Seminera
Lioka 10:25–37


Lioka 10:25–37

Ilay Samaritana tsara fanahy

Sary
The painting depicts the Good Samaritan administering to the beaten and injured man stripped of his clothing. A camel rests behind to the right. The scene takes place in a rocky desert setting reminiscent of the Holy Land.

Rehefa nanontany an’i Jesoa ny mpahay lalàna iray hoe: “Iza ary no namako?” (Lioka 10:29) dia namaly tamin’ny fanaovana fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa momba ny fitiavana ny namana.

Manisy marika sy manisy fanamarihana ao anatin’ny soratra masina. Ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (1928–2015) dia nanasa ny tanora “hanisy marika ny soratra masina manan-danja … ary hiverina hijery izany matetika” (“Mba hahazo fiadanana ao an-tokantrano,” Liahona, mey 2013, 30). Mitadiava fotoana mety hanasana ireo mpianatra hanisy marika sy fanamarihana ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Amporisiho izy ireo hanao izany amin’ny fomba mety amin’izy ireo fa aza omena torolalana hanao izany amin’ny fomba manokana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny Lioka 10:30–35, ary hitady ny toerana izay ahitana an’i Jesoa Kristy amin’ity fanoharana ity. Entano ihany koa izy ireo mba hitady ny toerana izay misy azy ireo amin’io fanoharana io.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Mety hahazo tombony ireo mpianatra amin’ny fananana fotoam-pianarana mihoatra ny iray hianarana ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy.

Misy sahanasa fianarana fanampiny hita ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” ao amin’ny lesona.

Ho an’ity sahansahanasa manaraka ity dia asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny diary fandalinany ny valintenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Mizarà zavatra niainanao manokana ary manasà ankizy manolo-tena vitsivitsy hizara ihany koa ny zavatra niainany.

Manampy ireo sahirana

Mieritrereta fotoana iray izay nanampian’ny olona anao rehefa nila fanampiana ianao.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nanampy anao io olona io?

  • Inona no tsapanao noho ny zavatra nataon’io olona io?

Saintsaino ny mety ho mety hanampianao olona sahirana sy ny antony mety hanampianao azy ireo na tsia. Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ireo fahamarinana nianaranao momba an’i Jesoa Kristy izay mety hampitombo ny fanirianao hanampy ireo izay mila fanampiana.

Fanoharana

Indray andro raha nampianatra i Jesoa Kristy dia nanontany Azy ny mpahay lalàna iray momba izay tokony hataony hahazoana ny fiainana mandrakizay. Nampianatra ny Mpamonjy fa raha te handova fiainana mandrakizay isika dia mila mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra ary mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika (jereo ny Lioka 10:27). Nametraka fanontaniana iray hafa ilay mpahay lalàna avy eo.

Vakio ny Lioka 10:29, ka asio marika ny fanontaniana napetrak’ilay mpahay lalàna tamin’i Jesoa.

  • Ahoana no hamalianao ny fanontanian’ilay mpahay lalàna?

Namaly ny fanontanian’ilay mpahay lalàna tamin’ny fanoharana iray fantatra amin’ny hoe fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy i Jesoa. Rehefa mandalina ity fanoharana ity ianao dia tadidio fa ny Samaritana sy ny Jiosy amin’ny ankapobeny dia tsy mifankahazo ary manao izay tsy ifaneraserana. Ny antony iray nahatonga ny Jiosy hihevitra ny Samaritana ho tsy ekena dia satria izy ireo sady Jiosy amin’nyampahany no Jentilisa ary nampifangaro ny zavatra inoany ara-pivavahana amin’ny roa tonta izy ireo.

Mahita ny Mpamonjy ao amin’ilay fanoharana

Vakio ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ao amin’ny Lioka 10:30–35 .

Rehefa mandalina ity fanoharana ity ianao dia eritrereto ny fomba anehoana an’i Jesoa Kristy amin’ny alàlan’ ilay Samaritana.

Azonao atao ny mampiseho ny sarin’i Jesoa Kristy alohan’ny hametrahana ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no ianarantsika momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ity fanoharana ity? (Tanisao ao anaty diary fandalinanao soratra masina ireo valinteninao amin’ity fanontaniana ity.)

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nanao hoe:

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Ny Mpamonjy no Samaritana tsara fanahy ho antsika, izay nirahina mba “hanafaka izay nampahorina” [ Lioka 4:18 ; jereo koa ny Isaia 61:1 ]. Manatona antsika Izy raha toa kosa ka mandalo fotsiny antsika ny hafa. Sady feno fangorahana Izy no mametraka ny balsamany manasitrana eo amin’ny ferintsika ary mamatotra izany. Entiny isika. Mikarakara antsika Izy.

(Neil L. Andersen, “Maratra,” Liahona, nôv. 2018, 85)

  • Inona avy ireo ohatra vitsivitsy ao amin’ny soratra masina ahitana ny Mpamonjy manao izay nofaritan’ny Loholona Andersen?

  • Oviana ny Mpamonjy no toy ilay Samaritana tsara fanahy taminao?

Azonao atao ny mizara ny zavatra niainana manokana izay nahafantaranao ny fangorahan’ny Mpamonjy sy ny fahavononany hanampy ireo rehetra izay maratra ara-panahy.

Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy

Rehefa avy nanome ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy i Jesoa Kristy, ilay mpampianatra lehibe, dia nanontany an’ilay mpahay lalàna izay zavatra nianarany ary nanasa ilay mpahay lalàna hanao zavatra Izy. Vakio ny Lioka 10:36–37 , ka tadiavo ny fanasan’ny Mpamonjy an’ ilay mpahay lalàna.

  • Ahoana no ahafahanao mampihatra ny fanasan’ny Mpamonjy amin’ny fiainanao manokana?

  • Inona no ampianarin’ity fanasana ity anao momba ny fahatsapan’ny Mpamonjy ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra?

Manana fotoana maro isika hanarahana ny torohevitry ny Mpamonjy hoe: “mandehana hianao, ka manaova toy izany koa” ( Lioka 10:37) amin’ny toe-javatra maro samihafa izay atrehantsika toy ny any an-trano, any am-pianarana, amin’ny Internet, any amin’ny paroasy na sampana misy antsika, ary eo amin’ireo olon-tsy fantatra.

Hevero ny hizara ny ikilasy ho vondrona kely mba hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto. Omeo ny iray na maromaro amin’ireo toe-javatra voatanisa ao amin’ny andinin-tsoratra teo aloha ny vondrona tsirairay hifantohany rehefa mamaly ireo fanontaniana ireo.

  • Inona avy ireo fomba manokana ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy mba hanehoana fitiavana ny namanao amin’ity toe-javatra ity?

  • Inona no mety hampananosarotra ny fanehoana fitiavana amin’ny namanao amin’ity toe-javatra ity?

  • Raha sahirana ny olona iray maneho fitiavana amin’ny namany amin’ity toe-javatra ity dia inona no azonao ampianarina azy momba an’i Jesoa Kristy izay mety hanampy?

Rehefa avy nifanakalo hevitra ireo mpianatra dia manasà ankizy vonona hizara avy amin’ny vondrona tsirairay hizara ny sasany amin’ireo valin-teniny.

Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra nianarany tato amin’ity lesona ity. Azonao atao ny manome fotoana azy ireo hanoratany ny eritreriny sy ny zavatra tsapany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Azonao atao koa ny manome fotoana ny mpianatra hizarany ny zavatra tsapany fa nitaona azy ireo hanao izany noho ny zavatra nianarany androany.

  • Inona no zavatra tsapanao fa nitaona anao mba ho ataonao ho vokatry ny zavatra izay nianaranao androany?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ny fiainantsika eto an-tany?

Nampianatra ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official Portrait of Gerrit W. Gong. Photographed in 2018.

Eo amin’ny lalana mamovoka alehantsika mankany Jeriko dia voatafika sy maratra ary misedra fanaintainana isika.

Na dia tokony hifanampy aza isika dia matetika loatra no miampita ilay arabe, mamorona antony iray.

Saingy noho ny fangorahany, ilay Samaritana tsara fanahy dia mijanona ka mamehy ny ferintsika amin’ny divay sy diloilo. Ny divay sy ny diloilo, izay tandindona ao anatin’ny fanasan’ny Tompo sy ireo ôrdônansy hafa, dia mampitodika antsika any amin’ilay fahasitranana ara-panahy ao amin’i Jesoa Kristy. Ilay Samaritana tsara fanahy dia mametraka antsika eo amin’ny borikiny na, araka ireo asasary amin’ny fitaratra sasany, dia mibata antsika eo an-tsorony. Entiny ao amin’ilay tranom-bahiny, izay maneho ihany koa ny Fiangonany isika. Hoy ilay Samaritana tsara fanahy rehefa ao amin’ilay tranom-bahiny hoe: “Tsaboy izy; … dia honerako ianao, rehefa miverina aho.” [ Lioka 10:35 ]. Mampanantena hiverina ilay Samaritana tsara fanahy izay tandindon’ny Mpamonjitsika, saingy amin’ny voninahitra sy fahalehibiazana amin’io indray mitoraka io.

(Gerrit W. Gong, “Toerana ao an-tranom-bahiny,” Liahona, mey 2021, 24–25)

Nahoana ny Mpamonjy no nampiasa Samaritana fa tsy Jiosy ho toy ilay nanampy ilay lehilahy naratra?

Nanazava ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôsôtôly Roambonifolo hoe:

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Tena nifankahala ny Jiosy sy ny Samaritana tamin’ny andron’i Kristy. Amin’ny ankapobeny, ireo vondrona roa ireo dia nanalavitra ny fifaneraserana. Mboka tsara sy nahazoana fampianarana ihany koa ilay fanoharana raha toa ka rahalahy Jiosy no namonjy ilay lehilahy azon’ny jiolahy.

Raha ninia nampiasa ny Jiosy sy ny Samaritana Izy dia mampianatra mazava tsara izany fa mpinamana avokoa isika rehetra ary tokony hifankatia, hifanaja, hanaja ary hifanompo na eo aza ny tsy fitoviana lalina—ao anatin’izany ny fahasamihafana ara-pinoana, ara-politika ary ara-kolontsaina.

(M. Russell Ballard, “Doctrine of Inclusion,” Ensign na Liahona, nôv. 2001, 36)

Inona no tokony hataoko rehefa tonga tampoka ny fotoana tokony hanampiako ny hafa?

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Mahalana no tonga amin’ny fotoana mahamety izany ireo fahafahana manompo ny hafa amin’ny fomba manan-danja, araka ny nekentsika fa hataontsika. Saingy tsy misy hery ara-panahy avy amin’ny fiainana araka izay mahamora ny fanaovan-javatra. Tonga ny hery rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika isika.

(M. Russell Ballard, “Like a Flame Unquenchable,” Ensign, mey 1999, 86)

Nampahatsiahy antsika ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) hoe:

Sary
Official portrait of President Thomas S. Monson, 2008.

Aza avela velively hisy olana iray mila vahana ho lasa manan-danja kokoa noho ny olona iray mila tiavina.

(Thomas S. Monson, “Finding Joy in the Journey,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 86)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fampitahana ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy sy ny drafitry ny famonjena

Asao ny mpianatra hamaky ny Lioka 10:30–35 , ka hitady ny fomba mety ahatonga ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ho tandindon’ny drafitry ny famonjena. Mety hahitana izao manaraka izao ny sasany amin’ireo tandindona:

Nidina avy tany Jerosalema: nandao ny fiainana talohan’ny nahaterahana ary tonga tety an-tany

Lehilahy anankiray: isika

Samaritana: Jesoa Kristy

Nandeha nankany Jeriko: ity fiainana eto an-tany ity

Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra hoe inona ny lesona ampianarin’ny fanoharana mikasika ny fiainana an-tany sy ny fiverenana any amin’ny Ray. Mametraha fanontaniana ho fanaraha-maso toy ireto: Inona avy ireo fomba sasany mahatonga antsika maratra ara-panahy mandritra ny fotoana iainantsika eto an-tany? Ahoana no nahatsapanao ny Mpamonjy namehy ny ratranao?

Raha mila hevitra hafa momba ny fomba ahafahan’ ity fanoharana ity maneho tandindona ny drafitry ny famonjena dia jereo ny teny nataon’i John W. Welch, “Ilay Samaritana Tsara: Ireo Tandindona Hadino,” Ensign, Feb. 2007, 40–47.

Mandalina ny fanoharana amin’ny fomba fijerin’ny mpisorona sy ny Levita

Azonao atao ny manasa ny mpianatra handalina ilay fanoharana amin’ny fomba fijerin’ny mpisorona sy ny Levita. Asao izy ireo hieritreritra ny sasany amin’ny mety ho antony tsy nijanonan’ny mpisorona sy ny Levita nanampy ilay lehilahy mila vonjy.

Angataho ny mpianatra hampitaha ireo mety ho antony amin’ny fahafahana manompo ao amin’ny valintenin’izy ireo manokana. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahany mandresy ireo sakana manokana tsy hahafahana mitia sy manompo ireo namany.

Mianatra rehefa tonga ao an-tranom-bahinin’ny Tompo (Fiangonana)

Ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampitaha ny tranom-bahiny tao amin’ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy amin’ny Fiangonan’ny Tompo (jereo ny “Toerana ao an-tranom-bahiny,” Liahona, mey 2021, 24–25). Nanolo-kevitra izy fa afaka mianatra lesona manan-danja momba ny tenantsika sy i Jesoa Kristy isika rehefa tonga ao an-tranom-bahininy. Hevero ny misafidy sy manasa ireo mpianatra handalina ny ampahany amin’ity lahateny ity mba hianatra kokoa momba ny fomba ahafahan’izy ireo manampy ny hafa hiaina ilay fanasitranana natolotry ny Mpamonjy amin’ny alàlan’ny fanasana azy ireo ho any amin’ny Fiangonany.