Fanofanana momba ny fandaharam-pampianarana
Fanofanana - Taranja Vatofehizoro


Sary
Japan: Osaka Institute

Fanofanana - Taranja Vatofehizoro

TONGA SOA

Tonga soa eto amin’ny fampianarana ny taranja Vatofehizoro amin’ny Institiota! Misaotra anao nanaiky ilay fahafahana hanampy ny mpianatrao hampahalalina ny fiovam-pony ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.

MIALOHA NY HAMPIANARANA

Mialoha ny hampianaranao dia :

  • Avereno jerena ny “Torolalana fohy ahafahana manomboka” ho an’ny fampianarana ireo taranja Vatofehizoro.

  • Halalino tsara ny teny fampidirana ao amin’ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra.

  • Mandamina fotoana miaraka amin’ny mpandrindra na ny talen’ny institiota mba hifanakalozana hevitra momba ny asa ampanaovina anao, ireo mpianatra sy ny taranja, ary izay mety ho fanontaniana anananao.

  • Mivavaha mba hahazo fitarihana hanampiana ireo mpianatrao hanatona an’i Kristy sy hitovy kokoa Aminy.

IREO TANJON’NY FIOFANANA MITOHY

Maro ireo fitsipika sy fahaiza-manao izay manan-danja ho an’ny fampianarana mahomby. Azonao atao ny manohy mandalina ireo fitsipika sy mampihatra ireo fahaiza-manao nampianarina tao amin’ny boky torolalana an’ny seminera sy institiota. Ho an’ny tanjon’io fiofanana mitohy io dia misy fahaiza-manao fototra mifandray amin’io fampianarana ny taranja Vatofehizoro amin’ny Institiota io izay hofaritana sy haseho amin’ny ohatra ary hanaovana fanazaran-tena mba hanampiana anao hifehy ny taranja sy ny fandaharam-pampianarana. Ireo fahaiza-manao ireo dia hanampy anao hanome traikefa mampiorina sy mampiova fo ho an’ny mpianatra eo am-pikatsahanao hanampy azy ireo hiomana, handray anjara ary handray andraikitra hanampiana azy ireo hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy Jesoa Kristy.

Sary
Act - Engage - Prepare Graphic
  • Miomana: Hatsarao ny fiomanan’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanasana.

  • Mandray anjara: Ampandraiso anjara ny mpianatra amin’ny fampiasana ny fiomanana nataon’izy ireo.

  • Mandray andraikitra: Hamafiso ny fampiharana.

Sary
Man studying the scriptures.

FAHAIZA-MANAO: MANATSARA NY FIOMANAN’NY MPIANATRA AMIN’NY ALALAN’NY FANASANA

Inona no hataonao hanatsarana ny fiomanan’ny mpianatra mba hampivoarana ny traikefam-pianaran’izy ireo?

Sary
Prepare Graphic

Vakio iray manontolo ireto fizarana ireto ary araho ireo torolalana.

Sary
Icon: Define

MAMARITRA

Ao amin’ny taranja Vatofehizoro, ny Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia natao hohalalininao sy ny mpianatrao mba hanomanana ny fotoam-pianarana. Ny tahirin-kevitra hoenti-manomana dia ahitana fanasana hanatsara ny fiomanan’ny mpianatra sy ny mpampianatra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy ny zavatra atao izay natao hanampy amin’ny fanamafisana orina ny fianarana ao an-dakilasy sy any ivelan’ny kilasy. Ireo fanasana tsirairay ireo dia nampiarahana tamina sary famantarana mba hanampiana anao hahita ny fomba sy ny fotoana hampiasana ireo fanasana ireo, ary ny fomba azonao hiaingana avy amin’izany ao an-dakilasy.

Sary
Icon: Model

MANOME OHATRA

Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ireo fanasana hiomana izay mety ho hitanao ao amin’ny fandaharam-pampianarana:

Sary
A graphic symbol of a person with a thought bubble above him

Manaova fisaintsainana mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ohatra: “Inona no zavatra niainana izay nanampy anao ho tonga amin’ny fahafantarana fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna?”

Sary
A person reading the scriptures icon.

Manaova fandalinana mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ohatra: “Nampianatra ny vahoaka momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy i Almà. Vakio ny Almà 7:11–13.”

Sary
Writing on a piece of paper with a pen or pencil.

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Ohatra: “Soraty ao amin’ny diarinao na eo amin’ny faritra malalaka ny fahamarinana vitsivitsy izay manan-danja aminao avy amin’ireo soratra masina sy fampianarana ato amin’ity fizarana ity ary koa izay mety ho eritreritra sy fanontaniana hafa anananao. Tongava mianatra miaraka amin’ny fahavononana hizara ireo fahamarinana hitanao sy izay hevi-baovao hitanao.”

Sary
Two text/quote boxes meant to depict communication or discussion.

Mifanakaloza hevitra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ohatra; “Miaraka amin’ny fanampian’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray, mitadiava fomba azo hampiharana amin’izao fotoana izao ireo fitsipika hitanao ao amin’ireo andininy ireo. Tongava mianatra, vonona hizara ny zavatra nianaranao.”

Sary
A symbol of a man walking - there is an arrow pointing away

Mandraisa andraikitra avy amin’izay zavatra nianaranao

Ohatra: “Inona no hataonao ato anatin’ireo andro sy herinandro ho avy mba hanompoana ny hafa tahaka izay nataon’i Jesoa Kristy?”

Hitanao ankehitriny ny fomba nanampian’ny fandaharam-pampianarana anao hanatsara ny fiomanan’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanasana, ka manaova fanazaran-tena mikaroka sy mampiasa ireo fanasana ao anatin’ny fandaharam-pampianarana.

Sary
Icon: Practice

MANAZATRA TENA

Ataovy ireto dingana manaraka ireto ho fanazaran-tena amin’ny fitadiavana sy fampiasana ireo fanasana ireo mba hanatsarana ny fiomanan’ny mpianatra.

  1. Makà lesona iray ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny taranja izay efa ampianarinao na ho ampianarinao ary karohy ireo fanasana hanomana aseho ao.

  2. Mifidiana iray amin’ireo fanasana ireo.

  3. Eritrereto hoe mety ho toy ny ahoana io zavatra atao io eo amin’ny fiomanan’ny mpianatra. Saintsaino izay mety ho fiantraikan’io fanasana hiomana io eo amin’ny zavatra iainan’ny mpianatra mialoha sy mandritra ny fotoam-pianarana. Eritrereto ny fomba azonao hanasana ireo mpianatra hiomana ho amin’ny fotoam-pianarana manaraka amin’ny fanampiana ireo mpianatra hamantatra ireo fanasana hiomana ireo.

  4. Mitadiava fanasana hiomana iray hafa, ary avereno indray io fanazaran-tena io.

Ny fahazaranao sy ny fahombiazanao eo amin’ny fampiasana ireo fanasana hiomana dia hanampy anao hifantoka amin’ny mpianatra ary hanatsara ny fiomanan’izy ireo handray traikefam-pianarana lalina kokoa.

Sary
Icon: Incorporate

MAMPIDITRA

Eo am-piezahanao hanatsara ny fiomanan’ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fanasana, dia eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba ahafahanao mampiditra ny zavatra nianaranao avy amin’ireo fanazaran-tena ireo rehefa mampianatra ianao?

  • Inona no azonao atao mba hanohizana ny fanaovana fanazaran-tena amin’io fahaiza-manao io mba ho afaka hivoatra ianao amin’ny maha-mpampianatra anao?

Sary
Icon: Discuss

MIFANAKALO HEVITRA

Raketo ny zavatra nianaranao avy tamin’ity traikefa ity.

Sary
A series of images taken at the Antofagasta Institute of Religion. Young adult men and women can be see taking part in class and interacting with the instructor and with each other.

FAHAIZA-MANAO: MAMPANDRAY ANJARA NY MPIANATRA AMIN’NY ALALAN’NY FAMPIASANA NY FIOMANANA NATAON’IZY IREO

Ahoana no fomba hampandraisanao anjara ny mpianatrao amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nohalalin’izy ireo sy nianarany ary tsapany nandritra ny fiomanana ho an’ny fotoam-pianarana?

Sary
Engage Graphic

Vakio iray manontolo ireto fizarana ireto ary araho ireo torolalana.

Sary
Icon: Define

MAMARITRA

Ny fandaharam-pampianarana ao anatin’ny taranja Vatofehizoro iray manontolo dia hanampy anao hatoky sy hampiasa ny fiomanana nataon’ny mpianatra. Ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra dia ahitana fitaomana handray anjara maro izay manasa ny mpianatra hijery, hitadidy, hampifandray, hizara ny fiomanan’izy ireo, sy ny sisa mba hampahatsiahivana sy hamporisihana anao hampiasa ny fahatakaran’ny mpianatra sy ny fiomanany hitarihana ny traikefan’ny kilasy.

Sary
Icon: Model

MANOME OHATRA

Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ireo fitaomana handray anjara ireo izay mety ho hitanao ao amin’ny fandaharam-pampianarana:

  • “Asao ny mpianatra hitantara ny zavatra tsaroan’izy ireo mikasika io toe-javatra io tamin’ny fanomanana ny fotoam-pianarana izay nataony.”

  • “Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nasaina izy ireo hanisy marika ireo fahamarinana izay manan-danja aminy ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny lesona. Omeo fotoana kely ny mpianatra hijerena ireo soratra masina sy fampianarana avy amin’ny mpaminany izay nasian’izy ireo marika tao amin’io fizarana io. Asao izy ireo hizara ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny iray kilasy.”

  • “Avelao ny mpianatra hifanakalo hevitra mandritra ny minitra vitsivitsy ao anaty vondrona kely maromaro mikasika ny fomba hampiasan’izy ireo ny zavatra nianarany tamin’ny fanomanany mba hanampiana ireo namany.”

Efa hitanao ankehitriny ny fomba nanampian’ny fandaharam-pampianarana anao hampiasa ny fiomanan’ny mpianatra, ka manaova fanazaran-tena amin’ireo fitaomana handray anjara ao anaty fandaharam-pampianarana ireo.

Sary
Icon: Practice

MANAZATRA TENA

Ataovy ireto dingana manaraka ireto ho fanazaran-tena amin’ny fitadiavana sy fampiasana ireo karazana fitaomana handray anjara mba hahafahana mampiasa ny fiomanan’ny mpianatra.

  1. Makà lesona iray ao amin’ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra ho an’ny taranja izay efa ampianarinao na ho ampianarinao ary karohy ireo fitaomana handray anjara aseho ao.

  2. Mifidiana iray amin’ireo fitaomana ireo.

  3. Eritrereto hoe mety ho toy ny ahoana io zavatra atao io raha atao ao an-dakilasy. Saintsaino ny mety ho fiantraikan’ny fampiasana io fitaomana handray anjara io amin’ny zavatra iainan’ny mpianatra.

  4. Mitadiava fitaomana handray anjara hafa ary avereno indray io fanazaran-tena io.

Ny fahazaranao sy ny fahombiazanao amin’ny fampiasana ireo fitaomana handray anjara ireo dia hanampy anao hifantoka amin’ny mpianatra sy hampandray anjara azy ireo amin’ny traikefam-pianarana lalina kokoa.

Sary
Icon: Incorporate

MAMPIDITRA

Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto eo am-panaovanao asa hampitombo ny fandraisan’anjaran’ny iray kilasy amin’ny alalan’ny fampiasana ny fiomanan’ny mpianatra:

  • Ahoana no fomba ahafahanao mampiditra ny zavatra nianaranao avy amin’ireo fanazaran-tena ireo rehefa mampianatra ianao?

  • Inona no azonao atao mba hanohizana ny fanaovana fanazaran-tena amin’io fahaiza-manao io mba hahafahanao mivoatra amin’ny maha-mpampianatra anao?

Sary
Icon: Discuss

MIFANAKALO HEVITRA

Raketo ny zavatra nianaranao avy tamin’ity traikefa ity.

Sary
Young adults helping an elderly woman.

FAHAIZA-MANAO: MANAMAFY NY FAMPIHARANA

Ahoana no hanamafisanao ny fampiharana ao amin’ny kilasinao? Inona no hataonao mba hanentanana ny mpianatrao handray andraikitra amin’ny zavatra izay nianaran’izy ireo?

Sary
Act Graphic

Vakio iray manontolo ireto fizarana ireto ary araho ireo torolalana.

Sary
Icon: Define

MAMARITRA

Ny fiomanana mahomby ataon’ireo mpianatra sy mpampianatra mialoha ny fotoam-pianarana dia manome fotoana kokoa mandritra ny kilasy mba hanampiana ireo mpianatra hamaritra fomba hiainana araka ny fahamarinana izay hitan’izy ireo tao amin’ny lesona. Natao hanorenana ny fiomanan’ny mpianatra ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra ary hanampy amin’ny fampitomboana ny tanjaky ny mpianatra sy ny fahaizany handray andraikitra amin’ny fomba izay hanampy azy ireo hitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sary
Icon: Model

MANOME OHATRA

Ireto misy ohatra vitsivitsy maneho fifanakalozan-kevitra mifototra amin’ny fampiharana sy fanasana izay mety ho hitanao ao amin’ny fandaharam-pampianarana Vatofehizoro:

  • “Apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona avy ireo fomba sasany izay nandraisanao sy ny fianakavianao anjara tamin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly? Inona avy ireo fitahiana azonareo noho ny fanaovana izany? Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hieritreritra olona iray azon’izy ireo angatahana mba hanoro azy ireo ny fanaovana tantaram-pianakaviana. Raha misy mpianatra efa havanana amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana dia asao izy ireo hanoro olona hafa ao an-dakilasy.”

  • “Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana sy hiraketana an-tsoratra ny eritreriny momba ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny fomba ahoana no hahatonga ahy havitrika kokoa ato amin’ny Fiangonana sy havitrika kokoa mba hanampy amin’ny fanatanterahana ireo tanjony?”

  • “Asehoy ity fanontaniana manaraka ity: Inona no hataoko mba hanasana ny herin’i Jesoa Kristy hiasa feno kokoa eo amin’ny fiainako? Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ombam-bavaka an’io fanontaniana io sy hanoratana valinteny iray ao amin’ny diariny na ny kahie fandraisany an-tsoratra. Eo am-pandalinan’izy ireo dia hevero ny hampiseho teny avy amina mpaminanin’ny andro farany iray mba hamporisihina azy ireo amin’ny fomba manokana hanasa ny herin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainan’izy ireo.”

Efa hitanao ankehitriny ny fomba hanampian’ny fandaharam-pampianarana anao hanamafy ny fampiharana, ka manaova fanazaran-tena manao ireo zavatra atao hoenti-mampianatra ao anaty fandaharam-pampianarana.

Sary
Icon: Practice

MANAZATRA TENA

Ataovy ireto dingana manaraka ireto ho fanazaran-tena amin’ny fitadiavana sy fampiasana ireo zavatra atao hoenti-mampianatra mba hanamafisana ny fampiharan’ny mpianatra.

  1. Makà lesona iray ao amin’ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra ho an’ny taranja izay efa ampianarinao na ho ampianarinao ary karohy ireo zavatra atao hoenti-mampianatra izay aseho ao.

  2. Misafidiana iray amin’ireo zavatra atao hoenti-mampianatra ireo ary vakio amim-pitandremana kokoa ilay zavatra atao sy ireo fanontaniana mifandray amin’ny fampiharana.

  3. Saintsaino ny mety ho fiantraikan’ny fampiasana io zavatra atao hoenti-mampianatra io na ireo fanontaniana napetraka eo amin’ny zavatra iainan’ny mpianatra.

  4. Avereno io fampiharana io amin’ny alalan’ny fisafidianana lesona iray hafa ao amin’ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra sy ny famantarana ireo zavatra atao hoenti-mampianatra, izay manampy hanamafy ny fampiharana.

Ny fahazaranao sy ny fahombiazanao eo amin’ny fampiasana ireo fifanakalozan-kevitra mifototra amin’ny fampiharana dia hanampy anao hifantoka amin’ny mpianatra ary afaka manampy azy ireo hitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sary
Icon: Incorporate

MAMPIDITRA

Eo am-piezahanao hanentana ireo mpianatra sy hanamafy ny fampiharana dia eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Ahoana no fomba ahafahanao mampiditra ny zavatra nianaranao avy amin’ireo fanazaran-tena ireo rehefa mampianatra ianao?

  • Inona no azonao atao mba hanohizana ny fanaovana fanazaran-tena amin’io fahaiza-manao io mba ho afaka hivoatra ianao amin’ny maha-mpampianatra anao?

Sary
Icon: Discuss

MIFANAKALO HEVITRA

Raketo ny zavatra nianaranao avy tamin’ity traikefa ity.

FAMINTINANA

Misaotra anao indray nanaiky ilay fahafahana hanampy ny mpianatrao hampitombo ny fiovam-pony ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.

Tsarovy:

  • Hitari-dalana anao ny Tompo eo am-pikatsahanao ny hanampy ireo mpianatra hanatona an’i Kristy sy hitovy kokoa Aminy.

  • Afaka manampy anao hamaly ireo fanontaniana sy olana mety anananao ny mpandrindra na ny talen’ny institiota any amin’ny misy anao.

  • Ny fahaiza-manao izay nofaritana, nanomezana ohatra sy nanaovana fanazaran-tena tao anatin’ity fiofanana ity dia afaka manampy anao hahomby kokoa amin’ny fampiasana ny fandaharam-pampianarana mba hitahiana ny mpianatrao. Ireo fahaiza-manao ireo dia hanampy anao hanome traikefa mampiorina sy mampiova fo ho an’ny mpianatra eo am-pikatsahanao hanampy azy ireo hiomana, handray anjara ary handray andraikitra hanampiana azy ireo hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy Jesoa Kristy.

Sary
Act - Engage - Prepare Graphic