Seminera
Jaona 14:1–6; 15:1–11


Jaona 14:1–6; 15:1–11

“Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”

Sary
Jesus Christ is standing on a hill over looking a river.

Nandritra ny takariva farany niarahany tamin’ireo mpianany dia nampianatra azy ireo momba ny toetrany sy ny asa nanirahana Azy i Jesoa Kristy. Nampianariny fa Izy no làlana miverina mankany amin’ny Ray any An-danitra, ary nampitahainy tamin’ny sampam-boaloboka ny fifandraisany amin’ny mpianany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hisaintsaina ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy, ny fomba ahafahanao manaraka Azy sy mandray ny heriny ary ny fanohanany.

Manampy ny mpianatra hianatra. Rehefa omena fahafahana hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa ny mpianatra dia mihamafy orina ny fahalalana sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo manokana. Mitadiava fotoana hanasana ireo mpianatra hifampianatra amin’ny fomba tena izy sy mody mifampianatra.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady na haka sarina lalana iray na voaloboka na hazo misy rantsana. Angataho ny mpianatra hieritreritra ireo fomba ahafan’ireo sary mampahatsiahy azy ireo an’i Jesoa Kristy ary hitondra ny sariny any am-pianarana.

Sahanasa fianarana azo atao

Diniho ireto safidy manaraka ireto hanombohana ny lesona:

  • Asao ny mpianatra hizara ireo sary nalainy ao anatin’ny sahanasa fiomanan’ny mpianatra.

  • Mamoròna lalana mamakivaky ny efitrano fianarana izay tokony andehanan’ny mpianatra.

  • Manehoa sampan-kazo iray amin’ny mpianatra mba ho lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana. Ifanakalozy hevitra ny fifandraisan’ilay sampana amin’ilay hazo na ilay voaloboka niaviany, ary anontanio ny zavatra hitranga rehefa tsy mifandray amin’ilay hazo na voaloboka intsony ilay sampana.

  • Mizarà zavatra niainana manokana mifandray amin’ny lesona.

  • Asehoy ireo sary ato amin’ity lesona mikasika ny lalana na ny voaloboka ity.

Ifanakalozy hevitra amin’ny mpianatra ny antony tena ilana lalana sy ny fomba andraisan’ny sampana iray tanjaka avy amin’ilay voaloboka. Anontanio an’ny mpianatra ny mampitovy an’i Jesoa Kristy amin’ny lalana na voaloboka.

Natao hanampiana ny mpianany hahatakatra ny fifandraisan’izy ireo sy ny fiankinany amin’ny Mpamonjy ny sasany amin’ireo fampianarana farany nataony tamin’izy ireo. Nampitaha ny tenany tamin’ny lalana ny Mpamonjy, ary koa tamin’ny voaloboka na hazo misy rantsana. Makà fotoana hieritreretana ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainanao izay mety ilanao fanampiana. Mety mahatsapa angamba ianao fa mila fanampiana rehefa miezaka ny hiverina any amin’ny Ray any An-danitra. Mety hahatsapa ianao fa mila hery lehibe kokoa hiatrehana ireo olana eo amin’ny fiainanao. Rehefa mandalina ny fampianaran’ny Mpamonjy ianao dia tadiavo ny zavatra nianaranao momba Azy sy ny fomba ahafahany manampy anao.

Eritrereto ny zavatra ilain’ny mpianatra sy ny fahaiza-manaony rehefa manapa-kevitra ny amin’ny fomba ampifanarahana ny votoatin’ity lesona ity amin’ny zavatra ilaina. Afaka mahazo tombony ny mpianatra amin’ny fananana fotoana manokana handalinana sy hisaintsainana ny iray na ny roa amin’ireto fandalinana azo isafidianana manaraka ireto.

Mety hahasoa koa ny manome fahafahana an’ireo mpianatra hifampizara ny eritreriny sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Azo atao amin’ny fomba isan-karazany izany. Azo atao ny mangataka mpianatra mialoha ny fotoam-pianarana mba hiomana hampianatra ny ampahany amin’ity lesona ity. Safidy iray hafa azo atao ny mampanao, na mamela ny mpianatra hisafidy, ny iray amin’ireto safidy fandalinana manaraka ireto ary mangataka azy ireo mba hiomana hampianatra mpiara-mianatra iray hafa na ny kilasy iray manontolo.

Afaka mampiasa ity taratasy zaraina manaraka ity ny mpianatra mba handalinana sy hiomanana amin’ny fampianarana.

Sary
New Testament Seminary Teacher Manaul - 2023

I Jesoa Kristy no “làlana sy fahamarinana ary fiainana” ( Jaona 14:6)

Sary
A dirt road going through an aspen forest.

Vakio ny Jaona 14:1–6 , ka tadiavo ny fomba nampanantenan’ny Mpamonjy fa hanampiany ireo izay manaraka Azy.

  • Inona ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Ahoana no niantsoan’ny Mpamonjy ny Tenany ao amin’ny andininy 6 ?

  • Inona no ampianarin’ireo anarana fiantsoana ireo anao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fifandraisanao Aminy?

Raha namorona ny lisitr’ireo anarana fiantsoana sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy isan-karazany ianao tamin’ny lesona teo aloha, dia azonao atao ny manampy izany amin’izay zavatra hitanao tao amin’ny Jaona 14 .

Ny Bokin’i Môrmôna dia afaka mampitombo ny fahatakaranao ny zavatra izay ianaranao ao amin’ny Testamenta Vaovao. Vakio ny Môzià 3:17 , ary eritrereto ny fomba anampian’ity andininy ity antsika hahatakatra bebe kokoa ny Jaona 14:6 .

Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Tian’ Andriamanitra ianao hahita ny lalanao miverina mankany Aminy, ary ny Mpamonjy no lalana [jereo ny Jaona 14:6 ]. Tian’ Andriamanitra ianao hianatra amin’i Jesoa Kristy Zanany ary hiaina ilay fiadanana sy fifaliana lehibe izay azo amin’ny fanarahana ny lalana izoran’ny mpianatry ny Tompo.

(Dieter F. Uchtdorf, “Mandray fijoroana ho vavolombelona momba ny fahazavana sy ny fahamarinana,” Liahona, Nôv. 2014, 21)

  • Oviana ianao na ny olona fantatrao no nahatsapa ilay fiadanana sy fifaliana lalina avy amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy?

Sary
A dirt road going through an aspen forest.
  • Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika manaraka ny Mpamonjy mba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra?

  • Ahoana no ahafantarantsika milaza fa mandeha amin’ny lalana marina isika?

I Jesoa Kristy no “voaloboka” ( Jaona 15:5)

Sary
Red wine grapes on old vine.

Nampiasa fampitahana i Jesoa Kristy hampianarana ny mpianany mikasika ny fifandraisan’izy ireo Aminy. Vakio ny Jaona 15:1–11 , dia tadiavo io fampitahana io.

Raha namorona ny lisitr’ireo anarana fiantsoana sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy isan-karazany ianao tamin’ny lesona teo aloha, dia azonao atao ny manampy izany amin’izay zavatra hitanao tao amin’ny Jaona 15 .

  • Inona araka ny eritreritrao no ampianarin’i Jesoa Kristy amin’io fampitahana io?

  • Inona no fahamarinana azonao ianarana avy amin’io fampitahana io momba ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa ny fanasan’ny Mpamonjy mba hitoetra ao Aminy dia fanasana ho antsika mba “hitoetra, … hijanona mandrakizay” (“Abide in Me,” Ensign or Liahona, May 2004, 32). Nanazava ny antony maha-zava-dehibe tokoa ny fanekentsika ny fanasan’ny Mpamonjy mba hitoetra ao Aminy ny Loholona Holland.

Sary
Red wine grapes on old vine.
Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Hoy i Jesoa hoe: “Raha misaraka Amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona” [ Jaona 15:5 ]. Mijoro ho vavolombelona aho fa izany no fahamarinana avy amin’ Andriamanitra. I Kristy dia zava-drehetra ho antsika ka tokony “hitoetra” ao Aminy mandrakariva isika, tsy voahozongozona, amim-pahatokiana, mandrakizay. Mba hampitsiriana ny voan’ny filazantsara sy hitahian’izany ny fiainantsika dia tsy maintsy mifamatotra Aminy mafy isika, dia ny Mpamonjy antsika rehetra, ary amin’ny Fiangonany, izay mitondra ny anarany masina. Izy no voaloboka izay loharanon-kery tena izy ho antsika ary ilay hany loharanon’ny fiainana mandrakizay. Tsy haharitra fotsiny isika ao Aminy fa hahery sy handresy ihany koa amin’ity asa masina izay tsy handiso fanantenana antsika velively ity.

(Jeffrey R. Holland, “Abide in Me,” Ensign or Liahona, May 2004, 32)

Ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny zavatra ianaranao ao amin’ny Testamenta Vaovao. Vakio ny Almà 26:12 , ary eritrereto ny ifandraisan’izany amin’ny Jaona 15:1–11 .

  • Inona avy ireo vokatra sasany (na fitahiana) hitanao teo amin’ny fiainanao rehefa niezaka nitoetra tao amin’i Jesoa Kristy ianao?

  • Inona avy ireo zavatra azonao atao mba hanampiana anao hitoetra ao amin’i Jesoa Kristy?

Raha mifampianatra ny mpianatra dia asao izy ireo hizara amin’ny iray kilasy ireo fahamarinana hitany sy ny zavatra nianarany avy amin’ny mpiara-mianatra aminy ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy. Derao ny mpianatra amin’ny fampianarana ataony, ary amporisiho izy ireo hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra nampianariny sy nianarany.

Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra tsapany mikasika ny fahafahan’ny Mpamonjy manampy azy ireo amin’ny zavatra ilainy sy ny toe-javatra iainany ankehitriny. Mijoroa ho vavolombelona momba ny Mpamonjy na mizarà zavatra niainana manokana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no dikan’ny hoe misy fitoerana maro ao an-tranonny Ray any An-danitra?

Nampianatra toy izao ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44):

Sary
Half-length frontal portrait of the Prophet Joseph Smith, Jr. Joseph’s head is turned to the side in a three-quarter view, right hand on hip and his left hand holds sheets of papers. He is depicted wearing a dark brown suit and a white shirt and tie.

[Ilay teny nambara hoe] “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro” [ Jaona 14:2 ] … dia tokony ho hoe—“Ao amin’ny fanjakan’ny Raiko misy fanjakana maro,” mba hahafahanareo ho mpandova an’ Andriamanitra sy mpiara-mandova amiko. … Misy fitoerana ho an’ireo izay mankatò lalàna selestialy iray, ary misy fitoerana maro hafa ho an’ireo izay tsy manaja ilay lalàna, ny olona tsirairay samy ao amin’izay tokony hisy azy avy.

(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith[2007], 219)

Sahanasa fianarana fanampiny

Mamoròna sary

Maneho ny heviny amin’ny alalan’ny zavakanto ny mpianatra sasany. Asao ny mpianatra hamorona sary maneho ny zavatra nianarany momba an’i Jesoa Kristy tao amin’ny Jaona 14:1–6 na ny Jaona 15:1–11 . Raha mifampianatra ny mpianatra dia azo ampidirina ao anatin’ny leson’izy ireo ity sary ity.

Horonan-tsary

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahany mamantatra ireo haifotokevitra diso taloha sy mamantatra fa i Jesoa Kristy no lalana, dia jereo ny horonan-tsary “The Way (Ilay lalana)” nataon’ny Loholona Lawrence E. Corbridge ao amin’ny Fitopololahy manomboka amin’ny minitra faha-6:46 ka hatramin’ny 11:56.

Jaona 14:6 . “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana”

Asao ny mpianatra hamaritra ny maha-“lalana,” “fahamarinana,” ary “fiainana” an’ i Jesoa Kristy.” Mety ahita soratra masina mifandray amin’izany izay manazava ireo anjara asa ireo izy ireo. Afaka mizara ny zavatra niainan’i Jesoa Kristy tamin’ny fanatanterahana ireo anjara asa ireo teo amin’ny fiainan’izy ireo ihany koa ny mpianatra.

Isao ny teny hoe mitoetra sy tomoera

Ampio ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fampiasana matetika teny na andian-teny ao amin’ny andian-tsoratra masina iray manamafy hafatra manan-danja iray. Ny teny hoe mitoetra sy tomoera dia ampiasaina imbetsaka ao amin’ny Jaona 15:4–10 . Asao ny mpianatra hanisa ny fotoana nisehoan’io teny io, hanisy marika na hanisy fanamarihana eo amin’io teny io ao amin’ny soratra masin’izy ireo, ary hieritreritra ny zavatra tiana ampitaina amin’ny alalan’ny famerimberenana izany matetika.

Jaona 15:10 . “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako”

Manaova sarina voaloboka iray eny amin’ny solaitrabe ary angataho ny mpianatra hanao sarina sampana miraikitra amin’ilay voaloboka mba hanehoana ny tenany. Asao ny mpianatra hitanisa ireo didy manodidina ilay voaloboka eny amin’ny solaitrabe. Iaraho midinika ny fomba hanampian’ny fitandremana ny didy antsika hitoetra ao amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy sy hijanona hipetaka amin’ny voaloboka.