Seminera
Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 5


Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 5

Ataovy tsianjery ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana sy ireo fehezan-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Sary
Young single adult reading her scriptures deep in thought

Afaka mitahy anao amin’ny fomba maro ny mitadidy ireo andinin-tsoratra masina sy ny zavatra azon’izany ampianarina. Ity lesona ity dia hanampy anao hanao tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo andinin-tsoratra fehezina mirakitra fotopampianarana izay nitarika azy ireo hanana fanantenana ao amin’i Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny fifehezana fotopampifandaharana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na ny mpiandraikitra eo amin’ny vondromparitra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana rehetra mandritra ny seminera.

Fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy

Ny fanantenana dia “fiandrasana amim-pahatokiana sy faniriana ireo fitahiana nampanantenain’ny fahamarinana,” anisan’izany ny “fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fanantenana ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny antony nahatonga anao nanana faniriana na filàna hahatsapa fanantenana bebe kokoa.

Nampianatra ny Apôstôly Paoly “Fa izay voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika mba hanana fanantenana amin’ny faharetana sy fiononana avy amin’ny soratra masina” ( Romana 15:4).

Asao ireo mpianatra hizara ireo hevi-dehibe azo avy tamin’ny sahanasa fanomanana ny mpianatra tao anatin’ity fizaran’ny lesona ity.

  • Inona avy ireo fampianarana na fahamarinana mahakasika an’i Jesoa Kristy nianaranao tao amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana izay nitondra fanantenana ho anao? Ahoana no nanomezan’ireo fanantenana anao?

  • Ahoana no fomba hanampian’ny fitadidiana tsianjery ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina anao mba handray fanantenana bebe kokoa avy amin’ny Mpamonjy?

Amin’ity lesona ity dia hanana fahafahana hanao tsianjery ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay hita ao amin’ny tabilao etsy ambany ianao. Rehefa manao izany ianao dia fantaro amin’ireto andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina manaraka ireto izay tena nitondra fanantenana ho anao ary nahoana.Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ireo raha mbola tsy nanao izany ianao.

Mahaiza mandinika hoe andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana firy no tokony hataon’ireo mpianatra tsianjery amin’ity lesona ity. Hevero ny hamporisika ireo mpianatra hanandrana karazana fomba fitadidiana tsianjery maromaro. Ito ambany ito misy fomba iray ahafahana mitadidy tsianjery.

Asehoy ity tabilao manaraka ity mandritra ny fotoana izay anoratan’ny mpianatra ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao anatin’ny taratasin’izy ireo, saingy ataovy mialoha ny fanombohana ny sahanasa fitadidiana tsianjery izany.

Hevero ny mizara ireo mpianatra ho tsiroaroa na anaty vondrona kely rehefa manao ity sahanasa manaraka ity.

Sary
Doctrinal Master - Matthew - John

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Lioka 2:10–12

“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

Jaona 3:5

“Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”

Jaona 3:16

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana.”

Matio 5:14–16

“Aoka hazava eo imason’ny olona ny fahazavanareo.”

Matio 11:28–30

“Mankanesa aty Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

Matio 16:15–19

Hoy Jesoa: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Jaona 7:17

“Raha misy olona tehanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

Matio 22:36–39

“Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Lioka 22:19–20

Nandidy i Jesoa Kristy ny handraisana ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana ahy.”

Jaona 17:3

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.”

Lioka 24:36–39

“Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

Akorontano ary ampifandraiso

Makà sombin-taratasy ary tapaho hizara efatra mitovy izany. Misafidiana andinin-tsoratra masina efatra farafahakeliny avy ao amin’ilay tabilao. Soraty eo amin’ny sombin-taratasy tsirairay ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja izay mifanaraka amin’izany.

Rehefa vita izany dia tapaho hisaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny andian-teny manan-danja tahaka ity ohatra manaraka ity (ny “/” dia manambara ny faritra izay tokony hotapahana).

Jaona 7:17 / “Raha misy olona tehanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

Aorian’ny fizarana ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ho efatra farafahakeliny dia ataovy mifanovona (mifanongoa) ireo taratasy, ary ampifangaroy rehefa avy eo.

Ezaho ampifandraisina amin’izay ireo andinin-tsoratra masina tsirairay amin’ny andian-teny manan-danja izay mifanaraka aminy ary aza mangalatra mijery valiny. Hevero ny hanao izany indroa na intelo. Azonao refesina ny hafaingianam-potoana ahavitanao izany mba hahafahanao manatsara izany hatrany isaky ny mamerina manao izany ianao.

Ataovy mihasarotra ity sahanasa ity amin’ny alalan’ny fanapahana ireo andian-teny sahala amin’ ireto ohatra manaraka ireto (ny “/” dia manambara ny faritra izay tokony hotapahana).

Matio 22:36–39 / ”Tiava / an’ i Jehovah Andriamanitrao. … / Tiava ny namanao.”

Matio / 22: / 36 /–39 / “Tiava / an’ i / Jehovah / Andriamanitrao. …/ Tiava / ny / namanao.”

Ampifangaroy ireo teny sy tarehimarika ireo, ary alamino tsara manaraka ny toerana izay tokony hisy azy avy rehefa avy eo. Azonao atao ny mampifangaro ireo teny sy tarehimarika miaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina rehetra ireo indray mandeha na koa miasa amin’ny andinin-tsoratra masina iray isaky ny mandeha. Hevero ny hanao izany indroa na intelo. Azonao refesina ny hafaingianam-potoana ahavitanao izany mba hahafahanao manatsara izany hatrany isaky ny mamerina manao izany ianao.

Rehefa afa-po tsara dia asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo fanontaniana izay napetraka tany am-panombohanan’ny fotoam-pianarana sy ireo filàna na fanirian’izy ireo hanana fanantenana. Asao ireo mpianatra hijery ireo andinin-tsoratra masina tsirairay avy sy ireo andian-teny manan-danja izay mifandray amin’izany, ary omeo fotoana izy ireo mba hahafahany hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany mialoha ny hizaran’izy ireo ny heviny amin’ny namany na vondrona kely izay misy azy, na ny iray kilasy.

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana efatra sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina tadidinao tsianjery?

  • Inona amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no tena afaka manampy anao indrindra amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao?

  • Inona amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no nitarika anao hanana fanantenana bebe kokoa ao amin’i Jesoa Kristy? Nahoana?