Seminera
Matio 26:36–46; Lioka 22:39–46, Tapany 2


Matio 26:36–46; Lioka 22:39–46, Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane hisy fiantraikany eo amin’ny fiainako?

Sary
Jesoa Kristy nandry tamin’ny tany tao amin’ny zaridainan’i Getsemane

Ity no fizarana faharoa amin’ny lesona mizara roa momba ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane sy ny hevitra ara-potopampianarana ananan’izany. Tao anatin’ny Soropanavotany, dia nitondra ny fahotantsika, ny fanaintainantsika, ny aretintsika ary ny rofintsika i Jesoa Kristy. Noho ny sorona fanavotana nataony, dia afaka manampy antsika amin’ireo olana izay atrehantsika eto an-tany Izy. Ity lesona ity dia natao hanampy anao mba hahatsapa fa mila bebe kokoa ny hery sy ny fanampiana izay azon’i Jesoa Kristy atolotra avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany ianao.

Nahoana i Jesoa Kristy no tsy maintsy niaritra fijaliana mafy?

Alaivo sary an-tsaina ity rafi-tantara manaraka ity.

Liana tamin’ny fianarana bebe kokoa momba ny Fiangonana nandritra ny volana vitsivitsy lasa izay i Chandler namanao. Nandany fotoana maro tao an-tokantranonao izy tamin’ny fianarana bebe kokoa momba ny Filazantsara ary nandray anjara tamin’ny fandalinana ny Soratra Masina niaraka tamin’ny fianakavianao ihany koa tamin’ny fotoana vitsivitsy. Indray takariva rehefa avy nandalina ireo tranga izay nifandray tamin’ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane, dia nanontany i Chandler hoe: “Nahoana i Jesoa no tsy maintsy nijaly mafy toy izany?”

  • Ahoana ny fomba hamalianao ny fanontaniana izay napetrak’i Chandler?

Saintsaino ireo fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Rehefa misaintsaina ny Sorompanavotany ianao, dia inona avy ireo fanontaniana anananao? Inona no fiantraikan’ny fahalalanao fa nijaly ho anao Izy eo amin’ny fahatsapanao momba Azy? Ny lesona teo aloha (“Matio 26:36–46; Lioka 22:39–46, Fizarana 1” dia manamafy ny antsipiriany maro amin’ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane. Makà fotoana handalinana indray ny Matio 26:36–39 sy Lioka 22:41–44. Tadiavo ireo teny manokana na fehezan-teny, tafiditra anatin’izany ireo izay mety efa notsipihinao, ka manan-danja aminao mikasika ny Mpamonjy ary mamariparitra ireo zavatra izay niainany tao Getsemane.

Mampiasa fanambarana maoderina mba hahatakarana bebe kokoa ny fijalian’ny Mpamonjy

Raha tsy nisy ny fitahian’ilay fanambarana maoderina izay azon’ny Mpaminany Joseph Smith momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany, dia betsaka ny zavatra tsy takatsika momba ny fijalian’i Jesoa Kristy, na tao Getsemane na teo amin’ny hazofijaliana, izay anisan’ny Sorompanavotany ary momba ny antony nahatonga Azy niaritra ireo zavatra ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19, ka tadiavo izay nampianarin’i Jesoa Kristy mikasika ny fijaliany.

  • Nanampy anao hahatakatra inona momba ny ny antony nijalian’i Jesoa Kristy mafy toy izany ireo andinin-tsoratra masina?

  • Manampy anao hahatakatra inona momba ny fitiavan’ny Mpamonjy anao ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Vakio ny Almà 7:11–13, ary fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny teny hoe hanampiana ao amin’ny andininy 12 dia midika hoe “manome fitsaharana na fanampiana” (Dallin H. Oaks, “Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2015, 61).

Inona no nijalian’ny Mpamonjy sy nentiny teo Aminy?

Inona avy no azon’i Jesoa Kristy atao ho antsika noho ny Sorompanavotany?

Inona no nijalian’ny Mpamonjy sy nentiny teo Aminy?

Inona avy no azon’i Jesoa Kristy atao ho antsika noho ny Sorompanavotany?

Inona no nijalian’ny Mpamonjy sy nentiny teo Aminy?

Inona avy no azon’i Jesoa Kristy atao ho antsika noho ny Sorompanavotany?

Inona no nijalian’ny Mpamonjy sy nentiny teo Aminy?

Inona avy no azon’i Jesoa Kristy atao ho antsika noho ny Sorompanavotany?

  • Inona ny zavatra nianaranao avy tamin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba izay nijalian’i Jesoa Kristy sy ny antony nahatonga Azy niaritra izany?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fijalian’ny Tompo mitahy antsika tsirairay?

Fahamarinana anakiray azontsika ianarana avy amin’ny Almà 7:11–13 ny hoe Nijaly i Jesoa Kristy mba hamonjena antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana sy hanampiana antsika amin’ireo olana mandritra ny fiainana an-tany. Azonao soratana ao anatin’ny soratra masinao io fahamarinana io. Azonao soratana ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ihany koa io fahamarinana io sy ireo valin-teninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona amin’ireo fitahiana voatanisa ao amin’ny tsanganana faharoa amin’ilay tabilao no tena manan-danja aminao amin’izao fotoana izao? Nahoana?

  • Oviana ianao no niaina fanantenana, fiadanana, fankaherezana, na tanjaka izay azonao raisina amin’ny alalan’ny fijalian’i Jesoa Kristy izay manavotra?

Mba hahitana ohatra anakiray maneho ny fanampiana masina izay azontsika raisina avy amin’ny alalan’ny Sorapanavotan’ny Mpamonjy, dia jereo ny “Atonement—Not a One Thing” manomboka avy amin’ny mari-potoana (3:00) na ny “Alek’s Story” (6:26). Hita ao amin’ny ChurchofjesusChrist.org ireo horonantsary roa ireo.

Mba hianarana bebe kokoa momba ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy mitahy ny fiainanao noho ny Sorompanavotany, dia halalino ny fampianarana sasany izay nataon’ireo mpitarika ny Fiangonana ao amin’ny fizarana “Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” izay hita any amin’ny faran’ny lesona.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy ka tianao hotadidiana?

  • Inona ny zavatra asianao fanovana noho ’ireo zavatra izay nianaranao sy tsapanao momba an’i Jesoa Kristy?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy hisy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika?

Hoy ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Ny Filoha Dallin H. Oaks

Ny fahafahana ho voavela amin’ny helotsika no hevitra fototra fonosin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. …

Niaritra fijaliana tsy takatry ny saina ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika mba ho lasa sorona ho an’ny fahotan’ny olombelona rehetra izay mibebaka. Io sorona fanavotana io dia nanolotra ny faran’izay tsara indrindra, ilay zanak’ondry madio tsy misy kilema, ho an’ny ratsy lehibe indrindra, dia ny fahotan’izao tontolo rehetra izao. Nanokatra varavarana ho antsika tsirairay avy izany mba ho voadio amin’ny fahotantsika manokana ka ahafahantsika ho tafaverina indray eo anatrehan’ Andriamanitra, ilay Raintsika Mandrakizay. Natao ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra io fahafahana ho voadio io.

(Dallin H. Oaks, “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?,” Liahona, mey 2021, 76)

Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Ny Loholona Dale G. Renlund

Ny zavatra iray tokony hataontsikaa rehefa ao anatin’ny toe-javatra tsy ara-drariny dia ny matoky fa “azo ahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra tsy ara-drariny eo amin’ny fiainana” [Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa misionera (2018), 52]. Nandresy izao tontolo izao i Jesoa Kristy ary efa “nifaoka” ny tsy rariny rehetra. Noho Izy, dia afaka mahazo fiadanana isika amin’ity tontolo ity ary hahery. Raha avelantsika i Jesoa Kristy, dia hanokana ny zavatra tsy ara-drariny Izy ho tombontsoantsika. Tsy vitan’ny hoe hampionona antsika sy hamerina izay very fotsiny Izy, fa havadiny ho tombontsoantsika ny zavatra tsy ara-drariny.

(Dale G. Renlund, “Zavatra tsy rariny mahasendaotra,” Liahona, mey 2021, 43)

Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Ulisses Soares

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa rehefa mibebaka marina amin’ny fahotantsika isika, dia mamela ny sorompanavotan’i Kristy ho lasa mahomby tanteraka eo amin’ny fiainantsika isika. Ho afaka amin’ny famatoran’ny fahotana isika, sy hahita fifaliana eo amin’ny diantsika mamakivaky ny fiainana an-tany, ary lasa ho afaka ny hahazo ny famonjena mandrakizay, izay efa nomanina hatry ny nanorenana izao tontolo izao ho an’ireo rehetra izay mino an’i Jesoa Kristy sy manatona Azy.

(Ulisses Soares, “Jesoa Kristy: Ilay Mpanasitrana ny fanahintsika,” Liahona, mey 2021, 83)

Hoy ny Loholona Michael John U. Teh ao amin’ny Fitopololahy:

Sary
Loholona Michael John U. Teh

Ny fahatakarana mitombo fa mihatra amintsika manokana sy amin’ny tsirairay avy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hanampy antsika hahafantatra Azy. Matetika no mora kokoa ho antsika ny mieritreritra sy miresaka ny amin’ny Sorompanavotan’i Kristy amin’ny teny ankapobeny mihoatra ny hoe mahafantatra ny dikan’izany manokana eo amin’ny fiainantsika. Tsisy fetra sady mandrakizay ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary mahafaoka ny zava-drehetra sy ny olon-drehetra ary koa miantraika amintsika amin’ny fomba tena manokana sady amin’ny tsirairay. Noho ny sorona fanavotana nataony, dia manana ny hery ny Mpamonjy hanadiovana sy hanasitranana, ary hampatanjahana antsika tsirairay avy.

(Michael John U. Teh, “Ny Mpamonjintsika manokana,” Liahona, mey 2021, 99)

Rahavavy Reyna I. Aburto, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany

Sary
Rahavavy Reyna Aburto

Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana manavotra sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty be voninahitra dia azo sitranina ny fo torotoro, afaka ny ho tonga fiadanam-po ny alahelo, ary ho tonga fanantenana ny fahakiviana. Afaka mamihina antsika amin’ny sandrin’ny famindram-po Izy, mampionona, manome hery ary manasitrana antsika tsirairay avy.

(Reyna I. Aburto, “Tsy nandresy ny fahafatesana,” Liahona, mey 2021, 86)