Seminera
1 Korintiana 11


1 Korintiana 11

Ny anjara asa masina miavaka ananan’ny lehilahy sy ny vehivavy

Sary
A group of young men and young women hold each other’s hands in a circle and smile at each other to encourage one another.

Nampianatra i Paoly rehefa nanohy ny fampianarany sy ny fankaherezany ireo Olomasina Korintiana fa natao hiara-hiasa sy hifanohana ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa manaraka ny Tompo izy ireo. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hahatakatra tsara kokoa ny antony ilan’ny lehilahy sy ny vehivavy mifanohana mba hahazoana ireo fitahiana ambony indrindra ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hahatsiaro ny fotoana nahitany lehilahy sy vehivavy niara-niasa sy nifanohana. Amporisiho izy ireo hieritreritra hoe amin’ny fomba ahoana no misy fiantraikany tsara amin’ny fanambadiana, ny fianakaviana, ny fiarahamonina, ary ireo fifandraisana ao amin’ny Fiangonana ny fomba fijery sy fahaiza-manao ary hery samihafa ananan’ny lehilahy sy ny vehivavy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny anjara asan’ny vehivavy sy ny lehilahy

Ho fomba iray hafa azo hanombohana, dia asehoy ny ampahany amin’ny lahateny nataon’ny Filoha Jean B. Bingham hoe “Miray hina amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra” manomboka amin’ny mari-potoana 9:45–10:54.

Sary
A couple rides their tandem bike for morning exercise.

Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mijery ity sarin’ny ekipa mpitaingina bisikileta miara-droa ity ianao.

  • Inona no fahaizana na fahaiza-manao ilaina hanampiana ity ekipa ity mba hahomby?

  • Amin’ny fomba ahoana no manamafy ny fiaraha-miasany ny tsy fitovian’ny olona tsirairay ka hanampy azy ireo hiray hina kokoa?

Eo am-pandalinanao ny 1 Korintiana 11 dia saintsaino ny fomba ahafahan’ny lehilahy sy ny vehivavy miara-miasa amim-pahamarinana amin’ny maha mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo mba hanatontosana ny anjara asa masina nanendrena azy ireo sy ho mendrika ny fiainana mandrakizay.

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny sasany amin’ireo fampianaran’i Paoly dia mifandray amina fenitra ara-kolontsaina manokana tamin’izany andro izany ka mety ho sarotra takarina. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa mila hitandrina izy ireo mba tsy hitsara ny asa soratr’i Paoly sy ny olona tamin’izany fotoana izany araka ireo fitsipika nambaran’ny Tompo ankehitriny.

Ao amin’ny 1 Korintiana 11:1–16 , i Paoly dia niresaka ireo fomba amam-panao ara-piarahamonina teo anivon’ny Korintiana tamin’ny androny izay tsy nifanaraka tamin’ny fomba fijerin’ny Tompo mikasika ny anjara asa masin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Zava-dehibe ny tsy mampifangaro ireo fomba amam-panao ireo amin’ny fahamarinana nampianarin’i Paoly.

Tamin’ny alalan’ny Apôstôly Paoly no nanambaran’ny Tompo fahamarinana tsy ho lany andro mikasika ny anjara asa masin’ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny 1 Korintiana 11:11–12 .

Vakio ny 1 Korintiana 11:11–12 , dia tadiavo ireo fahamarinana nianaranao momba an’ Andriamanitra sy ny lehilahy ary ny vehivavy.

Vehivavy sy lehilahy miara-miasa tanteraka amin’ny Tompo

Ao amin’ny 1 Korintiana 11:11 no ianarantsika fa samy tena ilaina ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Asehoy ireto teny manaraka ireto ary asao ny mpianatra hamaky sy hifanakalo hevitra tsiroaroa na anaty vondrona kely momba ireo fanontaniana izay hanaraka izany. Mety ho tian’izy ireo ny hizara amin’ny iray kilasy ireo ohatra momba ana lehilahy sy vehivavy miara-miasa.

Vakio ireto teny manaraka avy ao amin’ilay fanambarana mikasika ny fianakaviana sy avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto, ka tadiavo ireo fomba maha zava-dehibe ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Vakintsika ao amin’ilay fanambarana mikasika ny fianakaviana ny hoe:

Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo. Ny fanambadiana sy ny fianakaviana mahomby dia aorina sy voatahiry araka ny fitsipiky ny finoana, ny vavaka, ny fibebahana, ny famelan-keloka, ny fanajana, ny fitiavana, ny fiantrana, ny asa, ary ny fialam-boly mahasoa ny tena sy ny fanahy. Araka ny drafitr’ Andriamanitra, ny ray no tokony hitarika ny fianakaviany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana sy ny fiarovana ny fianakaviany. Ny reny dia tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany. Manoloana izany andraikitra masina izany ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo.

(“ Ny fianakaviana: fanambarana ho an’izao tontolo izao ,” ChurchofJesusChrist.org)

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Ao amin’ilay drafitra lehiben’ny Raintsika any An-danitra hanomezany ny fisoronana ho an’ny olona, dia manana andraikitra tokana ireo lehilahy mba hampiasana ny fisoronana, saingy tsy izy ireo no fisoronana. Manana anjara asa mitovy lanja ny lehilahy sy ny vehivavy. Tahaka ny tsy ahafahan’ny vehivavy mitoe-jaza raha tsy misy lehilahy, dia toy izany koa no tsy ahafahan’ny lehilahy mampiasa feno ny herin’ny fisoronana mba hanorenana fianakaviana mandrakizay raha tsy misy vehivavy. … Izany hoe: amin’ny fomba fijery mandrakizay, dia samy ifampizaran’ny mpivady ny hery fiterahana sy ny herin’ny fisoronana.

(M. Russell Ballard, “Izao no asako sy voninahitro,”Liahona, mey 2013, 19)

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy hoe:

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Ny fiarahana tsy manan-tsahalan’ny fahafahana ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina, ary ara-pihetseham-po an’ny lahy sy ny vavy dia nilaina mba hanatanterahana ny drafitry ny fahasambarana. “Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy” ( 1 Korintiana 11:11). Ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao mba hianatra avy amin’ny tsirairay, hifankahery, hifampitahy, ary hifameno.

(David A. Bednar, “Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 41–42)

Omeo fotoana ampy ny mpianatra hifanakalozana hevitra momba ny zavatra hitany sy izay fanontaniana mety ananan’izy ireo. Henoy tsara rehefa mamaly izy ireo, ary mametraha fanontaniana toy izao ho fanaraha-maso hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany: Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahatakatra io fampianarana io? Inona no ianarantsika mikasika ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra ny vehivavy sy ny lehilahy? Inona no maha samy hafa izany fomba fijery izany amin’ny fomba iresahan’izao tontolo izao mikasika ny lehilahy sy ny vehivavy? Ahoana no mety ho fiantraikan’izany fahamarinana izany amin’ny fihetsikao sy ny fitondrantenanao?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no miara-manatratra ny fiainana mandrakizay ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny zanany lahy sy ny zanany vavy?

  • Ahoana no hanehoan’izany ny fitiavana sy ny fanajan’ny Ray any An-danitra ny vehivavy sy ny lehilahy?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo anao rehefa tojo fomba fijery mifanohitra momba ny anjara asa sy ny andraikitry ny lehilahy sy ny vehivavy ianao?

  • Ahoana no ahafahanao mampihatra ireo fahamarinana momba ny vehivavy sy ny lehilahy ireo eo amin’ny fiainanao (ohatra, ao an-tokantrano, any am-piangonana miaraka amin’ireo zatovolahy na zatovovavy hafa, ary rehefa miomana ho amin’ny fiainam-pianakavianao amin’ny hoavy ianao)?

Miankina amin’ny fotoam-pianarana malalaka, ny mpianatra dia mety hahazo tombony amin’ny fanohizana ny fandalinana ny 1 Korintiana 11 sy mifanakalo hevitra momba ny fanasan’ny Tompo. Jereo ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” mba hahitana fomba iray ahafahan’ny mpianatra mandalina momba ny fanasan’ny Tompo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana raha toa ka tsy manambady na tsy manan-janaka ny olona lalaiko?

Ny olona sasany dia mety manahy na manontany tena momba ny fomba hahatanterahan’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny vehivavy sy ny lehilahy ho an’ireo izay tsy manambady na tsy manan-janaka. Tamin’ny fangorahana lehibe no nilazan’ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto teny feno fankaherezana ireto:

Sary
Final official portrait of Elder Boyd K. Packer, President of the Quorum of the Twelve Apostles, 2000. Passed away 3 July 2015.

Ireo izay tsy manambady na ireo izay tsy afaka mahazo zanaka dia tsy voailika amin’ny fahazoana ireo fitahiana mandrakizay izay katsahan’izy ireo, fa mbola tsy afaka mahazo izany fotsiny izy ireo aloha amin’izao fotoana izao. …

Ny fanirianareo lalina miafina sy ny fitalahoanareo amin-dranomaso dia hahakasika ny fon’ny Ray sy ny Zanaka. Hahazo fanomezan-toky manokana avy amin’ Izy Ireo ianareo fa ho feno ny fiainanareo ary tsy hisy ho very ny fitahiana tena ilaina.

Amin’ny maha mpanompon’ny Tompo ahy, miasa ao amin’ny anjara fanompoana izay nanendrena ahy, dia mampanantena ireo olona izay ao anatin’ny toe-javatra toy izany aho fa tsy hisy zavatra tena ilaina amin’ny famonjena sy ny fisandratanareo ka tsy homena anareo amin’ny fotoany.

(Boyd K. Packer, “Ilay fijoroana ho vavolombelona,” Liahona, mey 2014, 95)

Nahoana i Satana no maniry ny lehilahy sy ny vehivavy hisara-bazana?

Nampianatra ny Filoha Jean B. Bingham, izay efa Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha hoe:

Sary
Official Portrait of Sister Jean B. Bingham. Photographed in 2017.

Tena nahomby ihany ny fahavalo tamin’ny tanjony hampisara-bazana ny lehilahy sy ny vehivavy tao anatin’ny fiezahany handresy ny fanahintsika. Fantatr’i Losifera fa raha toa ka afaka manimba ny firaisan-kina tsapan’ny lehilahy sy ny vehivavy izy, raha afaka mampisavorovoro antsika momba ny lanjantsika eo amin’ Andriamanitra sy ireo andraikitsika araka ny fanekempihavanana izy, dia hahomby izy amin’ny fandravana fianakaviana, izay rantsana manan-danja amin’ny mandrakizay.

Mandrisika fifampitahana i Satana ho fitaovana hamoronana fahatsapana ho ambony na ambany, manafina ilay fahamarinana mandrakizay fa ireo tsy fitoviana voajanahary eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia avy amin’ Andriamanitra ary manana lanja mitovy. Niezaka izy hanetry ny fandraisana anjaran’ny vehivavy na eo amin’ny fianakaviana na ao amin’ny fiarahamonina, ka dia mampihena ny fitaomana mankaherin’izy ireo hanao ny tsara. Ny tanjony dia ny hampitsiry ady mahery vaika fa tsy fankalazana ny fandraisana anjara miavaka ataon’ny lehilahy sy ny vehivavy izay mifameno sy mampisy firaisan-kina.

(Jean B. Bingham, “Miray hina amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2020, 60–61)

Sahanasa fianarana fanampiny

Andraikitra mifameno ao amin’ny fanambadiana

Ny fomba nitondran’ny Mpamonjy ny vehivavy sy ny lehilahy

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny fomba nifandraisan’i Jesoa Kristy tamin’ny vehivavy sy ny lehilahy sy ny nanomezany lanja azy ireo, dia azonao atao ny mampiseho sary samihafa momba ny fiainany. Mety ho anisan’izany ny nananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty, ilay vehivavy teo am-pantsakana, ilay vehivavy tratra nijangajanga, ilay mpanapaka izay tanora sady nanan-karena, i Jairo sy ny zanany vavy, ilay vehivavy nandeha rà, ary ny hafa maro. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba hanehoan’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy mikasika ny fomba tokony hanajan’izy ireo ny vehivavy sy ny lehilahy eo amin’ny fiainany.

Tokony handinika ny fiainantsika isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo

Mety hahazo tombony ny mpianatra amin’ny fandalinana ny 1 Korintiana 11:23–32 sy ny famantarana ilay fahamarinana voalaza etsy ambony (jereo ny andininy 28). Mety hanampy ny manazava fa nampahatsiahy ny Korintiana ny Fanasana Farany i Paoly, rehefa nanorina ny fanasan’ny Tompo i Jesoa Kristy ho fahatsiarovana ny sorona nataony (jereo ny andininy 23–27). Rehefa hitan’ny mpianatra ny fahamarinana ao amin’ny andininy 28 , dia zarao ity teny nambaran’ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95) ity:

Sary
Howard W. Hunter

Nanontany tena aho hoe: “Moa ve aho mametraka an’ Andriamanitra eo ambonin’ny zavatra hafa rehetra sy mitandrina ny didiny rehetra?” Avy eo dia tonga ny fieritreretana sy ny fanapahan-kevitra. Andraikitra lehibe ny manao fanekempihavanana amin’ny Tompo mba hitandrina mandrakariva ny didiny, ary lehibe toy izany koa ny manavao izany fanekempihavanana izany amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Misy dikany lehibe ilay fotoana feno haja amam-boninahitra hieritreretana mandritra ny fizarana ny fanasan’ny Tompo. Fotoana hanaovana tombantombana momba ny tena manokana sy fandinihan-tena izy ireny—fotoana handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra.

(Howard W. Hunter, “Thoughts on the Sacrament,” Ensign, May 1977, 25)

Avy eo ireo mpianatra dia afaka mandinika izay fanontaniana azony saintsainina amin’ny herinandro manaraka mandritra ny fanasan’ny Tompo mba handinihany ny fiainany. Azo tanisaina eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana ireo.