Seminera
Jaona 7–10


Jaona 7–10

Topimaso

Raha mbola tao Jerosalema tokotokony ho tamin’ny ny Andro firavoravoana ny amin’ny Tabernakely, dia nampianatra ny olona i Jesoa fa raha te hahalala izy ireo hoe avy amin’ Andriamanitra ve sa tsia ny fotopampianarana izay nampianariny, dia nila niaina nifanaraka tamin’izany izy ireo. Nanampy vehivavy iray tratra nijangajanga Izy. Nijoro ho vavolombelona i Jesoa fa Izy no fahazavan’izao tontolo izao ary nanasitrana lehilahy iray teraka jamba Izy. Nampianatra i Jesoa fa Izy no ilay Mpiandry ondry Tsara.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome ny mpampianatra hevitra momba ny zavatra mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Jaona 7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahita ny zavatra azon’izy ireo atao mba hahafantarany ny fahamarinan’ireo fampianaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra hoe iza na inona no nitaona azy ireo indrindra ka namolavola ny fahatakarana sy ny finoana ananany amin’izao fotoana izao mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Asao izy ireo hanoratra ny eritreriny amin’ny taratasy iray ary hitondra ilay taratasy any an-dakilasy.

  • Votoatin-javatra haseho: Teny nolazain’ny Filoha Bonnie L. Oscarson

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Fahafahana mampiasa ny Jeunes, soyer forts (kiboky, 2011), amin’ny endrika nomerika na pirinty

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Azo zaraina amin’ireo mpianatra anaty zana-bondrona hifanakalozan-kevitra ireo soratra masina ao amin’ilay tabilao. Afaka miomana ny hizara ny hevitra momba an’i Jesoa Kristy izay novakiny ny mpianatra tsirairay.

Fifehezana fotopampianarana: Jaona 7:17

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hitadidy ity andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana sy fehezan-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ity, hanazava ny fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ao anatina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ireo didy, na fampianarana, na fotopampianarana isan-karazany an’ny Mpamonjy izay tokony hanaovan’ny zatovo ezaka mba hananana fijoroana ho vavolombelona.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Hevero ny hampiseho ny votoatin’ny ao amin’ny Jaona 7:17 application Maîtrise de la doctrine. (Raha te hahita io votoatin-tsoratra masina io dia kitiho ny bokotra Hitadidy ary avy eo, dia tadiavo ny Jaona 7:17.) Afaka nampiasa ilay application ireo mpianatra mba hiarahana mitadidy ilay fehezan-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Jaona 8

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahazo hevitra mikasika ny toetran’i i Jesoa Kristy ary hanampy azy ireo ihany koa hahatsapa ny herin’ny famindram-pony.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fotoana izay nanehoan’izy ireo famindram-po tamin’olona na fotoana izay nilany na nanantenany famindram-po.

Jaona 9

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra hoe ahoana no fomba ahafahana mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fijanonana ho mahatoky amin’ny zavatra fantatr’izy ireo momba Azy na dia tao anatin’ny fahoriana aza.

  • Fiomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fotoana izay nijanonan’izy ireo ho mahatoky hatrany tamin’ny zavatra fantany sy inoany momba an’i Jesoa Kristy manoloana ny fanoherana.

Jaona 10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatsapa fahatokiana kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny maha Mpiandry azy ireo Azy ary hampitombo ny fanirian’izy ireo handre ny feony sy hanaraka Azy.

  • Fiomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny teny iditra hoe “ Mpiandry ondry Tsara ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina. Angataho izy ireo ho vonona hamaly ny fanontaniana hoe “Nahoana no mamaritra tsara an’i Jesoa Kristy ny anarana fiantsoana hoe -Mpiandry ondry Tsara-?”

  • Votoatin-javatra haseho: Sarin’ny Mpiandry ondry Tsara

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Ampiasao ny safidy atolotra -tableau blanc- mba hamoronana lisitra azo itarina mikasika ireo zavatra izay ianaran’ny mpianatra momba an’i Kristy amin’ny maha-Mpiandry ondry Tsara Azy izay azon’izy ireo ampidirana zavatra vaovao mandritra ny lesona.