Seminera
Hebreo 11, Fizarana 2


Hebreo 11, Fizarana 2

Mivelona amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy

Sary
Youth preparing food for service project in Puerto Rico

Efa mba nanontany tena ve ianao hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny olona sasany mijanona ho mahatoky na dia miatrika fitsapana mafy indrindra aza izy ireo? Inona no zavatra takatr’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka manampy azy ireo haharitra? Rehefa avy nampianarin’i Paoly mikasika ny finoana ny Olomasina Hebreo dia namporisihany izy ireo hampihatra ny finoany an’i Jesoa Kristy tahaka ny nataon’ireo olona mahatoky hafa. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampitombo ny fanirianao hiaina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy hamantatra ireo fitahiana omen’ Andriamanitra anao noho ny finoanao.

Famporisihana ny mpianatra hahay hiezaka ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa dingana iray mitaky finoana ny fahatongavana tahaka ny Mpamonjy. Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia ho lasa toetra mampiavaka azy ireo rehefa mianatra momba Azy sy miasa amim-pinoana ao Aminy izy ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba nitahian’ Andriamanitra azy ireo na ny olona iray fantany noho ny fampiharana ny finoany an’i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo hiomana hizara ny zavatra niainany amin’ny iray kilasy.

Sahanasa fianarana azo atao

Manao asa amim-pinoana

Hanombohana ny lesona dia hevero ny hampiseho sary maromaro ao amin’ny soratra masina na tantaran’ny Fiangonana izay maneho olona iray mampihatra ny finoany an’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra maromaro hitantara fohifohy ny tantaran’ ilay olona iray ary hanazava ny fomba nitahiana an’ilay olona noho ny fanaovana asa amim-pinoana. Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ilay sahanasa amin’ny fiomanan’ny mpianatra ho an’ity atrikasa ity.

Mieritrereta olona ao amin’ny soratra masina na tantaran’ny Fiangonana na olona fantatrao izay notahian’ Andriamanitra noho izy ireo nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy. Ireto sary manaraka ireto dia mety hanampy anao hitadidy ny sasany amin’ireo tantara ireo.

Sary
The Old Testament prophet Enoch and people from the City of Zion being translated. The people are depicted kneeling on a cloud. Enoch has his arms raised in the air.
Sary
A woman lying on the ground as she reaches for the hem of the garment of Jesus Christ.
Sary
The Book of Mormon prophet Helaman riding on a white horse. Helaman is leading an army of 2,000 young Lamanite warriors. The warriors are marching and carrying spears. Scriptural reference: Alma 53:16-22.
Sary
Joseph Smith sitting on the floor on some straw in Liberty jail writing on a piece of paper with sunlight shining on him.
  • Inona no manaitra anao amin’ny tantaran’io olona io?

  • Ahoana no fomba fiantraikany amintsika rehefa mandre na mizara tantara momba ny finoana isika? Nahoana?

Tamin’ny lesona teo aloha ianao dia nianatra momba ny hoe midika inona aminao ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy. Eritrereto hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fampiharanao ny fampitomboana finoana Azy hampatanjaka anao amin’ny lafiny maro izay mety hahatsapanao ho malemy sy mora voadona. Mety hanampy ny firaketana ireo fahatsapana ireo ao anatin’ny diary fandalinanao. Eo am-pandalinanao anio dia saintsaino ny fomba ahafahanao mampitombo ny fanirianao sy ny fahaizanao mampihatra ny finoanao.

Ireo izay mivelona “amin’ny finoana”

Araka ny voarakitra ao amin’ny Hebreo 11 , dia nizara ohatra maro i Paoly momba ny olona ao amin’ny Testamenta Taloha izay nivelona “tamin’ny finoana” sy “tamin’ny alàlan’ny finoana.” Mety ho tsikaritrao fa miverimberina imbetsaka ireo andian-teny ireo ao amin’ny Hebreo 11. Rehefa mandalina ny sasany amin’ireo ohatra nozarain’i Paoly tamin’ireo Olomasina Hebreo ianao dia eritrereto ny fomba nanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahalalahan-tanany tamin’ny valisoa sy fitahiana nomeny an’ireo izay niasa tamim-pinoana.

Ho an’ity sahanasa manaraka ity dia zarao ho vondrona telo ny mpianatra, ka omeo ny iray amin’ireo andian-tsoratra masina hohalalinina ny vondrona tsirairay. Rehefa vitan’ireo mpianatra izany dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany amin’ny mpianatra iray nandalina tantara iray hafa.

Mamorona tabilao misy tsanganana roa mitovy amin’ity manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao. Ataovy izay hamelana toerana malalaka eo ambanin’ny lohateny tsirairay.

Tamin’ny fomba ahoana no nampiharana finoana

Ahoana no fomba namalian’ Andriamanitra soa ireo asa mahatoky

Halalino farafaharakeliny ny iray amin’ireto andian’andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Rehefa mandalina ianao dia raketo ao anatin’ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinanao ny hevitrao.

Hebreo 11:4–11, 17–22

Hebreo 11:23–31

Hebreo 11:32–38

Ampiasao ireto fanontaniana manaraka ireto hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ny zavatra nianarany.

  • Inona avy ireo fomba sasany nampiharan’ireo olona voalaza ao amin’ireo andininy ireo ny finoany an’ Andriamanitra?

  • Inona avy ireo fomba sasany namalian’ Andriamanitra soa azy ireo tamin’ny heriny sy ny fitahiany?

  • Inona no nianaranao avy tamin’ireo andininy ireo ka mety hanampy anao eo amin’ny fiainanao?

  • Inona no nianaranao mikasika an’ Andriamanitra avy amin’ny fandalinanao ireo andininy ireo?

Afaka mianatra fahamarinana maro momba ny finoana sy Andriamanitra ary ny tenantsika isika amin’ny alalan’ireo ohatra mahatoky nozarain’i Paoly. Iray amin’ireo fahamarinana aseho ao anatin’ity toko ity izay ampianarina ao amin’ny Hebreo 11:6 ny hoe : Andriamanitra dia mamaly soa izay mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy. Raha mbola tsy nanao izany ianao dia asio marika ny hoe “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy Izy” ao amin’ny andininy 6 .

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fikatsahana an’ Andriamanitra amim-pahazotoana ho fomba iray hampiharana ny finoanao?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no faly ny Ray any An-danitra rehefa mampihatra ny finoantsika isika?

Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto sy hanasa ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba izany ao anaty vondrona kely.

Raha toa ka sahirana amin’ny fanontaniana faharoa ny mpianatra dia zarao ny teny nataon’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ao amin’ny lesona.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ilaintsika ny fampiharana finoana mba hahazoana ny fitahian’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika?

  • Inona no afaka manampy anao haharitra rehefa toa tsy mety tonga ny fitahiana vokatry ny asa mahatoky?

Mivelona amin’ny finoana

Ankoatra ny fitahiany olona maro fahiny noho ny fampiharana finoana Azy, dia “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” amin’izao androntsika izao koa Andriamanitra ( Hebreo 11:6).

.. .

Eritrereto ny fotoana izay nahazoanao na ny olona fantatrao ireo fitahian’ Andriamanitra noho ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Asao ny mpianatra hanoratra ny valin-tenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany alohan’ny hanasana ireo mpianatra manolo-tena hizara ny valin-teniny amin’ny iray kilasy.

  • Inona ny zavatra nianaranao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’izany traikefa izany?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mety hanampian’izany traikefa izany anao mba hampihatra finoana Azy Ireo amin’ny hoavy?

Mizarà fijoroana ho vavolombelona manokana momba ireo fitahiana avy amin’ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy. Afaka vakina mafy ity teny manaraka ity mba hamaranana ny lesona.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Izay zavatra tsara rehetra eo amin’ny fiainana, izany hoe ny fitahiana manana lanja mandrakizay rehetra, dia manomboka amin’ny finoana. Ny famelana an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika dia manomboka amin’ny finoana fa Izy dia vonona ny hitarika antsika.

(Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 102)

Saintsaino ny zavatra nianaranao sy ny zavatra tsapanao rehefa nandalina momba ny finoana ao amin’ny Hebreo 11 ianao. Inona no zavatra tsapanao hoe tokony ho atao ho vokatry ny zavatra izay nianaranao androany? Inona no azonao atao hiasana amim-pinoana bebe kokoa ao amin’i Jesoa Kristy? Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no fomba hahazoako fitahiana avy amin’ Andriamanitra?

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dale G. Renlund of the Quorum of the Twelve Apostles, January 2016.

Ny ankamaroan’ireo fitahiana izay irin’ Andriamanitra omena antsika dia mitaky ny hanaovantsika zavatra—dia zavatra atao mifototra amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Ny finoana ny Mpamonjy dia fitsipiky ny asa sy hery. Manao asa amim-pinoana aloha isika voalohany indrindra; avy eo dia tonga ny hery—arakaraka ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny fotoany. Tena zava-dehibe io filaharany io. Raha ny zavatra takina atao anefa dia kely foana raha ampitahaina amin’ireo fitahiana izay horaisintsika amin’ny farany [jereo ny Môzià 2:24–25].

(Dale G. Renlund, “Be fitahiana,” Liahona, mey 2019, 70)

Inona no azoko ianarana avy amin’ireo ohatra nasehon’ireo mpikamban’ny Fiangonana mahatoky amin’izao andro izao?

.. .

.

.

.

.

Raha tsy mahazo valiny na fitahiana aho, moa ve tsy ampy fahatokiana aho?

Ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa:

Sary
Official Portrait (as of June 2016) of Elder Ronald A. Rasband of the Quorum of the Twelve Apostles.

Mitobaka ireo fahagagana sy famantarana ary zava-mahagaga eo anivon’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ankehitriny, eo amin’ ny fiainanareo sy eo amin’ny ahy. …

… Tsy voatery ilay angatahantsika izany, na ilay antenaintsika, saingy rehefa matoky ny Tompo isika, dia hoe eo Izy, ary ho marina ny Azy. Ho ampifanarahany amin’izay fotoana hilantsika izany ilay fahagagana. …

Misy fotoana isika manantena fahagagana hanasitranana olon-tiana iray, hamadihana zavatra tsy rariny nihatra, na mba hanalefahana ny fon’olona iray ao anatin’ny ngidy na fahadisoam-panantenan’ny fanahy. Rehefa mijery amin’ny maso maha olombelona isika dia tiantsika ny Tompo hiditra an-tsehatra, hanamboatra izay simba. Amin’ny alalan’ny finoana no hahatongavan’ny fahagagana, saingy tsy voatery ho araka ny fandaharam-potoantsika na hizotra araka ny niriantsika. Moa ve izany midika fa tsy ampy ny fatokiantsika, na tsy mendrika ny hidiran’ny Tompo an-tsehatra isika? Tsia. Tena lalain’ny Tompo isika. Nanolotra ny ainy ho antsika Izy, ary ny Sorompanavotana nataony dia mbola mitohy manafaka antsika amin’ny enta-mavesatra sy ny fahotana rehefa mibebaka isika ka manatona Azy.

Nampahatsiahy antsika ny Tompo hoe “ny lalanareo kosa tsy mba lalako” [ Isaia 55:8]. Manasa Izy hoe: “Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana” [ Matio 11:28 ]—fitsaharana amin’ny tebiteby, fahadisoam-panantenana, tahotra, tsy fankatoavana, ahiahy ho an’ireo malalantsika, noho ireo nofy tsy tanteraka na rava. Ny fiadanana eo anivon’ny fifanjevona na ny fahoriana dia fahagagana. Tsarovy ny tenin’ny Tompo: “Tsy nilaza fiadanana tamin’ny sainao va Aho momba izany? Inona no vavolombelona bebe kokoa mety ho azonao noho izay avy amin’ Andriamanitra?” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:23]. Ny fahagagana dia hoe i Jesoa Kristy, ilay Jehovah Lehibe, ilay Zanak’ilay Avo indrindra, dia mamaly ao amin’ny fiadanana.

(Ronald A. Rasband, “indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho,” Liahona, mey 2021, 109, 111)

Sahanasa fianarana fanampiny

Hebreo 11. Famantarana ireo fambara sy tandindon’i Jesoa Kristy

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ifandraisan’ny sasany amin’ireo ohatra mikasika ny finoana nomen’i Paoly ao amin’ny Hebreo 11 amin’ireo zava-nitranga tamin’ny fiainan’i Jesoa Kristy. Izany dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa maro amin’ireo tantara ao amin’ny Testamenta Taloha no fambara sy tandindon’ny fiainan’ny Mpamonjy.

Ohatra, ny fahavononan’i Abrahama hanolotra an’i Isaka ho sorona (jereo ny Hebreo 11:17) dia azo ampitahaina amin’ny nanomezan’ny Ray any An-danitra ny Zanany Lahitokana mba hanavotra izao tontolo izao (jereo ny Jaona 3:16). Toy izany koa, ny fampitahan’i Paoly ny fanatitra ho sorona an’i Abela sy i Kaina (jereo ny Hebreo 11:4) dia azo ampitahaina amin’i Jehovah nanolotra ny Tenany ho Mpanavotra antsika tao amin’ny filankevitra natao tany an-danitra talohan’ny nahaterahana (jereo ny Mosesy 4:1–4). I Noa, izay “nanamboatra sambofiara hamonjena ny ankohonany” ( Hebreo 11:7), dia azo ampitahaina amin’i Jesoa Kristy, “ilay efa nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao mba hanavotra ny olo[ny]” ( Etera 3:14).

Etera 12. Ohatra amin’ny finoana avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Rehefa mandalina ny ohatra nomen’i Paoly momba ireo olona mahatoky ao amin’ny Hebreo 11 ny mpianatra dia asao izy ireo hamerina hijery ny Etera 12:13–22 mba hahitana tantara fanampiny momba ireo olona mahatoky.