Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Matio 16:15–19


Fifehezana fotopampianarana: Matio 16:15–19

Hoy Jesoa taminy, “Homeko Anao ny Fanalahidin’ny Fanjakan’ny Lanitra”

Sary
A young woman meets with her Bishop.

Tamin’ny lesona izay nataontsika teo aloha ianao dia nianatra ny maha zava-dehibe ny fanalahidin’ny fisoronana sy ny fomba nanankinan’ny Mpamonjy ny fanalahidiny amin’ireo mpaminany eto an-tany. Ity lesona ity dia hahafahanao mampitombo ny fahaizanao mifehy ity fotopampianarana ity amin’ny alalan’ny fanaovana tsianjery toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina, sy ny fanazavana ilay fotopampianarana, ary ny fampiharana ireo fitsipika mahakasika ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny rafi-tantera manakaiky ny tena izy.

Manazava

Alaivo sary an-tsaina hoe misy olona fantatrao naheno ny andian-teny hoe “fanalahidin’ny fisoronana” saingy tsy nahatakatra izany. Ampiasao ny Matio 16:15–19 hanazavana hoe inona izany hoe fanalahidin’ny fisoronana sy ny antony maha zava-dehibe izany. Raha azo atao dia, zarao amin’ny namana na fianakaviana ny fanazavanao. Mety hanampy ihany koa ny mamaky ireto fanambarana ireto izay hita ao amin’ny fizarana 3.0–3.4.1.1 Ao amin’ny Boky Torolalan’ny Fiangonana Maneran-tany: Manompo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Faranyao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ao amin’ny application Bibliothèque de l’Evangile.

1. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

Raiso an-tsoratra ny fanazavana izay nataonao mahakasika ny fanalahidin’ny fisoronana. Raha afaka nizara ny fanazavana izay nataonao tamin’olon-kafa ianao dia, sorito fohifohy hoe nanao ahoana izany.

Ataovy tsianjery

Manaova fanazaran-tena manao tsianjery ireo fehezanteny manan-danja ao anaty soratra masina izay hita ao amin’ny Matio 16:15–19 : “Ary hoy Jesoa taminy, ‘Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.’” Raha azo atao dia ataovy printy ireto taratasy ho zaraina manaraka ireto ary hetezo ireo fanalahidy tsirairay. Ho solon’izany raha ilaina, dia manaova sarim-panalahidy maromaro eo amin’ny sombin-taratasy iray ary hetezo tsirairay izany. Manorata teny iray avy amin’ilay fehezanteny eo amin’ny fanalahidy tsirairay. Soraty ihany koa ireo toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, Matio 16:15–19 , eo amin’ny fanalahidy iray. Afangaroy ireo fanalahidy ireo, ary andramo averina amin’ny filaharany marina. Avereno imbetsaka ity sahanasa ity mandrapaha tadidinao ilay toko sy andinin-tsoratra masina ary ilay fehezanteny manan-danja. Mety hahafinaritra anao ny mandrefy ny fotoana laninao manao izany ary ny miezaka hatrany manatsara ny hakinganao isaky ny andrana izay ataonao.

Fampiharana hanazaran-tena

Makà fotoana hamerenana ireo fitsipika fahazoana fahalalana ara-panahy izay hita ao amin’ny andalana 5–12 ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) mialoha ny hirosoana amin’ny sahanasa fampiharana hanazaran-tena.

Nahita horonantsary tamin’ny tambajotran-tserasera i Vanya namanao, izay nisy mpikamban’ny Fiangonana manakiana ny fotopampianaran’ny Fiangonana. Matsilo saina sy mahay mandresy lahatra io mpikambana io ary niantso ny Fiangonana mba hanova ny fotopampianarana sasany. Mampiasa ny Soratra Masina mihitsy aza izy ireo hanohanana ny fomba fijeriny. Tsy azon’i Vanya antoka izay tokony handraisana izany sy ny fomba tokony hamaliana azy.

  • Inona avy ireo fanontaniana sy ireo olana izay mety hananan’i Vanya?

Nangataka fanampiana taminao tamin’alan’ny hafatra an-tsoratra i Vanya. Eritrereto izay fomba azonaohamaliana mba hanampiana azy hamaha ny olana izay ananany.

2. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa manaraka ity:

Manorata hafatra an-tsoratra telo hamaliana an’i Vanya. Ampidiro ao amin’izany ireto zavatra manaraka ireto:

  • Hafatra 1: Ireo fahamarinana momba ny fampiasan’ny Tompo ireo mpaminany sy ireo fanalahidin’ny fisoronana ao amin’ny drafitry ny famonjena izay afaka manampy an’i Vanya hijerena an’io toe-javatra io amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Hafatra 2: Loharano notendrin’ Andriamanitra izay azon’i Vanya ampiasaina hianarana misimisy kokoa momba ireo mpaminany sy ireo fanalahidin’ny fisoronana. (Asio andalan-tsoratra masina na fanambarana ara-paminaniana iray farafahakeliny.)

  • Hafatra 3: Soso-kevitra mikasika ny fomba ahafahan’i Vanya manao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy sy mandroso hatrany. Raha azo atao dia, mampidira zavatra izay efa niainanao manokana momba ny fanalahidin’ny fisoronana sy ny fomba nanampian’ireo fanalahidy ireo anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.