Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 1


Famerenana fifehezana fotopampianarana 1

Tadiavo ary ataovy tsianjery ny: Lioka 2:10–12 hatramin’ny Lioka 24:36–39

Sary
Kilasin’ny seminera.

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hitadidy ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahita sy hanao fanazarana amin’ny fanaovana tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’iny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana voalohany miisa 11 izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Mamorona tontolo anjakan’ny fitiavana. Ny fanomezana fahafahana an’ireo mpianatra mba hifankahafantatra dia afaka manampy amin’ny famoronana tontolo anjakan’ny fitiavana, fifanajana, ary tanjona iombonana ao an-dakilasy. Mitadiava fomba ahafahana mamporisika ireo mpianatra mba hifampizara fampahalalana azo zaraina momba ny fiainany.

Sahanasa fianarana azo atao

Mety ilaina ny mampianatra lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eo amin’ny toeran’ity lesona ity. Jereo ny fandrindrana ny taom-pianarana mba hakana antoka fa ny lesona tsirairay momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia hampianarina mandritra ny taom-pianarana.

Toko sy andinin-tsoratra masina ary andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

  • Nahoana no ilaina ny mahafantatra ireo toko sy andinin-tsoratra masina ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana?

Mety tadidinao ity teny nambaran’ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstoly Roambinifolo momba ny lanjan’ny fitadidiana soratra masina ity:

Sary
Sary tapaka nalaina farany ary natao ho sary ôfisialin’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004. Nodimandry tamin’ny 22 septambra 2015.

Hery lehibe no azo avy amin’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina. Toy ny manomboka finamanana vaovao ny fanaovana tsianjery soratra masina. Toy ny fiezahana mamantatra olona iray vaovao izay afaka manampy amin’ny fotoana ilana fanampiana izany, sy afaka manome fitaomam-panahy sy fankaherezana, ary ho loharano hahazoana risi-po hanaovana ny fanovana izay ilaina.

(Richard G. Scott, “Ny herin’ny soratra masina,” Liahona, nôv. 2011, 6)

Mba hanampiana anao hianatra ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana voalohany miisa 11 , dia hevero ny handika ity tabilao manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao na ampidiro ao anatin’ny fitaovanao elektrônika azo entina mandehandeha ny application Maîtrise de la doctrine ary hampiasao ireo sahanasa ao amin’ilay application mba hanampiana anao hianatra tsianjery.

Asehoy ity tabilao manaraka ity.

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Lioka 2:10–12

“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

Jaona 3:5

“Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”

Jaona 3:16

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana.”

Matio 5:14–16

“Aoka hazava eo imason’ny olona ny fahazavanareo.”

Matio 11:28–30

“Mankanesa aty Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

Matio 16:15–19

Hoy i Jesoa: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Jaona 7:17

“Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

Matio 22:36–39

“Tiava ny Tompo Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Lioka 22:19–20

Nandidy i Jesoa Kristy hoe raiso ny fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana ahy.”

Jaona 17:3

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.”

Lioka 24:36–39

“Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

Sary
Fifehezana fotopampianarana - Matio - Jaona

Miankina amin’ny habetsahan’ireo mpianatrao, dia hevero ny hampiandraikitra ny mpianatra tsirairay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray amin’ireo 11 ireo na mihoatra izany. Raha ilaina, dia azo omena mpianatra maro ny andinin-tsoratra masina tokana.

Entano ireo mpianatra hifanakalo toerana ao an-dakilasy ary hiasa miaraka amin’ny mpiara-mianatra hafa mba hitady ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra miisa 11 ary ireo andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina, sy hanisy marika izany, raha misafidy ny hanao izany izy ireo. Amporisiho ireo mpianatra hiovaova olona hiarahana miasa afaka minitra vitsivitsy.

Asao ireo mpianatra hanao ity zavatra manaraka ity rehefa mifanerasera izy ireo (mety hanampy ny fanoratana ireto torolalana manaraka ireto eo amin’ny solaitrabe):

  1. Mametraha fanontaniana mba hifankahalalana kokoa (ohatra, “Inona ny iray amin’ireo fialambolinao?” na “Aiza ny iray amin’ireo toerana tianao indrindra?”).

  2. Mifanampia amin’ny fitadiavana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina izay nampandraiketina. Hevero ny hanisy marika ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masinao.

  3. Zarao ny antony maha-manan-danja ny fahamarinana ao amin’ilay andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina.

  4. Ezaho hatao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Misafidiana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana telo farafahakeliny, ary ataovy ity manaraka ity:

  • Soraty tsianjery ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina.

  • Zarao ny antony inoanao fa manan-danja ny mahafantatra ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Mandritra ireo andro vitsivitsy manaraka, dia miezaha manao tsianjery toko sy andinin-tsoratra masina ary andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina telo na mihoatra farafahakeliny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Mitadiava fomba hahafahan’ny fahafantarana ireo andinin-tsoratra masina ireo mitahy ny fiainanao sy ny fiainan’ireo olona fantatrao.

Sahanasa fianarana fanampiny

Sahanasa iray hafa azo atao

Fomba iray hafa hanampiana ireo mpianatra hanao tsianjery ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ny manoratra amin’ny tapa-taratasy kely fanontaniana mifandray akaiky kokoa amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tsirairay. Afaka miasa tsiroaroa ny mpianatra rehefa mamaly ireo fanontaniana. Ireto manaraka ireto misy ohatra amin’ny karazana fanontaniana izay azo hapetraka:

Lioka 2:10–12

Inona no zavatra mahafinaritra anao ny manao azy mandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy?

Tadiavo ny Lioka 2:10–12 . Hevero ny hanisy marika ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina manao hoe “Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

Ezaho hatao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Nahoana no manan-danja aminao ny fahafantarana ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy antsika Azy?

Jaona 3:5

Inona no tsaroanao momba ny batisanao?

Tadiavo ny Jaona 3:5. Hevero ny hanisy marika ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina manao hoe “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy afaka ny hiditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.”

Ezaho hatao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Inona no holazainao amin’ny olona iray niditra ho mpikambana vao tsy ela mikasika ireo fitahiana avy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny fanjakan’ny Tompo?