Seminera
Famerenana ny Fifehezana Fotopampianarana 4


Famerenana ny Fifehezana Fotopampianarana 4

Fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana

Sary
Youth engaged in a group activity. They are seated in a circle in an outdoor setting.

Ny iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana dia mba hahafahana manampy anao hianatra ny fomba tsara hampiharana ny fotopampianarana izay hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana ireo eo amin’ny fiainanao. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana amin’ireo rafi-tantara izay mety hisy itoviana amin’ny zavatra anankiray mety ho hitanao eo amin’ny fiainanao manokana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina fomba nampiharany teo amin’ny fiainany, ireo fahamarinana izay nampianarina tao amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana izay nianaran’izy ireo hatreto, tamin’ity taona ity.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray momba ny andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na faritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Ahoana ny fomba ifandraisan’io soratra masina io amin’ny fiainako?

Misy zatovolahy iray antsoina hoe Nico, nandany fotoana betsaka tamin’ny fandalinana soratra masina. Nahafantatra tantara maro ao amin’ny soratra masina izy ary nahavita nanao tsianjery andinin-tsoratra masina maro tokoa. Na dia teo aza izany ezaka nataony izany dia mbola nahita fahasarotana hatrany i Nico tamin’ny fampifandraisana ny soratra masina tamin’ireo toe-java-misy niainany manokana sy ireo fanontaniana nanany.

  • Inona ny zavatra mety azonao holazaina amin’i Nico hanampy azy hahita ireo fomba tsara azahoana mampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainany?

  • Tamin’ny oviana ianao no nampihatra fahamarinana avy tamin’ny soratra masina teo amin’ny fiainanao?

Ity lesona ity dia hanampy anao hampihatra ireo fahamarinana izay nampianarina tao amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana amin’ireo trangan-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Asehoy ity tabilao manaraka ity mba hataon’ireo mpianattra modely mandritra ny lesona izay atao. Farito ireo andinin-tsoratra masina izay hitanao fa tokony ho tsara amafisina sy averina.

Ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Ireto manaraka ireto dia t andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny andinin-tsoratra fehezina mirakitra fotopampianarana avy ao amin’ny tapany voalohany amin’ny Testamenta Vaovao. Avereno jerena io tabilao io, ary raha toa ka mbola tsy nanao izany ianao, dia hevero ny hanisy marika ireto andinin-tsoratra masina ireto.

Sary
Doctrinal Master - Matthew - John

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Lioka 2:10–12

“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

Jaona 3:5

“Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”

Jaona 3:16

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany Lahitokana.”

Matio 5:14–16

“Aoka hazava eo imason’ny olona ny fahazavanareo.”

Matio 11:28–30

“Mankanesa aty Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

Matio 16:15–19

Hoy i Jesoa: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Jaona 7:17

“Raha misy olona te hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

Matio 22:36-39

“Tiavo an’i Jehovah Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Lioka 22:19–20

Nandidy i Jesoa Kristy ny handraisana ny fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana ahy.”

Jaona 17:3

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.”

Lioka 24:36–39

“Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

  • Tamin’ny fomba ahoana avy no nampiharanao na nahafahanao nampihatra ireo fahamarinana sasantsasany izay nampianarina tao amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana ireo teo amin’ny fiainanao?

Mampihatra ny fotopampianarana amin’ireo toe-java-misy izay iainanao

Ampio ireo mpianatra mba hahafahany mampihatra ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Ny fomba anankiray hafa ahafahana manao izany dia ny fifampizarana ireto rafi-tantara manaraka ireto sy ny fanasana ireo mpianatrahisafidy andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana iray izay afaka manampy ilay olona miaina trangan-javatra iray.

Hevero ny hanampy karazan-javatra amin’ity sahanasa ityamin’ny alalan’ny fanehoana ireo taratasy nasiana ireo andinin-tsoratra masina manerana ny efitrano ( andinin-tsoratra masina iray isaky ny taratasy). Manehoa rafi-tantara anankiray amin’iray kilasy, avy eo dia asao ireo mpianatra hitsangana eo akaikin’ilay taratasy misy ilay andinin-tsoratra masina izay tsapany fa mifandray kokoa amin’ilay trangan-tantara izay nasehonao azy ireo. Rehefa avy eo dia asao indray ireo mpianatra mba hanazava ny antony nisafidianan’izy ireo io andinin-tsoratra masina io. Ny mpianatra hafa kosa dia azo asaina hizara ireo antony fanampiny izay tsapan’izy ireo fa hahafah’ilay andinin-tsoratra masina manampy amin’izany rafi-tantara izany.

Ireto manaraka ireto dia ohatra amin’ireo rafi-tantara roa izay azo ampiasaina amin’ity sahanasa ity. Raha ilaina dia mamòrona rafi-tantara hafa izay mifandray amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana hafa izay voatanisa tao anatin’ilay tabilao.

  • Manontany anao ny namanao hoe: “Inona no tena zava-dehibe momba an’i Jesoa Kristy?”

  • Rehefa misy namana anankiray nanomboka nianatra mahakasika ny filazantsara, dia manontany izy hoe: “Nahoana aho no mila atao batisa?” Tsy mety ve raha mijanona ho olona tsara fotsiny aho?

Amin’ireto rafi-tantara roa manaraka ireto dia hevero ny hizara ireo mpianatra ho tsiroaroa na vondrona kely. Omeo rafi-tantara iray avy ny mpiara-miasa tsiroadroa na ireo vondrona. Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana miaraka amin’ireo rafi-tantara ireo.

  • Mahatsapa ho sahirana amin’ny fiainana ianao ary manontany tena hoe aiza no ahitanao fitsaharana.

  • Manamafy ny maha-zava-dehibe ny maha-ho ohatra fakan-tahaka ny tenanao ho an’ny hafa ireo ray aman-dreninao.

  • Inona noandininn-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana heverinao fa mifandray amin’io rafi-tantara io?

  • Inona avy ireo teny na andian-teny manokana avy amin’io andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana io izay afaka manampy amin’io toe-java-misy io?

Omeo fotoana ireo mpianatra hamorona rafi-tantara iray na maromaro izay mifandray amin’reo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana voatanisa avy tao amin’ity lesona ity. Rehefa vitan’ireo mpianatra izany dia manasà mpianatra vitsivitsy izay mazoto hanolo-tena hizara ny valin-tenin’izy ireo amin’iray kilasy. Aorian’ny fizarana rafi-tantara izay nataon’ireo mpianatra dia azonao atao ny manasa mpianatra hafa hisafidy andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana izay heverin’izy ireo fa mifandray kokoa amin’ilay rafi-tantara.

Amporisiho ireo mpianatra hanohy hikaroka ny fomba tsara hampiharana ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana ireo.