Seminera
Joseph Smith—Matio


Joseph Smith—Matio

Miandrandra ny Fiavian’ny Tompo

Sary
The resurrected Jesus Christ (wearing white robes with a magenta sash) standing above a large gathering of clouds. Christ has His arms partially extended. The wounds in the hands of Christ are visible. Numerous angels (each blowing a trumpet) are gathered on both sides of Christ. A desert landscape is visible below the clouds. The painting depicts the Second coming of Christ. (Acts 1:11)

Tao anatin’ny resadresaka nitokana iray teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, i Jesoa Kristy dia namaly ny fanontanian’ireo mpianany mikasika ny Fiaviany Fanindroany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy momba ireo famantarana ny fiaviany sy hiandrandra ny andro izay hiverenany eto an-tany.

Maka sary an-tsaina ny fiavian’i Jesoa Kristy

Mieritrereta momba ny zavatra izay fantatrao momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sy ireo famantarana izay hiseho mialoha izany. Alaivo sary an-tsaina ny mety ho endrika hisehoan’izany.

  • Inona no zavatra tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ianao?

  • Inona no fahatsapana anananao rehefa mieritreritra momba ny fiavian’ny Mpamonjy?

Rehefa mandalina ianao anio, dia henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahafantatra ny zavatra azonao atao hiandrandrana ny andro hiavian’i Jesoa Kristy indray.

Ireo famantarana mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

Raha nanontany ny Mpamonjy ireo mpianany hoe: “Inona no famantarana ny fiavianao?” ( Joseph Smith—Matio 1:4), dia nampianatra azy ireo momba ireo zavatra hiseho mialoha ny hiaviany fanindroany Izy. Na dia tsy misy olona mahafantatra ny andro na ora marina hitrangan’izany aza afa-tsy ny Ray any An-danitra, dia nanazava ny maha zava-dehibe ny fiambenana ireo famantarana samihafa izay nomeny i Jesoa (jereo ny Joseph Smith—Matio 1:40, 46).

Ny toerana iray ao amin’ny soratra masina izay ahitana ireo famantarana ny fiavian’ny Tompo dia ao amin’ny Joseph Smith—Matio . Izy io dia dikanteny nataon’i Joseph Smith, na fanitsiana, ny Matio 24 , izay hita ao amin’ny Voahangy Lafo vidy.

  • Inona avy ireo famantarana fantatrao mialoha ny hiavian’i Jesoa Kristy fanindroany?

Mba hahafahana mahita ny sasany amin’ireo famantarana izay nambaran’ny Tompo sy ny antony nahatonga Azy nanambara izany, dia vakio ny Joseph Smith—Matio 1:22–23, 28–36, 48 . Azonao jerena ihany koa ny “ Famantarana ny fotoana ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, izay hita ao amin’ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no manaitra anao amin’ireo famantarana izay nomen’ny Mpamonjy momba ny Fiaviany Fanindroany?

  • Inona no zavatra azontsika ianarana momba an’i Jesoa Kristy rehefa nahafantatra isika fa nampahafantariny efa ela malohan’ny hiaviany fanindroany ireo famantarana ireo?

  • Inona no zavatra mba tsapanao rehefa maka sary an-tsaina ny filazantsara izay “hotorina manerana izao tontolo izao” ( Joseph Smith—Matio 1:31) sy ny Mpamonjy izay “ho avy eo amin’ny rahon’ny lanitra amin-kery sy voninahitra lehibe” ianao? ( Joseph Smith—Matio 1:36). Nahoana?

Misafidiana iray amin’ireto fehezanteny manaraka ireto farafaharatsiny ary asio marika izany ao amin’ny soratra masinao. Rehefa manisy marika ireo teny ianao dia eritrereto ny hafatra izay navelan’i Jesoa Kristy. Tadiavo ny zavatra azon’ny tenin’ny Mpamonjy ampianarina anao momba Azy sy ny faniriany ho anao.“Aoka tsy hatahotra ianareo” ( Joseph Smith—Matio 1:23).“Fa izay tsy ho resy no hovonjena” ( Joseph Smith—Matio 1:30).“Tsy holevona kosa ny teniko fa ho tanteraka avokoa” ( Joseph Smith—Matio 1:35).“Koa aoka ho vonona koa ianreo” ( Joseph Smith—Matio 1:48).

  • Inona araka ny eritreritrao, no fihetsika tian’ny Mpamonjy hanananao momba ny fiaviany?

  • Inona amin’ireo tenin’i Jesoa Kristy no manampy anao hitia sy hatoky Azy?

Mandritra ity herinandro ity, dia handalina kokoa momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sy ny fomba ahafahanao miomana amin’izany ianao.

Fiomanana mialoha amin’ny fiverenan’ny Tompo

Rehefa mamaky ity teny nolazain’i Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ianao dia alaivo sary an-tsaina ny zavatra lazainy ary eritrereto ny fihetsikao manokana momba ny Fiaviana Fanindroany.

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Mampientanentana ny fanahiko ny mieritreritra ny fiverenany. Tena hampitolagaga mihitsy izany! Ny velarana sy ny fahalehibiazana, ary ny hakantony, dia hihoatra noho izay rehetra fahitan’ny maso mety maty na niainana.

Amin’izany andro izany … dia hiseho “eny amin’ny rahon’ny lanitra Aho, mitafy hery sy voninahitra lehibe, miaraka amin’ny anjely masina rehetra” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:44 ]. … Hiova endrika ny masoandro syny volana, ary “ny kintana [ho]esorina amin’ny toerany” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:49 ]. …

… Handohalika amim-panajana isika, “Ary hiloa-bava ny Tompo ka handre izany avokoa ny faran’ny tany;” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:49 ]. …

Amin’io andro io dia hangina ny mpisalasala lava, “fa ny sofina tsirairay dia handre izany … , ary ny lohalika rehetra hitsaoka, ary ny lela rehetra hiaiky” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:104 ] fa i Jesoa no Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao.

… Enga anie isika hiomana amin’ny fiaviany amin’ny fieritreretana hatrany ireo zavatra hitranga lehibe ireo ao an-tsaintsika sy miaraka amin’ireo olona tiantsika.

(Neil L. Andersen, “Ho Tonga anie ny Fanjakanao,” Liahona, mey 2015, 122)

  • Inona no zavatra tsapanao na noeritreretinao rehefa naka sary an-tsaina ny zavatra nosoritsoritan’ny Loholona Andersen ianao?

  • Ahoana no fiantraikan’ity lesona ity tamin’ireo eritreritra na fahatsapana izay nanananao tany am-piandohan’ny fianarana momba ny Fiaviana Fanindroany?

2. Makà iray minitra mba hiraketana ny antsipirian-javatra sasantsasany izay azonao alaina sary an-tsaina momba ny fiverenan’ny Tompo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Miezaha maka sary an-tsaina ny tenanao mahita ny Tompo sy mandre ny feony. Avy eo, dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra izay mety hanampy anao haka sary an-tsaina ny fiavian’ny Tompo ho toy ny fisehoan-javatra be voninahitra?

  • Iza no olona mba azonao iresahana momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Joseph Smith—Matio 1:36–37 . Ho tahaka ny ahoana indray ny fiavian’ny Mpamonjy?

Tamin’ny fotoana iray hafa, ny Loholona Neil L. Andersen dia nizara ny eritreriny momba ny fotoana izay hiverenan’i Jesoa Kristy eto an-tany amim-boninahitra:

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Tsy misy zavatra manosika ahy hiresaka an’i Kristy mihoatra noho ny fakana sary an-tsaina ny fiverenany. Na dia tsy fantatsika aza hoe rahoviana Izy no ho tonga, dia ho mahavariana tokoa ny zavatra hitranga amin’ny fiverenany! Ho avy eo amin’ny rahon’ny lanitra amin’ny halehibeny sy ny voninahitra Izy miaraka amin’ny anjeliny masina rehetra. Tsy anjely vitsy fotsiny fa ny anjeliny masina rehetra . Tsy ireo kerobima mena takolaka nataon’i Raphael sary hosodoko hita amin’ireny karatra firarian-tsoa amin’ny fetin’ny mpifankatia ireny no resahina eto. Ireo no anjelin’ny taonjato maro, ny anjely nalefa hanakombona ny vavan’ny liona [jereo ny Daniela 6:22 ], hamoha ny varavaran’ny tranomaizina [jereo ny Asan’ny Apostoly 5:19 ], hanambara ny fahaterahany izay efa nandrasana hatry ny ela [jereo ny Lioka 2:2–14 ], hampahery Azy tao Getsemane [jereo ny Lioka 22:42–43 ], hanome toky ireo mpianatra tamin’ny Fiakarany tany an-danitra [jereo ny Asan’ny Apostoly 1:9–11 ], ary hanokatra ilay Famerenana amin’ny laoniny tamim-boninahitra ny filazantsara.

Azonao sary an-tsaina ve ny hoe hakarina hitsena Azy, na eto amin’ity lafiny ity na any amin’ny lafiny ilan’ny voaly? [jereo ny 1 Tesaloniana 4:16–17 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:96–98 ]. Izany no fampanantenany ho an’ny olo-marina. Izany traikefa mahatalanjona izany dia hanamarika ny fanahintsika mandrakizay.

(Neil L. Andersen, “Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 91)

Ahoana raha manahy momba ireo famantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany aho?

Ny horonan-tsary “Be Not Troubled” (5:10) dia manampy antsika hahatakatra fa tsy tokony hatahotra ireo famantarana ny andro farany isika. Hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ity horonan-tsary ity.

//media.ldscdn.org/webvtt/scripture-and-lesson-support/doctrine-and-covenants-visual-resource/2010-07-038-be-not-troubled-en.vtt