Seminera
Asan’ny Apostoly 8:1–3; 9:1–20


Asan’ny Apostoly 8:1–3; 9:1–20

“Inona no tianao hataoko aminao?”

Sary
I Saoly mahita fahitana iray eo amin’ny lalana mankany Damaskosy.

Tamin’ny fotoana izay “nanenjehana mafy ny fiangonana” (Asan’ny Apostoly 8:1), dia niditra an-keriny tamin’ny trano maro i Saoly, nisambotra sy nanagadra ireo izay nino an’i Jesoa Kristy (jereo ny Asan’ny Apostoly 8:3). Rehefa nandeha tany Damaskosy i Saoly mba hanohy ny fanenjehana ireo Olomasina, dia naneho ny tenany tamin’i Saoly i Jesoa Kristy (jereo ny Asan’ny Apostoly 9:3–5). Tamin’ny fahatairana tanteraka, no nanontanian’i Saoly ny Tompo hoe, “Inona no tianao hataoko aminao?” (Asan’ny Apostoly 9:6). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hisaintsaina ny zavatra ataon’ny Tompo mba hanampiana anao hiova ho tsara kokoa sy hikatsaka ny mba hahafantatra ny zavatra izay tiany hataonao.

Fiovan-dalana

Sary
Lamosin’ny zazavavy iray eo amin’ny filalaovam-baolina kitra, miaraka amin’ny baolina kitra eny an-tanany, mibanjina tanjona.

Manodina kanety na baolina iray eo amin’ny tany. Mariho ny hafainganam-pandehany sy ny lalana izay izorany.

  • Inona no mahatonga ilay kanety na ilay baolina hiova lalana?

  • Raha ampitahaina amin’ny olona iray ilay zavatra nahodina, inona no antony mety mahatonga ny olona iray hiova ho tsara kokoa sy hanova ny lalam-piainany? Inona avy ireo antony sasantsasany izay mety ahafahan’izy ireo manao izany?

Eritrereto ny zotran’ny lalam-piainanao manokana. Amin’ny fomba ahoana no ahatsapanao ny fitiavana sy ny fankasitrahan’ny Tompo? Mety misy fiovana izay asain’ny Tompo ataonao ve eo amin’ny zotran’ny lalam-piainanao? Mikatsaha fanambarana ho an’ireo fanontaniana ireo rehefa mandalina ity lesona ity ianao.

“Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy?”

Nanampy lehilahy iray antsoina hoe Saoly mba hanova ny fiainany ny Tompo. Tany am-boalohany, i Saoly dia Fariseo izay “nanimba ny fiangonana” (Asan’ny Apostoly 8:3). Nankasitraka ny fahafatesan’i Stefana mpianatr’i Jesoa izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 7:58; 8:1; 22:20) ary “nogadraina sy nokapohina tao amin’ny synagoga izay nino [ny Tompo]” (Asan’ny Apostoly 22:19).

1. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa manaraka ity:

Zarao roa ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, ka asio lohateny hoe “Ny fomba nanampian’ny Tompo an’i Saoly hiova” ny lafiny iray. Asio lohateny hoe “Ny valintenin’i Saoly tamin’ny Tompo” ny ilany iray hafa. Vakio ny andininy iray na maromaro amin’ny zavatra izay niainan’i Saoly teny an-dalana rehefa hankany Damaskosy, ary fenoy ny tabilao mifototra amin’ny zavatra izay hitanao.

Azonao atao ihany koa ny mijery ny horonan-tsary “The Road to Damascus (Ny lalana mankany Damaskosy)” (5:21), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Mifototra amin’ny zavatra izay nosoratanao tao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, dia eritrereto hoe inona no fahamarinana na lesona izay nianaranao avy tamin’ity tantara ity.

Maniry ny fiovantsika ny Tompo

Makà fotoana hieritreretana momba ny olona iray izay fantatrao fa niova ny fiainany noho ny fitaoman’i Jesoa Kristy.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no nisarihan’i Jesoa Kristy io olona io mba hiova?

Mba hahitana ohatra iray momba ny olona izay niova, dia jereo ilay horonan-tsary hoe “His Grace: Change Is Possible through Christ” (3:29), ary tadiavo ny fomba izay nanampian’ny Tompo ilay lehilahy iray antsoina hoe Kenny hanova ny zotran’ny lalam-piainany. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ho an’i Saoly, izay fantatra koa amin’ny anarany latinina hoe Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 13:9), dia nanova tanteraka ny fiainany ny fanarahana ny fitarihan’ny Tompo. Tsy nanenjika ny Kristianina intsony i Paoly fa lasa mpianatra mahatoky an’i Jesoa Kristy. Nandeha nitety firenena maro i Paoly tamin’ny naha-misiônera azy ary nanoratra taratasy fampaherezana sy fampianarana ho an’ireo Olomasina. Ny efatra ambin’ny folo amin’ireo taratasy ireo dia hita ao amin’ny Testamenta Vaovao avokoa (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, Paoly,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org. Ny fanapahan-kevitra izay noraisin’i Paoly hanaraka an’i Jesoa Kristy dia tsy mitsahatra ny mitahy olona tsy tambo isaina ankehitriny.

Ity sary torohay ity dia hampiseho aminao ny sasany amin’ireo tranga lehibe izay nitranga teo amin’ny fiainan’i Paoly sy ny dia fitoriana ny filazantsara izay nataony. Mety hanampy ny famerenana mijery izany matetitetika rehefa mandalina ny zavatra izay niainan’i Paoly sy ny asa sorany.

Mahafantatra antsika ihany koa ny Tompo ary manasa antsika mba hanisy fiovana eo amin’ny fiainantsika. Mety ho fanitsiana lehibe ireo, nefa mety ho fiovana kely fotsiny ihany koa.

2. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa manaraka ity:

Makà pejy iray hafa vaovao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, ary zarao roa mitovy tsara ka asio lohateny ny ilany iray hoe “Ahoana no fomba anasan’ny Tompo ahy hiova” ary ny ilany iray indray kosa hoe “Ny valinteniko amin’ny Tompo.” Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao hanoratra ny valiny ao anaty diary fandalinanao soratra masina eo ambanin’ny hoe “Ahoana no fomba anasan’ny Tompo ahy hiova.”

  • Na dia tsy niseho taminao tao amin’ny fahitana aza ny Tompo, dia inona ny zavatra nataony, na inona ny zavatra izay ataony mba hanampy anao hitondra fiovana tsara eo amin’ny fiainanao?

  • Iza no nirahiny hanampy anao hiova ho tsara kokoa?

Eo ambanin’ny hoe “Ny valinteniko amin’ny Tompo,” dia manorata mikasika ny fomba tianao hamaliana ny ezaka izay ataon’ny Tompo mba hanampiana anao hiova ho amin’ny tsaratsara kokoa.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Asan’ny Apostoly 9:5. Inona no dikan’ny hoe “manipaka ny fanindronana”?

Ny lefona maranitra na tehina dia matetika enti-manesy ny biby mba handroso. Ny biby izay mihetsika amin’ny alalan’ny daka fa tsy mandroso dia mety hiteraka fanaintainana bebe kokoa ho an’ny tenany. Tamin’ny alalan’ny fampiasana io fanoharana io, no nanampian’ny Tompo an’i Saoly mba hahita fa ny ady Aminy dia hitondra fanaintainana ho an’ny tenany ihany.

Inona no fiovana mety hangatahin’ny Tompo mba hataoko?

Rahavavy Becky Craven, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany, dia nampianatra hoe:

Sary
Rahavavy Rebecca L. Craven, mpanolotsaina faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany. Sary ôfisialy ôktôbra 2018.

Mety ho fiovan’ny fisainana izany, fiovan’ny fahazarana na fanovana ny lalana izay hizorantsika. Ho valin’ny fanefany ilay sarany tsy hay sandaina ho antsika tsirairay avy, dia mangataka antsika hiova fo ny Tompo. Tsy ho tombontsoa ho Azy ilay fiovana angatahiny fa ho antsika.

(Becky Craven, “Tazony ny fiovana,” Liahona, nôv. 2020, 58)

Inona ny zavatra tokony ho takatro momba ny safidiko sy ny lalam-piainako?

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nalaina tamin’ny Janoary 2018.

Tsy miraharaha loatra ny toerana izay nisy, na misy anao Andriamanitra, fa ny toerana izay tianao haleha amin’ny alalan’ny fanampiany.

(Jeffrey R. Holland, “The Best is Yet to Be,” Ensign, Jan. 2010, 27)

Nampianatra toy izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Tian’i Satana isika hieritreritra hoe rehefa nanota dia efa nihoatra an’ilay “fotoana tsy ahafahana miverina intsony” —ary efa tara loatra raha hanova ny lalantsika. …

Tonga mba hamonjy antsika i Kristy. Raha nanaraka lalan-diso isika, dia manome toky antsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fa … [ny] fiverenana azo antoka dia azo atao raha manaraka ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena antsika isika. …

Ny fanomezam-pahasoavan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manome antsika ny fitahian’ny fibebahana sy famelan-keloka amin’ny fotoana rehetra ary any amin’ny toerana rehetra. Noho izany fanomezana izany, dia omena antsika rehetra ny fahafahana hiverina hieren-doza avy any amin’ilay lalana mahatsiravin’ny fahotana.

(Dieter F. Uchtdorf, “Point of Safe Return,” Liahona, mey 2007, 101.)