Seminera
Fifehezana Fotopampianarana: 1 Korintiana 15:40–42


Fifehezana Fotopampianarana: 1 Korintiana 15:40–42

Amin’ny fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo

Sary
An illustration showing Salvation and Exaltation: Sun & Moon and Stars

Tamin’ny lesona teo aloha, “1 Korintiana 15:32–54,” dia nianatra momba ireo ambaratongam-boninahitra telo amin’ny fitsanganana amin’ny maty ianao. Nianatra ihany koa ianao fa ny Raintsika any An-danitra dia hanome ireo mahatoky ny voninahitra selestialy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja izay hita ao amin’ny 1 Korintiana 15:40–42, hanazava ny fotopampianarana, sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Manampy ny mpianatra hitady ireo valim-panontaniana izay naroson’izy ireo. Tsy andraikitry ny mpampianatra ny hamaly ny fanontaniana rehetra izay apetraky ny mpianatra. Ampio ireo mpianatra hampihatra ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hahafahan’izy ireo mahita valin-teny samirery. Amporisiho ireo mpianatra hitodika amim-pinoana amin’ny Tompo ary hatoky Azy. Mety hanampy ny manao toy ny mpitari-dalana amin’ny alalan’ny famantarana ireo loharano notendren’ Andriamanitra izay azon’izy ireo ampiasaina mba hitadiavana ny valiny.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Korintiana 15:40–42 sy ho tonga vonona ao an-dakilasy hizara rafi-tantara iray tena nisy ka mety ahafahan’ny fotopampianarana izay nampianarina ato anatin’ity andalana ity manampy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny “1 Korintiana 15:32–54,” izay lesona araka ny sahan-kevitra mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny 1 Korintiana 15:40–42 . Raha ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa, dia alaivo antoka fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Tadidio sy hazavao

Ampio ireo mpianatra hitadidy sy hanazava ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja izay hita ao amin’ny 1 Korintiana 15:40–42 . Ity sahanasa manaraka ity dia anisan’ny fomba anankiray azo hanaovana izany.

Amin’ity sahanasa ity, dia hevero ny hamelana ireo mpianatra hamita ny dingana tsirairay mialoha ny hanomezana ny dingana manaraka.

  1. Soraty hoe “1 Korintiana 15:40–42: Amin’ny fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo” eny amin’ny faratampon’ny tapa-taratasy kely.

  2. Manaova sarina masoandro anankiray eo ambanin’ilay andian-teny, volana anankiray eo ambanin’ilay sarina masoandro, ary kintana anankiray eo ambanin’ilay sarina volana.

  3. Vakio ny 1 Korintiana 15:40–42 , ary soraty eo amin’ny sary tsirairay izay nataonao ny anaram-boninahitra izay asehony avy. (Tadidio fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny 1 Korintiana 15:40 dia manampy andalana iray momba ny voninahitra telestialy [ao amin’ny torolalana ho an’ny soratra masinah].)

  4. Jereo ny sary izay nataonao ary avereno ao an-tsainao ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja mandrapahazoanao antoka fa hainao tsara daholo izy ireo.

  5. Ahoana ny fomba hanazavanao ireo fahamarinana izay ampianarina ato amin’ity andinin-tsoratra masina ity amin’ny olona anankiray izay tsy mahatakatra ny zavatra hitranga aorian’ny fahafatesana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra? Soraty amin’ny teninao manokana ny fanazavanao.

Asao ireo mpianatra hivezivezy ao amin’ny efitrano fianarana sy hizara ny fanazavany amin’ny mpianatra anankitelo hafa farafahakeliny. Raha toa ka ilaina, dia manaova ohatra amin’ny fomba izay tokony hampitana ireo fahamarinana ireo mialoha ny hanombohan’ireo mpianatra mifampizara.

Amporisiho ireo mpianatra hitazona ny sary izay nataony na hanolotra izany mba ho azo ampiasaina amin’ny famerenana ity andinin-tsoratra masina ity ao amin’ny lesona anankiray hafa izay hatao atsy ho atsy.

Fampiharana hanazaran-tena

Ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia afaka manampy antsika amin’ireo toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana sy amin’ireo fanontaniana manan-danja izay ananantsika.

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto, ary misafidiana anankiray izay tianao hifantohana amin’ny sahanasa manaraka.

Asao ireo mpianatra izay nahavita ny sahanasa fiomanan’ny mpianatra mba hizara ny rafi-tantarany. Azonao atao ny manolo ireto rafi-tantara manaraka ireto amin’ny rafi-tantaran’ny mpianatra.

  1. Miezaka manao ny tsara amin-kitsimpo i Julia, kanefa matetika izy no mahatsiaro ho voaheloka noho ny fahalemeny. Mino izy fa handeha ao amin’ny fanjakana selestialy ny olona sasany, saingy mampisalasala azy ny hahatongavany amin’izany.

  2. Vao nandre lahateny lehibe momba ny fanomezan’ny fitsanganana amin’ny maty izay avy omen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho an’ny rehetra i Maria. Manontany tena izy hoe: “Nahoana aho no tokony hibebaka na hitandrina ny didy raha toa ka hitsangana amin’ny maty sy hanana vatana tonga lafatra sy tsy mety maty avokoa ny olon-drehetra?”

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hivondrona tsitelotelo miaraka amin’ireo hafa izay nisafidy rafi-tantara mitovy. Ho an’ity sahanasa manaraka ity, dia azo atao ny mangataka amin’ny mpianatra tsirairay ao anaty vondrona mba handalina sy hampihatra fitsipika anankiray hafa momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Rehefa avy nahazo fotoana ampy tsara ireo mpianatra, dia asao izy ireo mba hanao tatitra ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny vondrona izay nisy azy avy.

Mety hanampy ny fampisehoana na famoahana dika mitovy amin’ireto fizarana manaraka ireto mba hataon’ny mpianatra modely rehefa manao fandalinana izy ireo.

Tao amin’ny lesona izay natao teo aloha, dia nandalina momba ity fahamarinana manaraka ity izay ampianarina ao amin’ny 1 Korintiana 15:40–42 ianao: ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra, dia misy ambaratongam-boninahitra samihafa ho an’ny vatana izay natsangana tamin’ny maty. Ampiasao ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fahamarinana izay ampianarina ao amin’ny 1 Korintiana 15:40–42 mba hanampiana an’i Julia na i Maria amin’ireo olany na fanontaniany.

Fakafakao ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Vakio ny andiam-pehezan-teny 8 ao amin’ny fizarana “Fahazoana Fahalalana ara-Panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Hevero ny hanisiana marika ireo fanontaniana roa amin’ny faran’io andiam-pehezan-teny io.

  • Ahoana no fomba hampiharana ny valin’ireo fanontaniana roa ireo amin’ny toe-javatra izay iainan’i Julia na i Maria.

Ny andiam-pehezan-teny 8 dia milaza ihany koa fa, “Mikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina isika mba hahitana zavatra amin’ny fomba fahitan’ny Tompo azy ireny.”

  • Inona ny zavatra izay mety hitan’ny Tompo amin’io toe-javatra io ka mety hanampy an’i Julia na i Maria? Nahoana?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izay nofinidin’ Andriamanitra

Vakio ny andiam-pehezan-teny 11–12 ao amin’ny fizarana “Fahazoana Fahalalana ara-Panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

  • Aiza no hatoronao an’i Julia na i Maria hitadiavany ireo fahamarinana izay ilain’izy ireo eo amin’ny fiainany?

  • Inona ny zavatra izay niainanao ka nampiseho ny maha-zava-dehibe ny fisafidianana amim-pitandremana ny toerana izay hikatsahanao fahamarinana ara-panahy?

Manokàna minitra vitsivitsy hitadiavana soratra masina manokana na tenin’ny mpaminany izay tsapanao fa azo ampiharina amin’ny toe-javatra iainan’i Julia na i Maria. (Ny sasantsasany amin’ireo andinin-tsoratra masina avy tamin’ny lesona izay natao vao haingana dia mety afaka manampy ary tafiditra anatin’izany ny 1 Korintiana 15:40–42 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–52, 62–64, 69–70, 71–76, 81–85 ; 88:21–24 .)

  • Inona ny zavatra izay hitanao ka azonao hozaraina? Ahoana ny fomba nahafahan’ireo fahamarinana izay hitanao ireo nitondra fiovana teo amin’ny fiainanao?

Mandehana mivezivezy manerana ny efitrano fianarana, ary ampio ireo mpianatra izay tsy mahazo antoka ny fomba ahitana ny andinin-tsoratra masina na ny teny nataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Hevero ny hampisehoana azy ireo ny fomba ahitana ny zavatra izay tadiaviny fa tsy ny hanome azy ireo fotsiny ny andinin-tsoratra masina na teny nambara izay mety ho azo ampiharina.

Manao asa amim-pinoana

Avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 5–6 ao amin’ny fizarana “Fahazoana Fahalalana ara-Panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Asio marika ny andian-teny na hevitra anankitelo samihafa farafahakeliny izay heverinao fa afaka manampy an’i Julia na i Maria.

  • Inona avy ireo andian-teny izay nosafidinao? Ahoana ny fomba ahafahan’ireo andian-teny ireo manampy an’i Julia na i Maria?

  • Raha toa ianao ka nanana eritreritra mitovy tamin’ny an’i Julia na i Maria, ahoana ny fomba hamalianao amim-pahatokiana ireo eritreritra ireo?

  • Nahoana ireo zatovovavy ireo no mila mampifantoka ny finoany amin’i Jesoa Kristy rehefa mitolona amin’ny toe-javatra izay iainan’izy ireo? Nahoana no tsy manao izay tsara indrindra azony atao fotsiny ihany izy ireo fa tsy hoe mifantoka Aminy?

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra handinika ny fiainany manokana, ny fihetsiny, ary ny fanontaniana ananany. Amporisiho izy ireo hampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra izay iainany manokana ivelan’ny kilasy. Mijoroa ho vavolombelona fa ireo fitsipika ireo dia afaka manampy azy ireo hanatona an’i Kristy mba hahita ny fahamarinana sy fiadanana lehibe kokoa.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Eny am-piandohana na any amin’ny faran’ny lesona izay hatao manaraka, dia manokàna fotoana fohy tsy mihoatra ny telo ka hatramin’ny dimy minitra, hamerenana ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ohatra, afaka mamerina mijery ny sary izay nataony momba ireo ambaratongam-boninahitra telo no sady mamerina hatrany ilay toko sy andinin-tsoratra masina ary andian-teny manan-danja ao an-tsainy ireo mpianatra. Rehefa avy eo dia asao izy ireo hampiseho ny sary izay nataony amin’ny namana iray sady mamerina amin’ny feo mafy ilay toko sy andinin-tsoratra masina sy ilay andian-teny izay tadidiny.