Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 2 Timoty 3:15–17


Fifehezana fotopampianarana: 2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena”

Sary
Zatovolahy mipetraka eo am-pandriany sy mamaky sy ny soratra masina. Nanao pataloha ambony ambany manga izy ary mamaky amin’ny teny Espaniôla.

Ny fandalinana soratra masina tsy tapaka dia afaka mitahy ny fiainanao amin’ny fomba maro, anisan’izany ny fanampiana anao hamakivaky ireo fanamby maro isan-karazany amin’ny andro farany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny 2 Timoty 3:15–17 sy hanazava ny fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Tadidio ary hazavao

Manaova sarina boky soratra masina misokatra izay saika mameno ny taratasy na mameno taratasy anankiray manontolo mihitsy aza. Soraty, eo ambony indrindra amin’ny sary ataonao ny 2 Timoty 3:15–17. Soraty ao anatin’ny sary izay nataonao ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina hoe Ny soratra masina … izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena. Sarony amin’ny zavatra ilay andian-teny ary avereno adika indray araka ny fitadidianao azy. Jereo raha ohatra ka marina ary avereno imbetsaka ny fanazaran-tena mandra-pahafeno ny sary izay nataonao.

Tao amin’ny lesona izay natao teo aloha dia nianatra ianao fa rehefa mandalina ny soratra masina isika dia afaka mahazo fahendrena izay hitarika antsika ho amin’ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy Vakio indray ny 2 Timoty 3:15–17 ary mitadiava porofo ho an’io fitsipika io sy ireo fitahiana hafa izay azontsika raisina avy amin’ny fandalinana ny soratra masina.

Alaovy sary an-tsaina hoe misiônera mampianatra zatovovavy anankiray antsoina hoe Hanitra ianao. Nandray ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny i Hanitra saingy nisalasala izy hamaky ny andinin-tsoratra masina izay narosonao sy ny namanao. Nandritra ny famangiana iray dia nanontany an’i Hanitra ianao hoe inona antony manakana azy tsy hamaky ny soratra masina. Namaly izy fa tsy tiany ny mamaky soratra masina ary mankaleo be izany aminy.

1. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity: 

Ampiasao ny 2 Timoty 3:15–17 ary soraty ny valiny izay manazava fa ireo fitahiana sy tombontsoa azo avy amin’ny fandalinana ny soratra masina amin’ny fomba izay mety hamporisika an’i Hanitra. Raha azo atao, dia hevero ny hampiditra ny zavatra izay niainanao manokana sy ny fijoroana ho vavolombelona ho isan’ny valin-teninao.

Fizarana mampihatra

  • Raha toa ka tsy maintsy mamintina ireo fitsipika telo amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ao anatin’ny fehezan-teny iray avy ianao, inona ny zavatra mety holazainao?

Raha ilaina, dia makà minitra vitsivitsy mba hamerenana mijery ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

Na dia efa fantatsika sy takatsika aza ireo fitahiana avy amin’ny fandalinana ny soratra masina, dia mety ho sarotra ihany indraindray ny manao izany tsy tapaka sy amim-pahombiazana.

  • Inona avy ireo fanamby sasantsasany izay mety hahasarotra ny fandalinana ny soratra masina tsy tapaka sy amim-pahombiazana?

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampiana anao hamantatra sakana anankiray na roa izay manakana anao tsy handalina tsy tapaka sy amim-pahombiazana ny soratra masina. (Raha tsy miatrika sakana ianao, dia eritrereto ireo sakana izay mety hatrehin’ireo namana na olona anankiray ao amin’ny fianakaviana.)

2. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

Manorata farafahakeliny fomba telo izay mety hampiasainao ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana anao handresy ireo sakana ireo. Mety hanampy ireto fanontaniana sy hevitra manaraka ireto.

  • Ahoana ny fomba ahafahanao mandinika ireo sakana amin’ny fandalinanao soratra masina amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Ahoana ny fomba mety hanampian’ireo fahamarinana ao amin’ny 2 Timoty 3:15–17 anao mba hanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay rehefa sahirana amin’ny fandalinana ny soratra masina ianao?

  • Ahoana ny fomba ahafahanao mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra?

Indreto misy hevitra vitsivitsy ho amin’izany:

  1. Mitadiava andinin-tsoratra masina momba ny fandalinana soratra masina ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, hita ao amin’nyChurchofJesusChrist.org, ary tadiavo ireo fitahiana sy fampanantenana izay mety hanampy anao amin’ny sakana izay atrehinao. Ny soratra masina toy ny Josoa 1:8; 2 Nefia 32:3; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37 dia mety hanampy.

  2. Manontania olona anankiray izay atokisanao hoe nahoana izy ireo no mandalina soratra masina isan’andro ary inona no torohevitra homeny anao mba hahafahanao mandresy ny sakana izay atrehinao.

  3. Mitadiava fanambarana izay nataon’ireo Manampahefana Ambony na lahatsoratra ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana izay mety afaka manampy. Ohatra, ity fanambarana manaraka ity dia mety hanampy ireo olona izay sahirana amin’ny fitadiavana fotoana handalinana ny soratra masina.

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao:

Sary
Sary ôfisialy faran’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004. Nodimandry tamin’ny 22 septambra 2015. It

Manan-danja kokoa noho ny torimaso, ny sekoly, ny asa, ny fandaharana amin’ny fahitalavitra, ny jeux vidéo, na ny tambajotran-tserasera ny fivokisana isan’andro amin’ny tenin’ Andriamanitra. Mety mila mamerina mandamina indray ireo laharam-pahamehanareo ianareo mba hanokanana fotoana ho an’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra. Raha ilaina izany dia ataovy!

(Richard G. Scott, “Ataovy voalohany amin’ny laharampahameharaneo ny fampiasana finoana,” Liahona, nôv. 2014, 93)

Makà minitra vitsivitsy hanombohana ny iray amin’ireo hevitrao.

  • Ahoana ny fomba ahafahanao manao asa amim-pinoana mba handresena ireo sakana amin’ny fandalinana soratra masina mahomby isan’andro? Mitanisà hevitra maromaro ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.