Seminera
1 Petera 3:18–22; 4:1–6


1 Petera 3:18–22; 4:1–6

Ny asa famonjena ho an’ny maty

Sary
Olona ao amin’ny fianakaviana any Taiwan mijery alibaoma misy sary fahiny.

Inona no hitranga amin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra an-davitrisany maro izay niaina sy maty nefa tsy nanana fahafahana handre ny amin’i Jesoa Kristy na hanaiky ireo ôrdônansy nahazoana lalana amin’ny anarany? Nampianatra ny Apôstôly Petera fa i Jesoa Kristy dia nitory ny filazantsara tany amin’ny tontolon’ny fanahy taorian’ny nahafatesany, ka nahatonga ireo fitahian’ny filazantsara ho azon’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra. Ity lesona ity dia hanampy anao hikaroka fomba hanampiana ny Mpamonjy amin’ny asany amin’ny fanavotana ny maty.

Mijery mialoha ireo loharanom-pahalalana. Rehefa manomana ny fotoam-pianarana dia ataovy izay hijerena mialoha ny haino aman-jery rehetra ary fantaro ireo tranonkala, lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana, na fitaovana hafa izay hampiasaina ao am-pianarana. Ny fanaovana izany dia hampitombo ny fahatokian-tena amin’ny fampianarana ary hahatonga fifantohana kokoa amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra.

Fanomanana ny mpianatra: Mba hahafahana miditra ao amin’ireo endri-javatra sasany ao amin’ny FamilySearch.org na ny application Hazon’ny tetiaram-pianakaviana an’ny FamilySearch, dia mila miditra amin’ny alalan’ny anarana fampiasa sy ny tenimiafina an’ny kaontiny ao amin’ny Fiangonana izay mifandray amin’ny laharan’ny firaketana ny maha-mpikambana azy ireo ny mpianatra. Raha toa ka tsy manana na tsy mahafantatra ny anarana fampiasa sy ny tenimiafina izay azy ireo ny mpianatra dia asao izy ireo hamorona na hamerina izany ao amin’ny account.ChurchofJesusChrist.orgna hamorona ilay kaonty ao amin’ny FamilySearch.org. Mangataha fanampiana amin’ny manam-pahaizana manokana momba ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy na sampana na ny mpandrindra ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara raha ilaina izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanontaniana maha sadaikatra anankiray

Azonao atao ny mpampiseho ity teny nambara manaraka ity amin’ny toerana izay ahafahan’ny mpianatra mamaky izany rehefa miditra ny efitrano fianarana izy ireo.

Nilaza ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sarin’ny Loholona D. Todd Christofferson. Nalaina tamin’ny martsa 2020.

Efa ela ireo teôlôjiana [manam-pahaizana] Kristianina no sahirana tamin’ny famaliana ilay fanontaniana hoe: Inona no hiafaran’ireo olona an-davitrisany maro izay velona dia maty kanefa tsy nahalala na inona na inona ny amin’i Jesoa?

(D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Ensign, Nov. 2000, 9)

  • Inona no mety havalinao ny olona iray izay mametraka io fanontaniana io aminao?

Raha toa ka sahirana ny mpianatra amin’ny famaliana ilay fanontaniana teo dia asehoy tari-dalana izy ireo toy ny sarin’ny tempoly iray na ny sarin’ny tetiaram-pianakaviana iray.

Raha mora tamin’ny mpianatra ny namaly ilay fanontaniana dia azonao anontaniana azy ireo ny fomba nahafantarany ny valin’ny zavatra iray izay nampisafotofoto olona maro nandritra ny taonjato maro.

Notohizan’ny Loholona Christofferson izany hoe:

Sary
Sarin’ny Loholona D. Todd Christofferson. Nalaina tamin’ny martsa 2020.

Tonga niaraka tamin’ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny fahatakarana ny fomba hanavotana ireo olona nodimandry tsy vita batisa sy ny fomba ahafahan’ Andriamanitra ho “Andriamanitra marina, fanaperana, ary ho Andriamanitra feno famindram-po koa” [Almà 42:15].

(D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” 9)

Ny Mpamonjy tany amin’ny tontolon’ny fanahy

Na dia naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fahalalana momba ny famonjena ho an’ny maty, ny Baiboly dia mirakitra andinin-tsoratra masina izay mampiseho amintsika fa ireo fahamarinana ireo dia takatra sy nampianarin’ireo Apôstôly tany am-boalohany. Ohatra, ny Apôstôly Petera dia nampianatra momba ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho an’ireo izay maty tsy nahalala ny filazantsara.

Vakio ny 1 Petera 3:18–20; 4:6 hahitana ny zavatra nampianarin’i Petera momba ny fomba nanohizan’i Jesoa Kristy ny asany mba hamonjena ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra, na dia taorian’ny nahafatesany aza. Diniho ny tsy mampitovy an’ireo andininy ireo ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith (jereo ny 1 Petera 3:20, Torolalana ho an’ny Soratra Masina, sy ny 1 Petera 4:6, Torolalana ho an’ny Soratra Masina ).

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tany amin’ny tontolon’ny fanahy?

  • Araka ny 1 Petera 4:6, nahoana no torina amin’ireo maty ny filazantsara?

Mety hanampy ny manazava fa ny fanaovana izany dia mampiseho fa marina Andriamanitra. Tiany ho tsaraina am-pahamarinana ny olona tsirairay. Koa mba tsy hanamelohana ireo izay tsy nandre ny filazantsara, dia nataony izay hahafahan’izy ireo manaiky sy mandray ny filazantsara. Ny fahamarinana iray azon’ny mpianatra ianarana avy amin’io andininy io dia hoe torina amin’ny maty ny filazantsara mba hahafahan’izy ireo manana fahafahana mitovy amin’ireo izay mandre ny filazantsara eto amin’ny fiainana an-tany.

  • Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny fotopampianaran’ny famonjena ny maty ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny famindram-pony ho an’ireo zanany?

Fanambarana maoderina momba ny tontolon’ny fanahy

Ny fanambarana maoderina dia afaka manampy antsika hianatra kokoa momba ny zavatra nataon’ny Mpamonjy fony Izy tao amin’ny tontolon’ny fanahy.

Sary
Sarin’i Joseph F. Smith

Rehefa namaky sy nisaintsaina ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny 1 Petera ireo ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918) dia nahazo fahitana momba ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo anivon’ny maty izy. Izany fanambarana izany dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 ary ahitana antsipiriany izay tsy fantatry ny mpikamban’ny Fiangonana teo aloha. Azonao atao ny manoratra andinin-tsoratra masina mifandray na mampifandray ny 1 Petera 4:6 amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 ao amin’ny soratra masinao.

Alohan’ny handalinana ireo andininy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138, dia mety hanampy ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra efa fantany momba io fahitana io. Azo asaina mandalina samirery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 manontolo ny mpianatra ka hamantatra ireo andininy izay mampitombo ny fahatakarany ireo fahamarinana momba ny tontolon’ny fanahy izay ampianarina ao amin’ny 1 Petera.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:29–34, 57–58, ary tadiavo ireo hevi-baovao fanampiny momba ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tany amin’ny tontolon’ny fanahy.

  • Inona no nianaranao avy amin’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 izay tsapanao fa manan-danja manokana? Nahoana?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny zava-mitranga any amin’ny tontolon’ny fanahy miantraika amin’ny zavatra iainanao amin’ny fanaovana asan’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana?

  • Inona amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no manaporofo ny fitiavan’i Jesoa Kristy sy ny famindram-pony?

Ny andraikitsika

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny andraikitsika amin’ny fanampiana ny Mpamonjy amin’ny asa fanavotana ny maty. Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny mari-potoana 3:01 ka hatramin’ny 3:47, na mamaky ity teny nambara manaraka ity:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, janoary 2016.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia manana andraikitra masina isika hikaroka ireo razambentsika ary hanangona tantaram-pianakaviana. Mihoatra lavitra noho ny fialamboly izay anentanana antsika izany, satria ireo ôrdônansin’ny famonjena dia ilain’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Isika dia tokony hamantatra ireo razambentsika izay maty nefa tsy nandray ireo ôrdônansin’ny famonjena. Afaka manatontosa ireo ôrdônansy isoloana tena any amin’ny tempoly isika, ary afaka misafidy ny hanaiky izany ôrdônansy izany ireo razambentsika. Amporisihina koa isika hanampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy tsatòka misy antsika amin’ny anaran’ireo fianakavian’izy ireo. Tena mahavariana sy mampientanentana tokoa fa, amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly dia afaka manampy amin’ny fanavotana ireo maty isika.

  • Inona no fiantraikan’ny fandraisana anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly eo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny hafa? Raha mbola tsy nandray anjara tamin’izany ianao, araka ny hevitrao, inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainanao?

Mandritra ny fotoam-pianarana sisa dia ampio ny mpianatra hanomboka handray anjara amin’ny asa famonjena ho an’ny maty. Hevero ny iray na maromaro amin’ireto hevitra manaraka ireto.

  • Tsidiho ny FamilySearch.org na ampiasao ny application Arbre Familial an’ny FamilySearch. Jereo raha afaka mahita ny anaran’ireo razambe izay mbola mila mandray ireo ôrdônansin’ny fisoronana ianao. Azonao atao ny mitahiry ireo anarana ireo ary mitondra azy ireo any amin’ny tempoly na manolotra ireo anarana any amin’ny tempoly mba hahafahan’olon-kafa manatanteraka ireo ôrdônansy ho azy ireo. Ilay endri-javatra hoe Ôrdônansy Vonona dia azo ampiasaina mba hanampiana anao hamantatra haingana ireo razambe izay mila ôrdônansin’ny fisoronana.

  • Tsidiho ny fizarana “Histoire familiale” ao amin’ny Sujet de l’évangile (topics.ChurchofJesusChrist.org) mba hahitana fanazavana, soratra masina, hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ary horonan-tsary momba ny tantaram-pianakaviana.

  • Tsidiho ny “Histoire familiale” ao amin’ny Médiathèque de l’évangile (videos.ChurchofJesusChrist.org) mba hahitana ireo horonan-tsary manentana ny fanahy mikasika ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.

  • Manaova lisitra fanontaniana momba ny razambenao izay azonao apetraka amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny havanao hafa. Apetraho amin’ny fotoana mety ny fanontanianao ary mifanakaloza hevitra ny amin’ny fomba ahafahan’ny fianakavianao mandray anjara miaraka amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no andraikitro amin’ireo razambeko efa nodimandry?

Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Quentin L. Cook. Nantsoina ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 06 ôktôbra 2007.

Mazava tsara ny fotopampianarana momba ny fianakaviana izay mifandray amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly. Ny Tompo tao amin’ireo torolalana tao anatin’ny fanambarana voalohany dia niresaka momba ny “batisa ho an’ny maty eo aminareo” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5; nampiana fanamafisana]. Ny andraikitsika araka ny fotopampianarana dia ho an’ireo razambentsika ihany. Ny anton’izany dia satria ny lamina selestialy any an-danitra dia mifototra amin’ny fianakaviana. Ny Fiadidiana Voalohany dia namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana, indrindra fa ireo zatovo sy ireo tanora tokan-tena, mba hanome lanja manokana ny asa fanaovana ny tantaram-pianakaviana sy ireo ôrdônansy ho an’ireo anaran’ny fianakavian’izy ireo manokana na ho an’ny anaran’ireo razamben’ny mpikambana ao amin’ny paroasiny sy ny tsatòkany. Mila sady mifandray amin’ny faka nipoirantsika isika no mifandray amin’ny sampana mipoitra avy amintsika.

(Quentin L. Cook, “Faka sy sampana,” Liahona,mey 2014, 45)

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Thomas S. Monson, 2008.

Araka ny fahalalako azy, ny Tompo dia tsy mbola nilaza mihitsy fa voafetra ho amin’ity fiainana ity ihany ny asany. Raha ny marimarina kokoa dia mahafaoka ny mandrakizay ny asany. Mino aho fa manafaingana ny asany ao amin’ny tontolon’ny fanahy Izy. Mino ihany koa aho fa manomana fanahy maro ny Tompo, amin’ny alalan’ireo mpanompony ao amin’ny tontolon’ny fanahy, mba handray ny filazantsara. Ny asantsika dia ny mikaroka ny maty, ary avy eo dia mankany amin’ny tempoly sy manatanteraka ireo ôrdônansy masina izay hitondra ny tombontsoa ananantsika ho any amin’ireo izay any ampitan’ny voaly. …

Ry rahalahiko sy anabaviko, mijoro ho vavolombelona aho fa hitahy antsika ny Tompo rehefa manaiky sy manatanteraka ity andraikitra sarotra ity isika.

(Thomas S. Monson, “Hastening the Work,” Ensign, Juna 2014, 4–5)

Ahoana no fomba ahafahako mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana?

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona—amin’ny andanin’ny voaly anankiroa ianao, hanao dingana—mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao. Tena tsotra tahaka izany ilay izy.

(Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], tovana ao amin’ny New Era sy ny Ensign, 15, ChurchofJesusChrist.org)

Ahoana no ahafahan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana mitahy ahy?

Tao amin’ny hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2018, ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nitanisa ireo fitahiana maro azontsika raisina avy amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Jereo ity ampahany ity na vakio ny hafatra iray manontolo (Dale G. Renlund, “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana,” Liahona, mey 2018, 46–49).

Sahanasa fianarana fanampiny

Manorata lahateny na lesona

Mba hanampiana ny mpianatra hamintina ny zavatra nianarany momba ny asa famonjena ho an’ny maty dia azo asaina mba hanoratra lahateny na lesona fohy amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fahamarinana ao amin’ny 1 Petera 3:18; 4:6; sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 izy ireo. Afaka mizara traikefa mifandray amin’ny fandraisany anjara amin’ity asa ity ihany koa izy ireo sy ny fomba nanampian’izany azy ireo hanakaiky kokoa ny Tompo.

Havana manodidina ahy

Ny iray amin’ireo endri-javatra mahafinaritra ao amin’ny appli FamilySearch Family Tree dia antsoina hoe “Havana manodidina ahy.” Rehefa misy fitaovana maromaro manana ity endri-javatra ity misokatra ao aminy dia afaka mahita razambe iombonana eo amin’ireo mpampiasa ireo fitaovana ireo ny appli. Asao ireo mpianatra hitady sy hanokatra ny “Havana manodidina ahy” mba hahitana hoe iza no havan’izy ireo ao amin’ny kilasy. Mety ho hitan’ny mpianatra fa mifandray akaiky kokoa noho izay noheveriny teo aloha izy ireo. Asao ny mpianatra hiara-hiasa sy hianatra bebe kokoa momba ny sasany amin’ireo razambe iraisan’izy ireo. Raha misy razambe mila ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana, dia asao ny mpianatra hamandrika ireo anarana ireo ary hitondra azy ireo any amin’ny tempoly.