Seminera
Famerenana ny Fifehezana Fotopampianarana 10


Famerenana ny Fifehezana Fotopampianarana 10

Fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
Illustration of young adults - teenagers of various ethnicity. There is a yellow band above them.

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eo amin’ny trangan-javatra amin’ny fiainana. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao mba hizatra hampihatra ireo fotopampianarana sasany izay nianaranao tamin’ity taona ity.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana efatra izay hita ato amin’ny ity tabilao manaraka ity. Asao izy ireo mba ho vonona hizara ireo fomba manokana ahafahany mampihatra ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray mirakitra andinin-tsoratra masina fifahezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Fotompampianarana ampiasaina amin’ny tena fiainana

Avereno jerena ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana efatra ato amin’ity tabilao manaraka ity. Rehefa mamaky ireo rafi-tantara etsy ambany ianao, dia fantaro hoe iza amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana no afaka hanampy amin’ireo rafi-tantara tsirairay ireo.

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Matio 22:36–39

“Tiavo ny Tompo Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Lioka 22:19–20

Nandidy i Jesoa Kristy ny handraisana ny fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana ahy.”

Lioka 24:36–39

“Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

Jaona 17:3

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.”

Asehoy eny amin’ny solaitrabe ireto rafi-tantara manaraka ireto mba ho hitan’ireo mpianatra rehefa miditra ao an-dakilasy izy ireo. Raha toa ka ilaina, dia amboary ireo rafi-tantara mba hifanaraka kokoa amin’ireo mpianatra. Miankina amin’ny fotoana misy, mety afaka hanao iray na roa amin’ireo sahanasa ato anatin’ity lesona ity ireo mpianatra.

Amporisiho ireo mpianatra mba hampiasa ny hevitra izay azony avy tamin’ireo sahanasa ao amin’ny fiomanan’ny mpianatra sy mandritra ny ambiny amin’ny lesona.

  1. I Carlos dia manana namana avy amin’ny finoana Kristianina hafa izay maneho ny finoany fa i Jesoa Kristy dia fanahy ary tsy manana vatana Izy.

  2. I Liz dia mandray ny tenany ho tsy manohitra izay mety ho firehan-kevitra, ao anatin’izany ny fanekena ireo karazana fitondrantena rehetra raha toa ka atao amin’ny hitsim-po izany. Izany dia nitarika azy hametra-panontaniana ny amin’ny fotompampianaran’ny Ray any An-danitra momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Noho ireo fanontaniana izay napetrany ireo, dia nijanona tamin’ny fanatrehana fotoam-pivavahana i Liz vao tsy ela akory izay ary miaina didy hafa indray izy.

  3. Manontany tena i Maria hoe ahoana no ahafahany mandray ny fanasan’ny Tompo mba hampanan-danja kokoa izany.

  4. Tsy nifantoka tamin’ny kilasin’ny seminera sy Sekoly Alahady intsony i Frank satria nieritreritra izy fa efa ampy ny fahaizany mahakasika an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Misafidiana iray amin’ireo rafi-tantara ireo dia eritrereto ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay mifanaraka amin’izany.

  • Ahoana no ifandraisan’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nosafidianao amin’ity rafi-tantara ity?

  • Ahoana no ahafahan’ity andinin-tsoratra masina ity manampy ilay olona ao anatin’ilay rafi-tantara mba hahafantatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ny fanirian’izy ireo ho antsika?

  • Inona no torohevitra azonao omena io olona io mba hampiharany ireo fahamarinana hita ao amin’ilay andinin-tsoratra masina izay nosafidianao? Nahoana?

Fampiharana ny andinin-tsoratra masinafifehezana fotopampianarana amin’ny toe-javatra manokana

Ao anaty diary fandalinanao soratra masina, manaova sarin’olona kely maneho zatovo anakiray, ary soraty eo ny taonany, lahy na vavy, na efa manambady na tsia. Mety ho tena misy na azo alaina sary an-tsaina ihany io olona io. Asio fanontaniana manokana vitsivitsy, olana, na fanamby izay atrehan’io olona io amin’izao fotoana izao.

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hanao izany ao anaty taratasy kely fa tsy ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina. Afaka asian’izy ireo marika eny amin’ny sisin’ny pejy rehefa mamerina ny taratasy izy ireo mba hamantaran’izy ireo ny taratasiny fa tsy atao izay hahafantaran’ny hafa hoe an’iza ilay izy. Zarao amin’ny mpiara-mianatra hafa ireo taratasy ireo mba hahafahan’izy ireto mamaly ny fanontaniana manaraka ireto araka ny rafi-tantara izay nomena. Ankoatra izany, afaka mampiasa ny rafi-tantara avy amin’ny taratasiny manokana ireo mpianatra.

Avereno jerena ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana etsy ambany (sy izay hafa nosafidianao) ary fantaro hoe inona ny andini-tsoratra masina afaka manampy amin’ilay rafi-tantara.

Asehoy ity tabilao manaraka ity mba hataon’ireo mpianattra modely mandritra ny lesona. Raha toa ka ilaina, ampio na mampiasà andinin-tsoratra masina fifehezana ny fotopampianarana hafa ankoatra ilay asongadina anatin’ity lesona ity.

Sary
Doctrinal Master - Matthew - John

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Lioka 2:10–12

“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

Jaona 3:5

“Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”

Jaona 3:16

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany Lahitokana.”

Matio 5:14–16

“Aoka hazava eo imason’ny olona ny fahazavanareo.”

Matio 11:28–30

“Mankanesa aty Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

Matio 16:15–19

Hoy i Jesoa: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Jaona 7:17

“Raha misy olona te hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

Matio 22:36–39

“Tiavo ny Tompo Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Lioka 22:19–20

Nandidy i Jesoa Kristy ny handraisana ny fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana ahy.”

Jaona 17:3

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.”

Lioka 24:36–39

“Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

Manorata naoty fohy ho an’ny zatovo ao anatin’ilay rafi-tantara. Ampiaraho ao ireto zavatra manaraka ireto:

  • Ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tsapanao fa mety hanampy azy ireo hahatakatra ny fanirian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho azy ireo sy ny antony.

  • Ny zavatra anankiray niainanao manokana, tantara ao amin’ny soratra masina, na ohatra avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay mifanaraka amin’izay ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina sy izay mety hankahery io olona io.

  • Ny zavatra mety hataon’izy ireo mba hampiharana ireo fahamarinana ao amin’ilay andinin-tsotra masina fifehezana fotompampianarana izay natolonao. (Ohatra, ho an’ny Lioka 22:19–20 azonao atao ny manampy torohevitra momba ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy ireo zavatra izay tokony ho tadidiana mikasika ny Mpamonjy mandritra ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, na koa Jaona 7:17 azonao atao ny mandroso lahateny azon’izy ireo vakina hahatakarana tsara kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.)

  • Ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ireo fahamarinana nampianarina tao amin’ilay andinin-tsoratra masina nosafidianao.

Raha toa ka nanao ity sahanasa ity avy amin’ny rafi-tantaran’olona hafa ireo mpianatra, dia asao izy ireo hanaparitaka ny taratasy mba hahafahan’ny tsirairay maka ny taratasiny avy. Asao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay nianarany avy tamin’io zavatra niainana io. Hevero ny hizara zavatra niainanao manokana na fijoroana ho vavolombelona anao manokana.

Raha toa ka nanoratra fanamarihana ho an’ny olona iray tena misy ianao, dia hevero ny hanome izany azy ireo na hiresaka mivantana amin’izy ireo mikasika ny zavatra izay nosoratanao.