Fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika amin’ireo mety ho misiônera
Asaina ireo eveka sy filohan’ny tsatòka mba “hanao tafa sy dinika amin’ny antsipiriany, manadihady ny ara-panahy sy mampivoatra”amin’ny olona tsirairay mirotsaka ho misiônera amin’ny alalan’ny fampiasana ireto fanontaniana manaraka ireto (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 24.4.2).
-
Moa ve ianao manana finoana an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, sy ny Zanany, Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ary manana fijoroana ho vavolombelona momba azy ireo?
-
Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra anao Azy?
Mba zarao amiko ary ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Inona no fiantraikan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainanao?
-
Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?
Tamin’ny fomba ahoana ny fahatakaranao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny sy ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna no nampiorim-paka ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy?
-
Moa ve ianao manohana ny Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara, ary ho hany olona eto an-tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra?
Moa ve ianao manohana ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara?
Moa ve ianao manohana ireo Manampahefana Ambony hafa sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eto an-toerana?
-
Niteny ny Tompo fa ny zavatra rehetra dia tokony “hatao amin’ny fahadiovana” eo anatrehany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:41).
Nahoana no tafiditra ao anatin’ny fiezahana hadio eo anatrehan’ Andriamanitra ny fanalavirana ny pôrnôgrafia?
Araka ny fahatakaranao, inona no dikan’ny hoe miaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?
Moa ve ianao miezaka ny hanana fahadiovan-tsaina amam-panahy ao anatin’ny eritreritrao sy eo amin’ny fitondrantenanao?
Moa ve ianao manaja ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?
-
Moa ve ianao manaraka ireo fampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fitondrantena asehonao amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao sy ireo olon-kafa rehefa tsy misy mahita na misy mahita?
-
Moa ve ianao manohana na mampiely fampianarana, na fomba fanao, na fotopampianarana izay mifanohitra amin’ireo izay hita ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?
-
Moa ve ianao miezaka ny mitandrina ny andro Sabata ho masina any an-tokantrano sy any am-piangonana, manatrika ireo fivorianao, miomana amin’ny fanasan’ny Tompo sy mandray izany amim-pahamendrehana, ary miaina fiainana izay mifanaraka amin’ireo lalàna sy ireo didin’ny filazantsara?
-
Moa ve ianao miezaka ny ho marin-toetra amin’ny zavatra rehetra ataonao?
-
Moa ve ianao mpandoa fahafolonkarena feno?
-
Araka ny fahatakaranao, inona no dikan’ny hoe miaina ny Tenin’ny Fahendrena?
Moa ve ianao manaja ny Tenin’ny Fahendrena?
-
Amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana feno anao dia hiaina mifanaraka amin’ireo fenitra izay noresahantsika ireo ve ianao?
-
(Tsy apetraka ity fanontaniana ity rehefa manao tafa sy dinika amin’ny mpikambana tsy mbola nandray ny fanafiana masina.) Moa ve ianao manaja ireo fanekempihavanana nataonao tany amin’ny tempoly?
-
(Tsy apetraka ity fanontaniana ity rehefa manao tafa sy dinika amin’ny mpikambana tsy mbola nandray ny fanafiana masina.) Moa ve ianao manaja ny tombontsoa masina anananao mba hanao ny garmenta araka ny torolalana nomena nandritra ny ôrdônansy fiomanana? (Vakio amin’ny mpikambana tsirairay ilay fanambarana momba ny “Fanaovana ny garmentan’ny tempoly” izay nampiarahana amin’ity etsy ambany.)
-
Midika inona aminao ny hoe mibebaka, anisan’izany ny fibabohana fahotana goavana amin’ireo manampahefana ao amin’ny fisoronana?
Moa ve misy fahotana goavana eo amin’ny fiainanao izay tokony hovahana miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, izay tafiditra ao anatin’ny fibebahana ataonao?
-
Moa ve ianao mihevitra ny tenanao ho mendrika ny hisolo tena an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny amin’ny maha-misiônera anao?
Fanaovana ny garmentan’ny tempoly
“Ny garmentan’ny fisoronana masina dia mampahatsiahy antsika ny voaly ao amin’ny tempoly, ary io voaly io dia fanehoana an’ohatra an’i Jesoa Kristy. Rehefa mitafy ny garmentanao ianao, dia mitafy tandindona masin’i Jesoa Kristy. Ny fitafiana izany dia fanehoana ety ivelany ny fanoloran-tenanao ao anaty hanaraka Azy. Ny garmenta koa dia fampahatsiahivana ireo fanekempihavanan’ny tempoly. Tokony hitafy ny garmenta andro aman’alina mandritra ny fiainanao ianao. Rehefa tsy maintsy esorina izany ho an’ireo fiaraha-mientana izay hita fa tsy azo hitafiana ny garmenta dia ezaho ny hamerina izany faran’izay haingana. Rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataonao ianao, isan’izany ny tombontsoa masina hanao ny garmenta araka ny torolalana nomena nandritra ny ôrdônansy fiomanana, dia hahazo misimisy kokoa amin’ny famindram-po, ny fiarovana, ny tanjaka, ary ny herin’ny Mpamonjy ianao” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 26.3.3.2).