Seminera
Hebreo 3–4


Hebreo 3–4

Miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo

Sary
Jesus Christ portrayed seated near a river. Christ is holding a shepherd’s staff in His hand. There are trees growing along the banks of the river.

Maniry ny hitahy antsika amin’ireo fitahiana tsara indrindra avy amin’Izy Ireo ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny tsy finoana sy ny hamafisan’ny fo no misakana ny maro tsy hahazo ireo fitahiana ireo. Nikatsaka ny hanampy ny Olomasina hiverina amin’ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo i Paoly tamin’ny alalan’ny famporisihana azy ireo hiala amin’ny toe-tsaina tsy mino. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao handresy ny tsy finoana mba hahazoanao ireo fitahiana nampanantenain’ny Mpamonjy.

Ny finoantsika an’i Jesoa Kristy

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra olana iray atrehan’izao tontolo izao ankehitriny:

Ny fampianaran’i Paoly momba ny zanak’i Isiraely

Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo dia niaiky i Paoly fa nisy olona niova fo sasany nieritreritra ny hiala amin’ny finoany an’i Jesoa Kristy noho ny fanenjehana azy ireo.

Vakio ny Hebreo 3:7–19 , ka tadiavo ny tantara izay nolazain’i Paoly mba hanampiana ny Hebreo hahatakatra ny loza ateraky ny tsy finoana.

Ny “fahasosorana … tany an-efitra” ( Hebreo 3:8) dia entina ilazana ny fotoana izay, rehefa avy nafahana tao Egypta, nampahatezitra an’i Jehovah tamin’ireo Isiraelita ary tsy nomena fitahiana izay niriny homena azy ireo izy ireo (jereo ny Nomery 14 ; Jakôba 1:7–8 ; Almà 12:33–37).

  • Inona no fitahiana tsy azon’ny zanak’i Isiraely? Nahoana?

Ny fitsaharan’ny Tompo

Tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika hiaina ny fitsaharan’Izy Ireo. Halalino ity andinin-tsoratra masina sy teny faminaniana manaraka ity mba hianarana ny atao hoe fitsaharan’ny Tompo. Mety hanampy ny mijery ny teny hoe “ fitsaharana ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, raha misy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:24 mba hianarana bebe kokoa momba ny fitsaharan’ny Tompo (jereo koa ny Almà 13:6, 12–13, 28–29).

Ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918) dia nampianatra ny fomba ahafahantsika miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo eto amin’ny fiainana an-tany:

Sary
Portrait of Joseph F. Smith

Ireo mpaminany fahiny dia niresaka mikasika ny “fidirana ao amin’ny fitsaharan’ Andriamanitra” [jereo ny Almà 12:34 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:23–24 ]; inona no dikan’izany? Ny dikan’izany raha ny eritreritro dia hoe miditra ao amin’ny fahalalana sy ny fitiavan’ Andriamanitra, manana finoana ny tanjony sy ny drafiny, ka dia lasa mahafantatra isika fa marina sy tsy mikatsaka zavatra hafa intsony ary tsy voahelingelin’ny rivotry ny fotopampianarana samihafa, na koa ny hafetsena misokon’ny olona izay ijokoany mba hamitaka. … Ny lehilahy izay mahatratra izany haavom-pinoana an’ Andriamanitra izany, ka niala taminy avokoa ny fisalasalana sy ny tahotra rehetra dia niditra ao amin’ny “fitsaharan’ Andriamanitra.”

(Enseignement des Présidents de l’Eglise: Joseph F. Smith [1998], 56)

  • Ahoana no mety hamaritanao ny atao hoe fitsaharan’ny Tompo?

I Almà dia nizara hafatra mitovy tamin’ny an’i Paoly tamin’ny olona tamin’ny androny, izay sahirana koa ny sasany tamin’izy ireo ny hino. Vakio ny Almà 12:34–37 , hitadiavana hevi-baovao fanampiny.

Misafidy ny hino

Vakio ny Hebreo 3:7–8, 12–15 ; 4:2–3, 6–7, 11. Rehefa mamaky ianao dia tadiavo ny zavatra azontsika atao mba hidirana ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo. Afaka mamaky ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ao amin’ny Hebreo 4:3 (ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith—Tovana ) ihany koa ianao.

  • Inona no hitanao fa misongadina amin’ireo andininy ireo?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra ny fomba ahafahantsika mandresy ny tsy finoana:

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no ahafahako manana fo mino kokoa?

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nilaza hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Tsy azo avy amin’ny fomba mahagaga ny finoana. Fa ny faniriana mba hino no dingana takiana voalohany! Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra. Izy no Raintsika. Te hiresaka aminao Izy. Mitaky ny tenanao mba hanomboka ho liana amin’ny fikarohana anefa izany—izay mitaky fanandramana ny tenin’ Andriamanitra—sy ny fampiharana “sombiny amin’ny finoana” [ Almà 32:27]. Mitaky anao mba hanomboka hanetry tena ihany koa izany. Ary mitaky fo manoa sy saina mivelatra izany. Mitaky fikatsahana, araka ny hevitr’io teny io rehetra izany. Ary ny sarotra indrindra angamba dia ny hoe mitaky faharetana sy fatokiana ny Tompo izany.

Raha tsy manao ezaka ny mba hino isika dia mitovy amin’ny olona iray izay tsy manao izay tokony hatao mba hampirehitra ny jiro iray nefa manome tsiny io jiro io avy eo noho ny tsy fanomezany fahazavana.

(Dieter F. Uchtdorf, “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany,” Liahona, nôv. 2015, 78)

Iza no afaka manampy antsika hahita ny fitsaharan’ny Mpamonjy?

Ny Loholona W. Craig Zwick ao amin’ny Fitopololahy dia nilaza hoe:

Sary
Official Portrait of Elder W. Craig Zwick. Photographed March 2017.

Ny Ray any An-danitra dia tia ny zanany tsirairay ary tiany isika rehetra hiverina Aminy. Nomeny ny fahefan’ny fisoronana marina ireo mpaminany sy mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hanampy antsika hijanona eo amin’ilay lalana ety sy tery. Manana ny fitarihan’ireo mpitarika ireo àry isika mba hanampy antsika hiditra amin’ny fitsaharany.

(W. Craig Zwick, “Enter into the Rest of the Lord [Midira ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo],” Ensign, Feb. 2012, 24)