona 3:1–8

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fahaterahana indray amin’ny “rano sy ny Fanahy” ( Jaona 3:5) mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hivonona hifanakalo hevitra ao an-dakilasy mikasika ny fiovana izay nataon’izy ireo na ny olon-kafa fantany mba ho lasa toa an’i Jesoa Kristy kokoa.

  • Horonan-tsary: Jereo ilay horonan-tsary“Tiako ny zatovolahy mpitabataba” (10:48), izay hitantaran’ny Loholona Yoon Hwan Choi tao amin’ny Fitopololahy mikasika ny vondron-tovolahy iray izay niova ny fiainany rehefa niova fo ho an’ny Tompo izy ireo. Jereo manomboka eo amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny minitra faha-4:34 ilay horonan-tsary (Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.)

  • Sosokevitra mikasika ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ampitaina an-tsary: Asao ny mpianatra hitondra olona ao amin’ny fianakaviana na namana izay novain’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fanekeny ny batisa sy fandraisana ho mpikambana. Raha tsy afaka manatrika ilay olona nofidin’izy ireo dia afaka mampiseho ny sariny sy mitantara ny momba azy ireo mpianatra.

Fifehezana fotopampianarana: Jaona 3:5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia manome fahafahana ny mpianatra hizatra hampihatra ireo fitsipika mikasika ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny alalan’ny fampiasana ilay fotopampianarana hoe tsy maintsy ateraka indray amin’ny rano sy ny Fanahy isika mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hivonona hizara ao an-dakilasy ny zavatra izay ho ampianariny ao amin’ny kilasy iray ao amin’ny Kilonga mikasika ny Jaona 3:5 .

  • Fitaovana: Fitaovam-panoratana mba hanaovana ny sahanasa fitadidiana (raha azo atao) na fitaovana elektrônika iray ahitana ilay application fifehezana fotopampianarana