Seminera
Mahazo fahalalana ara-panahy, Fizarana 1


Mahazo fahalalana ara-panahy, Fizarana 1

Manao asa amim-pinoana

Sary
A young man holding scriptures and pondering.

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hitoviana kokoa amin’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra sy hampihatra ilay fitsipika manokana mahakasika ny fanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa misy olana sarotra sy fanontaniana saro-bahana mipetraka.

Mandamina ny halavam-potoana. Hialao ny mandany fotoana be loatra amin’ny ampahany voalohany amin’ny lesona ka lasa voatery mandeha haingana amin’ny ampahany farany. Rehefa manomana ianao dia tombantombano ny fotoana ho lany hanampiana ny mpianatra handray anjara amin’ny fizarana tsirairay ao amin’ny lesona.

Fiomanan’ny mpianatra:Angataho ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra niainan’izy ireo rehefa tojo olana sarotra na fanontaniana saro-bahana (na izany teo amin’ny fiainany manokana na teo amin’ny fiainan’ny olona hafa). Mety tafiditra ao anatin’izany ny zavatra toy ny fanontaniana ara-panahy iray tsy voavaly na fitsapana sarotra iray. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba niatrehan’izy ireo na mety hiatrehan’izy ireo ireo toe-javatra ireo.

Fanamarihana: Mety tsara kokoa ny mampianatra ity lesona ity any amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana. Raha amin’ny fotoana hafa ao anatin’ny taona no hampianarana ity lesona ity dia hevero ny hampianatra eo amin’ny toerany ny lesona fifehezana fotopampianarana izay mety tsy nataon’ny mpianatra rehefa tsy nianatra ny sekoly.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Rehefa misy olana sy fanontaniana sarotra mipoitra

Asao ireo mpianatra izay nandray anjara tamin’ilay asa atao tao anatin’ny fiomanan’ny mpianatra hizara, raha ilaina, ny zavatra niainany tamin’ny fiatrehana ireo olana sarotra sy fanontaniana saro-bahana. Ny zavatra niainany no ampiasao eo amin’ny toeran’ireo rafi-tantara etsy ambany.

Mandritra ny fiainana an-tany dia miatrika olana sy fanontaniana sarotra izay mety tsy mora vahana isika rehetra. Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto eo am-pieritreretana zavatra niainana mitovy amin’izany izay efa niainanao na niainan’ny olona iray fantatrao.

Manana fanontaniana maro momba ireo fitsipiky ny Fiangonana ny zatovolahy iray ary manomboka manontany tena raha tena marina ny Fiangonana.

Nahita zavatra nosoratana tao amin’ny tamba-jotran-tserasera izay maneho fiahiahiana momba ny fotopampianaran’ny Fiangonana anankiray ny zatovovavy iray. Ankehitriny dia manomboka miahiahy momba io fotopampianarana io koa ny tenany.

Manontany tena ny zatovovavy iray raha tena novaliana tokoa ny vavakataorian’ny nijalian’ny anadahiny sy nahafatesany noho ny aretina efa tsy nisy fanafana intsony, na dia teo aza ny vavaka sy ny tsodrano natolotra ho azy.

  • Inona avy ny sasany amin’ireo karazana fomba azon’ny olona safidina mba hiatrehana olana na fanontaniana sarotra toy izany?

Mety hahazo tombony ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fanaovana ity fanombantombanana ny tena manokana manaraka ity izay fanazaran-tena atao an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinany. Hevero ny hampiseho ity andinin-tsoratra manaraka ity mba ho hitan’ny mpianatra.

Makà fotoana kely hisaintsainana ireo zavatra niainanao tamin’ny fiatrehana olana sarotra sy fanontaniana saro-bahana. Mety hanampy ny fieritreretana ireto fanontaniana manaraka ireto: Nahita fahombiazana tamin’ny fikarohana valiny ve ianao? Inona no nanampy anao hahita fiadanana? Inona no tsy nanampy anao?

Hevero ny hanamarika na hampiseho mihitsy ny valin-tenin’ireo mpianatra amin’ilay fanontaniana manaraka. Raha efa nizara izany nandritra ny fiomanan’ny mpianatra ireo mpianatra dia dingano ity fanontaniana ity. Hojerena indray ireo valin-teny ireo any amin’ny faran’ny lesona.

  • Inona avy ireo fanontaniana na olana anananao (na ananan’ny olona hafa fantatrao) kanefa tsy mora vahana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mamela antsika hanana fanontaniana tsy voavaha ny Ray any An-danitra toy izay hanome antsika foana ny valiny?

Rehefa misy ny fanontaniana mipetraka dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa mamporisika antsika ny Tompo hametraka fanontaniana sy hikaroka ny valiny (jereo ny Matio 7:7-8 ; Jakoba 1:5–6 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61). Ny fametrahana fanontaniana sy ny fikarohana valiny dia ampahany lehibe amin’ny ezaka ataontsika eo amin’ny fianarana ny fahamarinana, arahin’ny fampiharana sy fiainana ny zavatra nianarantsika tao anatin’ny fikatsahantsika hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy sy ny Raintsika any An-danitra.

Ireo fitsipika telo izay afaka mitarika antsika eo am-pikatsahantsika ny mba hahita ny valin’ireo fanontaniana na ny mba hahavaha ireo olana sy ny mba hampitombo ny fahatakarantsika ny fahamarinana mandrakizay dia ahitana:

  • Manao asa amim-pinoana.

  • Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Samy manan-danja ny fampiasanao ireo fitsipika telo ireo rehefa miatrika fanontaniana sy olana izay tsy mora vahana ianao na rehefa miatrika fitsapana ianao.

Manao asa amim-pinoana

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ity fitsipika manaraka ity: rehefa manao asa amim-pinoana isika dia omen’ny Tompo fiadanana sy tanjaka eo am-pitadiavana ny valin’ny fanontaniantsika sy ny olantsika.

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ity fanontaniana manaraka ity.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manao asa amim-pinoana?

Ataovy mihalalina ny fahatakaranao ny dikan’ny hoe manao asa amim-pinoana amin’ny alalan’ny fanaovana ilay asa atao ao anatin’ny fianarana etsy ambany. Mety hanampy ny mianatra miaraka amin’ny olon-kafa mba hahafahanao mizatra manazava ny fahatakaranao sy mianatra avy amin’ny hafa.

Omeo ny tahadikan’ity taratasy zaraina manaraka ity ny mpianatra tsirairay handalinana tsiroaroa na isaky ny vondrona kely. Rehefa miara-mianatra ny mpianatra dia henoy tsara ny zavatra ataony. Ampio izy ireo hanamafy orina ny fianarany, hampianatra sy hanazava ireo fifandisoan-kevitra ary hanampy azy ireo hanohy ny asa atao.

Inona no dikan’ny hoe manao asa amim-pinoana?

Vakio ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) “Mahazo fahalalana ara-panahy,” andiam-pehezan-teny 1–2 sy 5–7 ary ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ny dikan’ny hoe manao asa amim-pinoana sy ny zavatra afaka manampy anao hampihatra io fitsipika io rehefa manana fanontaniana.

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Tsy tonga amintsika noho ny kisendrasendra ny finoana, na mitoetra eo amintsika noho ny fizokiana. … Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia fanomezana avy any an-danitra izay tonga rehefa misafidy ny hino isika sy rehefa katsahintsika sy hifikirantsika izany. … Ny finoanao amin’ny ho avy dia tsy avy amin’ny kisendrasendra, fa avy amin’ny safidy. …

Ny finoana dia tsy mangataka velively ny hahazo valiny ho an’ny fanontaniana rehetra fa mikatsaka ny antoka sy ny herimpo mba hirosoana hatrany, sady manaiky indraindray hoe: “Tsy mahafantatra ny zavatra rehetra aho, saingy ampy ny zavatra fantatro mba hanohizako ny lalana maha-mpianatry ny Tompo.”

Ny mamela ny tena ho feno fisalasalana, fahanan’ny valin-teny avy amin’ny kely finoana sy ny tsy mpino, dia mampalemy ny finoan’ny olona iray an’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana amin’ny laoniny. “Ny olona izay araky ny nofo dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra: fa fahadalana aminy izany” [1 Korintiana 2:14]. …

Na dia kely aza ny afon’ny finoanareo izay vao miforona, dia hitondra fahatokiana lehibe kokoa an’ Andriamanitra ireo safidy marina ataonareo, ary hitombo ny finoanareo.

(Neil L. Andersen, “Ny finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy,” Liahona, nôv. 2015, 65–67)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny manao asa amim-pinoana rehefa manana fanontaniana sy olana isika?

  • Inona no nianaranao avy tamin’ny famakiana ireo teny ireo momba ny dikan’ny hoe manao asa amim-pinoana?

Sary
Act in faith handout

Mialoha ny asa atao manaraka dia hevero ny hanome fahafahana ny mpianatra mba hifanakalo hevitra sy hifampianatra mahakasika ny zavatra nianarany, sy ny zavatra niavaka tamin’izy ireo ary ny fanontaniana ananan’izy ireo. Azon’izy ireo dinihina ireto zavatra manaraka ireto:

  • Inona avy ireo toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay mampitombo ny fahatokianao azy ireo? Ahoana no ahafahan’ny fahalalana na finoana ireo zavatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo manampy anao hanao asa amim-pinoana?

  • Inona avy ireo zavatra mety hataonao eo am-piezahanao manao asa amim-pinoana rehefa miatrika fanontaniana na olana sarotra?

  • Misy loharanom-panampiana hafa fantatrao ve izay afaka manampy ny olon-kafa hianatra hanao asa amim-pinoana?

Eritrereto ireo fanontaniana sy olana sarotra atrehinao, na avereno jerena ireo rafi-tantara tany am-piandohan’ny lesona. Miaraka amin’ny iray amin’izany ao an’eritreritrao, dia manaova fampiharana an’izay nianaranao momba ny fanaovana asa amim-pinoana amin’ny alàlan’ny famaliana amin’ny antsipiriany araka izay azonao atao an’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona ny olana na fanontaniana nofidinao hanaovana fanazarana manao asa amim-pinoana?

  • Inona avy ireo fomba roa na telo azon’ny olona iray atao rehefa manao asa amim-pinoana ao amin’io toe-javatra io?

  • Inona ao amin’io toe-javatra io no mety hahatonga ny fanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy ho sarotra? Ahoana no ahafahanao mandresy ireo olana ireo?

  • Inona no tianao hotsaroana manokana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa tojo toe-javatra toy izany ianao? Nahoana no mety hanampy ny fahatsiarovana ireo zavatra ireo?

Hevero ny hamela ny mpianatra hizara amin’ny iray kilasy ny valin-tenin’izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny zavatra nampianarin’ny Fanahy Masina azy ireo nandritra ny lesona momba ny fanaovana asa amim-pinoana. Ampahafantaro ny mpianatra fa mandritra ny fotoana holanian’izy ireo ao amin’ny seminera dia hitohy ny fahafahan’izy ireo manao fampiharana io fitsipika io. Asao izy ireo hanomboka na hanohy ny fampiharana an’io fitsipika io eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra

Tsy mety ve ny fananana fanontaniana mikasika ny filazantsara?

Nampianatra mikasika ny lanjan’ny fananana fanontaniana mifono fahitsim-po ny Filoha Dieter F. Uchtdorf tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Voajanahary ny fananana fanontaniana—ny voa kelin’ny fikarohana atao amin-kitsimpo matetika dia nitsimoka ary nitombo ka lasa hazo lehiben’ny fahatakarana. Mpikambana vitsivitsy ihany ato amin’ny Fiangonana, tao anatin’ny fotoana iray na ny fotoana iray hafa, no tsy nitolona tamin’ny fananana fanontaniana goavana sy saro-pady. Iray amin’ireo tanjon’ny Fiangonana ny mikolokolo sy mikarakara ny voan’ny finoana, eny fa na dia ao anatin’ny tany feno fasiky ny ahiahy sy ny fisalasalana aza indraindray. Ny finoana dia fanantenana ny zavatra izay tsy hita nefa marina.

Noho izany, ry rahalahiko sy anabaviko malala isany, ry namako malala isany, miangavy anareo aho hoe ny ahiahinareo aloha no ahiahio alohan’ny hiahiahianareo ny finoanareo. Tsy tokony hamela ny ahiahintsika mihitsy isika hanagadra sy hanakana antsika tsy hahazo ilay fitiavan’ Andriamanitra sy ny fiadanany ary ireo fanomezam-pahasoavana izay tonga amin’ny alalan’ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy.

(Dieter F. Uchtdorf, “Andao Hiaraka aminay,” Liahona, nôv. 2013, 23)

Ahoana no ahafahako mampitombo ny fahafahako manao asa amim-pinoana?

Nampianatra momba ny dingana azontsika atao mba hampitomboana ny finoantsika ny Filoha Russell M. Nelson:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Mitombo ny finoantsika isaky ny <lds-p class=“rte2-style-org-ldschurch-rte-paragraphid-AnnotatedParagraphRichTextElement” data-aid=“b4ef14ae-904c-4020-be57-3e905b279aff” data-pid=“61“>mampihatra ny finoantsika Azy isika. Izany no dikan’ny hoe mianatra amim-pinoana.

Ohatra, isaky ny manana finoana isika ny hankatoavana ireo lalàn’ Andriamanitra, eny fa na manambany antsika aza ny hevitr’izao tontolo izao, na koa isaky ny mahatohitra ny fampifalifaliana na hevi-dravina izay manindrahindra fandikana fanekempihavanana, dia <lds-p class=“rte2-style-org-ldschurch-rte-paragraphid-AnnotatedParagraphRichTextElement” data-aid=“a7d58c0e-b770-41fd-a9a0-68d422980ee9“ data-pid=“62“>mampihatra ny finoantsika isika, izay mampitombo ny finoantsika kosa.

(Russell M. Nelson, “Raiso amim-pinoana ny hoavy,” Liahona, nôv. 2020, 75)

Tranga tena nisy mahakasika ireo olona nanao asa amim-pinoana

Hevero ny hijery ny iray na mihoatra amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto mba hitadiavana ny zavatra azonao ianarana avy amin’ireo olona ireo izay afaka manampy anao hanao asa amim-pinoana rehefa manana fanontaniana na olana sarotra ianao.

<h3 class=“cms-Headings-H3“>Nahoana aho no tsy tokony hatahotra eo anatrehan’ireo fanontaniana tsy voavaha?

Asa atao fanampiny ao anatin’ny fianarana

Mitady valim-panontaniana

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny antony hanomezan’ny Ray any An-danitra antsika fahafahana hivoatra amin’ny alalan’ny famelana antsika hitady ny valin’ireo fanontaniantsika, dia asehoy ireo ohatrana tranonkala izay ahitana pejy iray misy hoe “Fanontaniana Mateti-pitranga” (FMP). Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny manome valiny haingana sy mora hita ho an’ireo olana mety hitranga no tanjon’ny pejy FMP.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tsy tonga dia manome antsika ny valin’ireo fanontaniantsika rehetra toy ny pejy FMP ny Ray any An-danitra?