Seminera
Matio 26; Marka 14; Jaona 13


Matio 26; Marka 14; Jaona 13

Topimaso

Nandritra ny Paska dia nampianatra ny mpianany mikasika ny fanompoana sy ny fifankatiavana i Jesoa. Nambarany fa hisy hamadika Izy. Izy no nanorina ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ho fomba vaovao hahatsiarovan’ny mpianany Azy. Ity herinandro ity dia ahitana lesona fifehezana fotopampianarana mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fifehezany ny fotopampianaran’ny fanasan’ny Tompo, ary koa lesona hanampiana azy ireo hanombanany ny fianarany sy ny fivoarany.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny zavatra mety ilain’izy ireo omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Jaona 13

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka mamporisika ny mpianatra hikatsaka fahasambarana amin’ny alalan’ny fanompoana sy ny fitiavana ny hafa tahaka ny nataon’i Jesoa.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hitady fahafahana hanompo na haneho fitiavana tahaka ny an’i Kristy amin’ny olona iray hafa.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ankoatra ny fanasana ny mpianatra mba hamorona drafitra manokana hanehoana fitiavana bebe kokoa amin’ny hafa, dia hevero ny hanao drafitra miaraka amin’ny iray kilasy mba hanao zavatra amin-katsaram-panahy ho an’olona iray hafa.

Matio 26:1–25

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hampiasa ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny soratra masina handinihana ny fiainan’izy ireo sy hamaritana ireo lafin-javatra izay mila hatsarain’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nampiharan’izy ireo teo amin’ny fiainany torohevitra na fampianarana avy amin’ny soratra masina, ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana, na ny Fanahy Masina. Mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainan’izy ireo raha tsy nisafidy ny hampihatra izany torohevitra izany izy ireo?

Matio 26:26–30; Lioka 22:19–20

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny mahatsiaro ny Mpamonjy eo am-pandraisana ny fanasan’ny Tompo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Ampahafantaro ireo mpianatra fa amin’ity lesona ity dia hasaina hanao tombana ny zavatra niainany tamin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo izy ireo. Asao ireo mpianatra hisaintsaina momba ny zavatra niainany vao haingana tamin’ny fandraisany ny fanasan’ny Tompo sy ho avy amim-pahavononana hizara ny zavatra izay nataony, nosaininy na tsapany ka nanampy azy ireo hahatsiaro ny Mpamonjy.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Diniho izay loharanom-pahalalana hampitodihanao ny sain’ny mpianatra rehefa miomana handalina ny fotopampianaran’ny fanasan’ny Tompo izy ireo. Mandrindrà fomba iray ahafahan’ny mpianatra miaraka tsiroaroa na ao anatina vondrona kely mba hizara ny rindran-damin’ny lesony momba ny fanasan’ny Tompo.

Fifehezana fotopampianarana: Lioka 22:19–20

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome ireo mpianatra fahafahana hampitombo ny fahaizan’izy ireo mifehy ny fotopampianaran’ny fanasan’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanaovana tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy fehezan-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, sy amin’ny alalan’ny fanazavana ilay fotopampianarana, ary ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra manampy azy ireo hahatsiaro ny Mpamonjy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo sy ho vonona ny hampiasa na hizara izany zavatra niainana izany ato amin’ity lesona ity.

Tombano ny fianaranao faha-5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanao tombatombana ny tanjona napetrany sy ny fivoaran’ny tena manokana izay niainan’izy ireo nandritra ny fianarana ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo lesona farany maromaro sy ny traikefa azony vokatr’ ireo lesona ireo.

  • Sary: Sary hanampiana ny mpianatra hitadidy ny sasany amin’ireo zava-nitranga manan-danja sy ny fampianarana nohalalinin’izy ireo nandritra ny telo herinandro farany

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa mizara ny fanazavany momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ny mpianatra, dia asao ilay mpianatra izay nizara zavatra farany indrindra mba hisafidy mpianatra iray hafa ao an-dakilasy handimby azy. Azo atao indray avy eo ny manasa izany mpianatra izany hanampy farafahakeliny antsipirian-javatra iray izay tsy nisy nampiditra teo aloha ary avy eo dia hisafidy mpianatra iray hafa hizara zavatra. Azo averimberina io dingana io mandra-paha-tapitry ny antsipirian-javatra azon’ny mpianatra rehetra eritreretina ka tiany hohazavaina.