Seminera
Jaona 1:1–51


Jaona 1:1–51

Ireo anaram-boninahitra sy anjara asan’i Jesoa Kristy

Sary
Frontal head and shoulders portrait of Jesus Christ. Christ is depicted wearing red and white robes. In 1989, a correlation review committee evaluated the painting with regard to its suitability for Church use. The painting was rated a “5” on a scale of 1-5 (with “5” as the high).

Nampahafantatra ny anjara asan’ny Mpamonjy sy ny anaram-boninahiny maro ny Apôstôly Jaona ao amin’ny toko voalohany amin’ny fitantarany. Ity lesona ity dia hanampy anao hahafantatra lalindalina kokoa an’i Jesoa Kristy rehefa mamantatra sy mianatra momba ny sasany amin’ireo anaram-boninahiny sy ny anjara asany.

Mifantoka amin’ireo anaram-boninahitra sy anjara asan’i Jesoa Kristy. Ampianaro ny mpianatra hamantatra ireo karazana anaram-boninahitr’i Jesoa Kristy hita ao amin’ny soratra masina. Ampio izy ireo handinika ny dikan’ilay anaram-boninahitra, ny antony ampiasana azy ao anatin’izany toe-javatra manokana izany, ary ny hoe inona no anampian’ilay anaram-boninahitra antsika amin’ny fianarana momba an’i Jesoa Kristy.

Fanomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany ny namany sy ny fianakaviany hoe inona ny anaram-boninahitra na anjara asan’i Jesoa Kristy manan-danja indrindra amin’izy ireo ary nahoana.

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo anaram-boninahitra sy anjara asa

Mandritra ny 60 segondra, manorata anaram-boninahitra na anjara asa betsaka araka izay tratranao (ohatra, rahalahy, mpianatra, mpitantsoratra ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy, sns.).

Misafidiana anaram-boninahitra na anjara asa iray atao an-tsapaka ao amin’ny lisitrao, ary alaivo sary an-tsaina hoe io ihany no fantatry ny olona momba anao.

  • Inona ny zavatra manan-danja hafa tsy fantatr’izy ireo raha izany ihany no fantany momba anao?

  • Ahoana no mety haha-samy hafa ny fifandraisanao amin’ny olona iray izay mahatakatra ny anaram-boninahitra sy anjara asanao tsirairay?

Manasà mpianatra maromaro hamerina ny lisitr’izy ireo. Misafidiana lisitra iray, ary vakio mafy ny anjara asa na anaram-boninahitra iray monja eo amin’ilay pejy. Jereo raha vitan’ireo mpianatra ny maminavina hoe iza ilay mpianatra resahana. Avy eo dia vakio mafy ilay lisitra manontolo. Jereo raha te hanova ny valintenin’izy ireo ny mpianatra rehefa nahafantatra ny maro amin’ireo anaram-boninahitra sy anjara asan’io olona io.

Mahalala ny momba anao rehetra i Jesoa Kristy ary tia anao. Satria ny tsirairay amintsika dia tsy afaka mahazo ny fanomezana ny fiainana mandrakizay raha tsy mahalala Azy (jereo ny Jaona 17:3), dia manasa anao Izy hianatra momba Azy ihany koa. Ny anaram-boninahitra sy ny anjara asa tsirairay an’i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina dia mampianatra zavatra miavaka sy manan-danja momba Azy. Nanomboka ny Filazantsarany i Jaona tamin’ny fizarana anaram-boninahitra lehibe maro izay afaka manampy antsika hahafantatra lalindalina kokoa ny Mpamonjy.

Vakio ny Jaona 1:29 , ary mitadiava anaram-boninahitra izay ampiasaina hilazana ny Mpamonjy ao amin’ity andininy ity.

Asio pejy iray antsoina hoe “Ireo anaram-boninahitra sy anjara asan’i Jesoa Kristy” ao amin’ny diary fandalinanao ary soraty hoe “Zanakondrin’ Andriamanitra.” (Raha efa nanokana pejy tao anatin’ny diary ianao tamin’ny lesona teo aloha momba izay ianaranao momba an’i Jesoa Kristy amin’ity taona ity dia atombohy ao amin’ny iray amin’ireo pejy ireo ity lisitra ity.)

Atombohy eny amin’ny solaitrabe ny lisitra momba ny anaram-boninahitra sy ny anjara asan’ny Mpamonjy, mitovy amin’ilay ataon’ireo mpianatra ao amin’ny diariny. Ampio amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo anaram-boninahitra sy anjara asa fanampiny hita mandritra ny lesona.

  • Inona no ampianarin’io anaram-boninahitra io anao momba an’i Jesoa Kristy? Inona no ampianarin’izany anao momba ny Ray any An-danitra?

Fomba iray hanatsarana ny fahatakarantsika ireo anaram-boninahitra sy anjara asan’ny Mpamonjy ny fandalinana soratra masina hafa na lahatenin’ny fihaonambe hafa izay manazava bebe kokoa ireo anaram-boninahiny sy anjara asany. Afaka manampy anao amin’ny fandalinanao ny Torolalana ho an’ny soratra masina sy ny fitaovana fitadiavana ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ary ny application Bibliothèque de l’Evangile.

Tadiavo ny hoe “Jesoa Kristy, Zanakondrin’ Andriamanitra” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina, ary mamakia andinin-tsoratra masina hafa izay mampianatra anao momba ny Mpamonjy sy ny iraka nampanaovina Azy tamin’ny alàlan’ity anaram-boninahitra masina nampiasain’i Jaona ity.

  • Inona avy ireo hevi-baovao azonao momba an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Zanakondrin’ Andriamanitra Azy?

Rehefa avy nihaino ny valiny tamin’ny fanontaniana teo aloha ianao dia fantaro raha mahazo tombony avy amin’ny fanazavan’ny Filoha Nelson momba ity anaram-boninahitra ity ny mpianatra, izay hita ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho” ao amin’ny lesona.

Asao ny mpianatra hamita ity fikarohana soratra masina manaraka ity miaraka amin’ny mpiara-mianatra iray.

Vakio ny Jaona 1:1–14, 41, 49 , ary tohizo ny fampidirana ao amin’ny pejin’ny diarinao ireo anaram-boninahitra sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy izay hitanao ao amin’ireo andalana ireo. Afaka mamaky ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:1–14 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina) ihany koa ianao.

Manasà mpianatra manolo-tena mba hizara ny zavatra hitany amin’ny iray kilasy ary amporisiho ireo mpianatra hanampy ny lisitr’izy ireo amin’izay mety ho anaram-boninahitra na anjara asa mbola tsy hitany.

  • Inona avy ireo anaram-boninahitra na anjara asa hafa an’ny Mpamonjy ka fantatrao nefa tsy hita ao amin’ny Jaona 1?

  • Iza amin’ireo no manan-danja manokana aminao? Nahoana?

Mianatra momba an’i Kristy

Ny fanazavana hevitra amin’ny teninao manokana dia manampy anao hahatakatra izany kokoa ary afaka manampy anao hahatsapa ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay hazavainao.

Asao ireo mpianatra hamita ny asa ampanaovina manaraka ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Asehoy ireto fanontaniana telo manaraka ireto mba ho hitan’ny mpianatra.

Misafidiana anaram-boninahitra na anjara asa iray an’i Jesoa Kristy izay manan-danja aminao avy amin’ny lisitra ao amin’ny diary fandalinanao, na misafidiana iray hafa izay tianao hianarana bebe kokoa. Alaivo sary an-tsaina hoe te hanazava zavatra amin’ny olona iray momba an’i Jesoa Kristy ianao amin’ny fampiasana ilay anaram-boninahitra na anjara asa nosafidinao. Omano izay holazainao amin’izy ireo ao anatin’ny fehezan-teny dimy farafahakeliny. Mampidira farafahakeliny andinin-tsoratra masina roa izay hitanao fa nanampy tamin’ny fandalinanao. Ampiasao ny Torolalana ho an’ny soratra masina na ny loharanom-pahalalana hafa ary koa ireto fanontaniana manaraka ireto hitarihana ny valinteninao.

  • Inona no ampianarin’ity anaram-boninahitra na anjara asa ity anao momba an’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahatakatra bebe kokoa momba ny Mpamonjy amin’ity anjara asa ity?

  • Oviana ianao no nahita ny Mpamonjy niasa araka ity anaram-boninahitra na anjara asa ity teo amin’ny fiainanao na tamin’ny fiainan’ny olon-kafa?

Asao ny mpianatra hampiasa ny anaram-boninahitra na anjara asa nianarany mba hampianarana ny mpiara-mianatra aminy momba an’i Jesoa Kristy. Mandehandehana manodidina ny efitrano ary henoy izay lazain’ny mpianatra amin’ny mpiara-mianatra aminy.

Amporisiho ny mpianatra hanohy hianatra momba ny Mpamonjy amin’ny alàlan’ireo anaram-boninahiny sy ireo anjara asany ary hizara amin’ny iray kilasy hoe inona no hevi-baovao azon’izy ireo momba Azy mandritra ny taona.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Inona no dikan’ny hoe i Jesoa Kristy no Teny?

Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Teo ambany fitarihan’ny Ray no nitondran’i Jesoa ny andraikitry ny Mpahary. “Ny Teny” no anaram-boninahitra nentiny. … Ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ny teny Grika izany Teny izany dia lazaina hoe Logos, na “fanehoana.” Anarana hafa iantsoana ny Tompo io. Mety toa hafahafa izany fomba fiteny izany, kanefa mety tsara. Mampiasa teny isika mba hampitana ny fanehoana ny eritreritsika amin’ny hafa. Koa i Jesoa no ilay Teny na fanehoana ny Rainy amin’izao tontolo izao.

(Russell M. Nelson, “Jesus the Christ: Our Master and More,” Ensign, Apr. 2000, 4)

Nahoana i Jesoa Kristy no antsoina hoe Zanakondrin’ Andriamanitra?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny Testamenta Taloha dia ahitana andalan-tsoratra masina maro momba ny sorompanavotana izay nitaky fanaovana sorona biby. Tsy ny biby rehetra no azo natao izany. Anisan’ireo fitakiana manokana ireto:

  • ny fisafidianana ny voalohan-teraky nyondry, tsy misy kilema [jereo ny Levitikosy 5:18 ; 27:26 ],

  • ny fanaovana sorona ny ain’ireo biby amin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany [jereo ny Levitikosy 9:18 ],

  • ny fahafatesan’ilay biby ka tsy misy taolana tapaka [jereo ny Eksodosy 12:46 ; Nomery 9:12 ], ary

  • ny biby iray dia azo natao sorona hisolo tena ny iray hafa [jereo ny Levitikosy 16:10 ].

Nahatanteraka ireo tandindona tao amin’ny Testamenta Taloha ireo ny Sorompanavotan’i Kristy. Izy no Zanakondry voalohan-terak’ Andriamanitra, tsy misy pentina. Nitranga tamin’ny alalan’ny fandatsahan-dra ny sorona nataony. Tsy nisy taolana tapaka tamin’ny vatany—tsara ho marihina fa samy tapaka ny tongotr’ireo jiolahy roa nohombohona niaraka tamin’ny Tompo [jereo ny Jaona 19:31–33 ]. Ary ny Azy no sorona nisolotena ny hafa.

(Russell M. Nelson, “The Atonement,” Ensign, Nov. 1996, 34–35)

Jaona 1:14 . Koa satria zanak’ Andriamanitra daholo isika rehetra dia nahoana no i Jesoa no heverina ho Zanaka Lahitokan’ny Ray?

Na dia zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ara-bakiteny aza ny fanahintsika tsirairay, dia i Jesoa Kristy irery ihany no zanak’ Andriamanitra teraka tao amin’ny nofo, midika hoe teto amin’ny fiainana an-tany. Nampianatra ny Loholona James E. Talmage (1862–1933) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Portrait of James E. Talmage.

Zanak’i Elohima, ilay Ray Mandrakizay izany zaza ho aterak’i Maria izany. … I Jesoa Zazakely dia natao handova ireo toetra sy fironana ary hery ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy izay nampiavaka ireo ray aman-dreniny—ny iray tsy mety maty sy be voninahitra—dia Andriamanitra, ny iray hafa olombelona—ilay vehivavy.

(James E. Talmage, Jesus the Christ [1916], 81)

Jaona 1:18 . Midika ve ny fanambarana ato amin’ity andininy ity fa tsy azo h izany?

Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Jaona 1:18 (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ) dia manazava fa rehefa miseho amin’ireo zanany ny Ray any An-danitra dia mijoro ho vavolom-belona momba an’i Jesoa Kristy Zanany Izy. Ny ohatra iray amin’izany dia hita ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:17 .

Sahanasa fianarana fanampiny

Ireo anaram-boninahitra sy anjara asa hafa an’i Jesoa Kristy

Asao ny mpianatra hikaroka ny hoe “Jesoa Kristy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina, hitadiavan’izy ireo ireo anaram-boninahitra sy anjara asan’i Jesoa Kristy fanampiny. Raha mahita zavatra manokana amin’ny fiainany ireo mpianatra ka ilan’izy ireo ny fanampian’ny Mpamonjy dia azo atao ny mandrisika azy ireo hikaroka ireo anaram-boninahiny sy anjara asany izay mampiseho ny fahaizany mamaly izany filan’izy ireo manokana izany. Ohatra, raha sarotra amin’ny mpianatra iray ny mamantatra ny fomba hamelana ny helony dia hanampy azy ireo hahita fa azo tanterahana ny famelan-keloka ny fahatakarana ny anjara asan’i Kristy amin’ny maha Zanakondrin’ Andriamanitra Azy.