Seminera
Asan’ny Apostoly 22–26


Asan’ny Apostoly 22–26

Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly

Sary
I Paoly miresaka amin’ny Mpanjaka Agripa.

Na dia nisedra fanendrikendrehana sy fampijaliana ara-batana aza i Paoly dia tsy nanaiky ny hangina izy. Na dia nifatotra tamin’ny rojo vy sy nentina teo anatrehan’ireo mpitarika sy ny mpanjaka aza i Paoly, dia nizara tamim-pahatokiana ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika nananany momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izy. Ity lesona ity dia natao mba hanampy anao hampitombo ny fanirianao lehibe hanaraka ny ohatra nasehon’i Paoly tamin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany eo amin’ny fiainanao andavanandro. 

Fizarana fijoroana ho vavolombelona

Amin’ny heviny ara-pivavahana na ara-panahy, ny fijoroana ho vavolombelona na ny mijoro ho vavolombelona dia matetika entina hilazana ny fizarana ny finoan’ny tena manokana momba ny fahalalana ara-panahy izay nomen’ny Fanahy Masina (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Mijoro ho vavolombelona ” sy “ Fijoroana ho vavolombelona ”).

  • Oviana ianao no nahatsapa ny herin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao na ny herin’ny fandrenesanao olon-kafa nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany? Inona no fiantraikan’izany taminao?

  • Manao ahoana ny fahavononanao hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’ny hafa? Inona no mety ho antony mahatonga ny olona anankiray hisalasala hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany?

  • Inona no fanontaniana sy olana mety anananao momba ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny hafa mikasika ny finoanao?

Ao amin’ity lesona ity dia handalina ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly momba ny Mpamonjy ianao, ary ny fomba nanovan’ny Mpamonjy ny fiainan’i Paoly. Hianatra ny fihetsika nasetrin’ny hafa tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly ihany koa ianao. Eo am-pandalinanao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy mitahy ny fiainanao rehefa vonona ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba Azy sy ny filazantsarany ianao, na manao ahoana na manao ahoana ny fiheveranao ny tanjaky ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly Apôstôly

Na dia nokapohina, notoraham-bato, ary nogadraina tamin’ny zavatra tsy marina aza i Paoly dia nizara hatrany ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izy. Rehefa mamaky ny tantaran’i Paoly ianao dia alaivo sary an-tsaina ny zavatra izay nitranga tao amin’ilay tantara.

Mianatra maka sary an-tsaina. Ny fakana sary an-tsaina dia anisan’ny fahaizana mandalina soratra masina manan-danja anankiray izay afaka manampy anao hahatsapa ho mifandray kokoa amin’ny zava-nitranga tao amin’ilay tantara ao amin’ny soratra masina. Rehefa maka sary an-tsaina dia eritrereto hoe nanatri-maso ianao nandritra ny fisehon’ilay tantara. Rehefa mamaky ianao dia alaivo sary an-tsaina ireo zavatra hita sy ny feo ary ny fihetseham-po izay mety ho niainanao.

Ity andinin-tsoratra masina manaraka ity dia ahitana ampahany tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly sy ny fihetsik’ireo olona naheno azy. Misafidiana anankiray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hovakina, ary saintsaino ny mety ho fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona nataony teo aminao raha toa ka teo ianao.

Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly

Ny fihetsiky ny olona

Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly

Nofatorana tamin’ny rojo vy i Paoly taorian’ny nisamborana azy tao Jerosalema. Nahazo lalana hitafa amin’ny vahoaka izy raha nijoro teo ivelan’ny lapan’i Antonia.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 22:6–16.

Ny fihetsiky ny olona

Asan’ny Aposoly 22:22–24

Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly

Nosamborina teo ivelan’ny tempolin’i Jerosalema i Paoly ary avy eo dia nentina teo anatrehan’ireo mpitarika Jiosy. Nohadihadian’ireo mpitarika Jiosy izy ary nogadraina avy eo. Henon’ilay Kapiteny Romana nisambotra an’i Paoly fa nisy teti-dratsy nataona andiana Jiosy hifofo ny ain’i Paoly, koa dia nalefany tany Kaisaria i Paoly. Tany Kaisaria dia nahazo lalana hiteny ho fiarovana ny tenany teo anatrehan’i Feliksa governora Romana i Paoly.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:10–16.

Ny fihetsiky ny olona

Asan’ny Apostoly 24:22–27

Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly

Roa taona taorian’ny nigadrany tao an-tranomaizina, dia niseho teo anoloan’ny governora vaovao i Paoly ary nangataka fahafahana hitondra fijoroana ho vavolombelona teo anatrehan’i Kaisara. Nanao fandaminana ny mpanjaka Agripa mba hihaino ny fijoroan’i Paoly ho vavolombelon nialoha ny diany nankany Roma.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 26:1–3, 13–23.

Ny fihetsiky ny olona

Asan’ny Apostoly 26:24–31

1. Ataovy izao manaraka izao:

Soraty ao anaty diary fandalinanao ny zavatra nianaranao. Ataovy izay hampidirana ireto zavatra manaraka ireto:

  • Inona avy ireo zavatra manokana izay nisongadina taminao momba ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?

  • Inona no zavatra nanaitra anao momba an’i Paoly tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Nahoana ianao no mino fa nanam-pahasahiana sy hery hijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy i Paoly teo anatrehan’ireo toe-javatra sarotra toy ireo?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananana na dia mety holavin’ny hafa aza izany?

Vakio ity teny nambara manaraka ity, ary saintsaino ny fomba ahafahan’izany manampy anao hanana herim-po hijoro ho vavolombelona tahaka ny nataon’i Paoly.

Teo am-panantitranterana fa ny fizarana amin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika dia tsy voatery ho tonga lafatra ary mitaky fampiharana, dia nizara izao manaraka izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Na inona na inona fomba voajanahary sy tsotra aminao dia zarao amin’ny hafa ny antony mampanan-danja an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany aminao. …

Aoka ho takatrao fa tsy asanao ny mampiova fo ny olona. Izany no anjara andraikitry ny Fanahy Masina. Ny anjara andraikitrareo dia ny mizara izay ao am-ponareo sy miaina tsy tapaka araka ireo zavatra inoanareo.

(Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, apr. 2019, 17)

2. Ataovy ity sahanasa manaraka ity, ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fanontaniana etsy ambany:

Manaova tabilao misy tsanganana roa ao anatin’ny diary fandalinanao. Ao amin’ny tsanganana iray, dia saintsaino sy raketo ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananao, tafiditra ao anatin’izany ny zavatra niainanao manokana ka nampatanjaka sy nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsaran’ IzyIreo. Ao amin’ilay tsanganana iray hafa kosa, dia raketo izay eritreritra sy fahatsapana mikasika ny fomba ahafahanao mizara izany fijoroana ho vavolombelona anananao izany amin’ny hafa eo amin’ny fiainanao andavanandro, tahaka ny nataon’i Paoly.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Mpamonjy fa Izy dia ohatra eo amin’ny ny fizarana fijoroana ho vavolombelona na inona na inona mety ho valiny na fihetsika asetrin’ny hafa izany? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:25–26).

  • Mety hisalasala na hitebiteby ianao hijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. Ahoana no mety hanampian’izany anao hieritreritra ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy mikasika ireo ezaka ataonao eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba Azy?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Aiza no ahafahako mianatra misimisy kokoa momba ny atao hoe fijoroana ho vavolombelona ary ahoana no hanatanjahako ny fijoroana ho vavolombelona ananako?

Raha mila fanampiana mahakasika ny dikan’ny hoe fijoroana ho vavolombelona sy ny fomba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao dia vakio ny lahatsoratry ny Sujets de l’évangile hoe “Témoignage” (topics.ChurchofJesusChrist.org).

Mba hahitana ohatra mikasika ny fomba nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny hafa dia jereo ny horonan-tsary “Ampitomboy ny fijoroanao ho vavolombelona” (4:59), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Nahoana no zava-dehibe ny ho mahery fo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako?

Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Quentin L. Cook. Nantsoina ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 06 ôktôbra 2007.

Ny hoe “maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:79 ] dia fitsapana tsotra sy manan-danja miantefa amin’ireo izay handova ireo fitahian’ny fanjakana selestialy sy ireo izay ho ao amin’ny fanjakana terestialy ambanimbany kokoa. …

Ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa dia fanampiana goavana iray mankany amin’ny fahamendrehana hahazo ny fahasoavan’ny Mpamonjy sy ny fanjakana selestialy.

(Quentin L. Cook, “Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa,” Liahona, nôv. 2016, 43)

Ahoana no ahafahako mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako amin’ny fomba mahazatra sy voajanahary?

Ho ohatra amin’ny fomba fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’ny fomba mahazatra sy voajanahary dia azonao jerena ilay horonan-tsary “Mizara ny finoanao” (2:02), azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Azonao atao ihany koa ny mijery ny pejin-tranonkala “Share the Gospel: Share Online,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na mamaky ny lahatsoratra “Ministering Principles: How to Share Testimony More Naturally” (Ensign, mar. 2019, 8–11).