Seminera
Tombano ny fianaranao 12


Tombano ny fianaranao 12

Apokalypsy 1–22

Sary
A young woman reads and studies the scriptures. She has the Book of Mormon in both Spanish and English, and a Holy Bible on a table.

Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hanombantombana ireo tanjona izay napetrakao sy ny fivoarana izay niainanao nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao.

Ny fivoaran’ny tena manokana

Amin’ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana hanombantombana ny fianarana izay nataonao sy ny fomba nampiharanao ireo fitsipika nampianarina tao amin’ny Apokalypsy 1–22. Hamerimberina sy hanombantombana ny fivoaranao ihany koa ianao nandritra ny volana vitsivitsy lasa izay rehefa nandalina ny Asan’ny Apostoly–Apokalypsy. Ireto sahanasa fianarana manaraka ireto dia afaka manampy anao hahita ny fitomboan’ny fitiavanao ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fomba hahatongavanao hitovy kokoaamin’izy ireo.

Ny bokin’ny Apokalypsy

Makà minitra vitsivitsy hamerenana ireo andinin-tsoratra masina izay mety ho nasianao marika, na fanamarihana ao amin’ny soratra masina, na ireo lahatsoratra ao amin’ny diary izay nataonao tao anatin’ny fandalinanao ny bokin’ny Apokalypsy.

  • Inona avy ireo zavatra tadidinao fa nianaranao na tsapanao rehefa nandalina ny bokin’ny Apokalypsy ianao?

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy anao avy ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy?

  • Inona avy ireo fahamarinana sasantsasany izay tsapanao nanentananan’ny fanahy anao mba hatao ao anatin’ny fandalinanao?

1. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ny sahanasa A na ny sahanasa B mba hijerena ny fomba hahatonga ireo asa ataonao hampanakaiky kokoa anao ny Tompo.

Sahanasa A: Mitsaoka sy manara-dia an’ Andriamanitra amin-kitsi-po

Ao amin’ny Apokalypsy 45 , dia mety ho nandalina ny ampahany tamin’ny fahitan’i Jaona izay nahitany ny seza fiandrianan’ Andriamanitra niaraka tamin’ny zavamananaina samihafa sy bibidia ara-panoharana nitsaoka ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ianao. Mety nasaina ianao hisaintsaina ny fomba hideranao ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary handinika ireo fomba ahafahanao manatsara ny fitsaohanao manokana.

  • Inona no nianaranao na tsapanao vao haingana momba ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy izay manosika anao haniry hitsaoka Azy ireo?

  • Inona no ezaka nataonao mba hanatsarana ny fiankohofanao? Ohatra, mety nikatsaka ny hampitombo ny fitsaohanao ianao tamin’ny alalan’ny vavaka, ny fandalinana ny soratra masina, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ny fanajana ny andro Sabata, ny fifadian-kanina, ny fandehanana any amin’ny tempoly, na ny fomba hafa.

  • Inona no fiantraikan’ireo zavatra ireo tamin’ny fifandraisanao tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Sahanasa B: Manohatra sy mandresy ny ratsy amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy

Ao amin’ny Apokalypsy 1213 , dia mety efa nianatra ianao fa tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia nampihatra ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika rehetra mba hanoherana an’i Satana. Mety nasaina ianao hisaintsaina ny finoanao an’ireo fampianarana ireo ary hieritreritra ny zavatra azonao atao hanohizana ny fametrahana ny fitokianao amin’i Jesoa Kristy rehefa miady amin’ny fahavalo eto amin’ny fiainana an-tany isika.

  • Inona no asa tsapanao fa tokony hataonao aorian’ny fandalinanao?

  • Inona avy ireo sakana na olana natrehanao tamin’ny fanaovana ireo asa ireo? Inona no fahombiazanao tamin’izany?

  • Ahoana no nanampian’ny fanaovana ireo dingana ireo anao hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy na hahazo hery avy Aminy mba hanoherana an’i Satana?

Ny Testamenta Vaovao: Asan’ny Apostoly–Apokalypsy

Sary
Paul speaking to King Agrippa.

Mety ho tsaroanao fa rehefa avy nandre ny fijoroana vavolombelona nataon’i Paoly momba an’i Jesoa Kristy ny Mpanjaka Agripa dia nilaza hoe: “Ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristianina.” Namaly tamim-pahasahiana toy izao i Paoly: “Mangataka amin’ Andriamanitra aho, fa na amin’ny mora, na amin’ny sarotra tsy hianao ihany fa izay rehetra mandre ahy anio [dia ho Kristianina] hitovy amiko” ( Asan’ny Apostoly 26:28–29).

I Paoly sy ireo Apostoly sisa dia nanana faniriana lalina hitondra ny hafa ho eo amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fampianaran’izy ireo sy ny fijoroany vavolombelona. Maro tamin’izy ireo no nanolotra ny ainy sy maty ho maritiora noho ny amin’i Kristy, ary namela ny fampianarany tao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly sy ny Epistily. Antenaina fa efa nanasa ireo fijoroana vavolombelona ireo ho ao am-ponao ianao ary nampihatra ny fampianaran’izy ireo teo amin’ny fiainanao manokana. Anjaranao izao ny mampianatra sy mijoro ho vavolombelona.

2. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

Manorata epistily ataonao manokana ho an’iza n’iza safidinao. Ohatra, azonao atao ny miresaka izany amin’ny tenanao herin-taona lasa talohan’ny nandalinanao ny Testamenta Vaovao, na amin’ny namana iray izay tsy mahatakatra ny antony hanatrehanao seminera, na amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao izay afaka mandray soa avy amin’ny fijoroanao vavolombelona momba ny Mpamonjy.

Na inona na inona fidinao hiantsoana ny epistilinao dia ampidiro ny andininy iray na maromaro ao amin’ny Asan’ny Apostoly–Apokalypsy, miaraka amin’ny fomba nitahian’ireo fahamarinana avy amin’ireo andininy ireo ny fiainanao. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia mety hanampy hitarika anao, saingy azonao atao ny misafidy ho an’ny tenanao manokana izay hosoratanao.

  • Ahoana no nanampian’ny zavatra noalalininao anao hanatona an’i Kristy sy hahita fiadanana ao Aminy?

  • Ahoana no nanampian’ny zavatra noalalininao anao hanohitra na handresy ny ratsy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no nanampian’ny zavatra nianaranao anao hamaly fanontaniana iray na hamaha fanahiana na olana iray?

  • Inona koa no tianao ho fantatry ny olona iray mba hamporisihana azy ireo handalina ny Testamenta Vaovao sy hanatona an’i Kristy?