“0. Topimaso fampahafantarana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“0. Topimaso fampahafantarana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
0.
Topimaso fampahafantarana
0.0
Teny fanolorana
Nampianatra ny Tompo hoe: “Aoka ny olona tsirairay hianatra ny andraikiny ary hiasa amin’ny zotom-po rehetra ao amin’ny anjara fanompoana izay anendrena azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:99). Amin’ny maha-mpitarika anao ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia tokony hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana ianao hanampy anao hianatra sy hanatanteraka ireo andraikitra mifandraika amin’ny antsonao.
Ny fandalinana ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany dia hanampy anao hahatakatra ny andraikitrao sy hanatanteraka izany. Rehefa mandalina ny tenin’ Andriamanitra ianao dia ho mora kokoa aminao ny mandray ny fitaoman’ny Fanahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85).
Mianatra ny andraikitrao ihany koa ianao amin’ny alalan’ny fandalinana ny toromarika ao amin’ity boky torolalana ity. Ireo torolalana ireo dia afaka manamora ny fahazoana fanambarana raha toa ka ampiasaina mba hahatakarana ireo fitsipika sy lalàna ary fomba fiasa ampiharina rehefa mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy.
0.1
Ny Boky torolalana
Ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Faranydia manolotra taridalana ho an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana maneran-tany sy eo an-toerana.
Ireo lohateny sy fanampin-dohateny ao anatin’ity boky torolalana ity dia misy laharana mba hahamora ny fitadiavana ireo lohahevitra sy ho mora hiverenana. Ohatra, omena ao amin’ny 27.3.1 ireo torolalana momba ny olona azo fehezina any amin’ny tempoly. Ny tarehimarika 27 dia manambara ny toko, ny tarehimarika 3 dia manambara fizarana iray ao amin’io toko io, ary ny tarehimarika 1 dia manambara zana-pizarana.
0.2
Fampifanarahana amin’ny zava-misy sy loharanon-kevitra azo isafidianana
Tsy voatery hitovy avokoa ny zavatra ilaina any amin’ny tsatòka sy paroasy rehetra.
Ireo mpitarika dia mikatsaka ny fitaomam-panahy mikasika izay torolalana sy loharanon-kevitra azo isafidianana ho ampiasaina mba hikarakarana ny zavatra ilain’ireo mpikambana.
0.4
Fanontaniana mikasika ny toromarika
Rehefa misy fanontaniana mipetraka ka tsy voaresaka ao amin’ny soratra masina na ny tenin’ireo mpaminany velona, na ao amin’ity boky torolalana ity, dia tokony hiantehitra amin’ny fanekempihavanan’izy ireo tamin’ Andriamanitra ireo mpikambana, sy amin’ny torohevitr’ireo mpitarika eo an-toerana, ary ny fitaoman’ny Fanahy mba hahazoana fitarihana.
Raha manana fanontaniana mikasika ny fampahalalana hita ao amin’ity boky torolalana ity ireo mpitarika, na mikasika olana izay tsy voaresaka ato, dia tokony hifanakalo hevitra amin’izay manampahefana miahy azy ireo mivantana izy ireo.
0.5
Teny ampiasaina
Ankoatra ireo tranga voafaritra mazava hoe tsy mihatra:
-
Ireo teny hoe eveka sy episkôpà ao amin’ity boky torolalana ity dia mahafaoka ihany koa ny filohan’ny sampana sy ny fiadidian’ny sampana. Ireo teny hoe filohan’ny tsatòka sy fiadidian’ny tsatòka dia mahafaoka ihany koa ny filohan’ny distrika sy ny fiadidian’ny distrika. Mba hahitana famintinana mikasika ny maha samy hafa ny fahefana hazonin’ireo filohan’ny distrika amin’ny an’ireo filohan’ny tsatòka dia jereo ny 6.3.
-
Ny firesahana ny paroasy sy tsatòka amin’ny ankapobeny dia mihatra ihany koa amin’ireo sampana, sy distrika ary misiôna.
-
Ny firesahana ny hoe Alahady dia mihatra amin’izay andro hitandremana ny Sabata any an-toerana.
-
Ny teny hoe rantsana dia manambara ny paroasy sy ny sampana.
-
Ny firesahana ny hoe ray aman-dreny mazàna dia mihatra ihany koa amin’ireo mpiantoka voatendrin’ny lalàna.
Ny antson’ny eveka sy filohan’ny sampana dia tsy tena mitovy raha ny fahefany sy ny andraikiny, toy izany koa ny antson’ny filohan’ny tsatòka sy ny filohan’ny distrika. Anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana ny eveka ary ny Fiadidiana Voalohany ihany no manome lalana ny fanendrena. Ireo filohan’ny tsatòka dia antsoin’ny Manampahefana Ambony sy ny Fitopololahin’ny Vondromparitra.
0.6
Fifandraisana amin’ny Foiben’ny Fiangonana na ny Biraon’ny Vondromparitra
Ny toko sasantsasany ao amin’ity boky torolalana ity dia ahitana toromarika ny amin’ny tokony hifandraisana amin’ny foiben’ny Fiangonana na ny biraon’ny Vondromparitra. Ny toromarika hoe tokony hifandray amin’ny foiben’ny Fiangonana dia mihatra ho an’ireo izay any Etazonia sy Kanadà. Ny toromarika hoe tokony hifandray amin’ny biraon’ny Vondromparitra dia mihatra ho an’ireo izay any ivelan’i Etazonia sy Kanadà.