Avia, hanaraka Ahy
Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga


“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga,Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga,Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
kilasin’ny Kilonga milalao kilalao

Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga

Miomana hampianatra ao amin’ny Kilonga

Ny fandalinana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana no tokony ho ivon’ny fianarana ny filazantsara. Miantefa aminao sy amin’ireo ankizy ampianarinao izany. Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia atombohy amin’ny fanananao ny traikefanao manokana amin’ny soratra masina izany. Ny fiomananao manan-danja indrindra dia hitranga rehefa mandalina ny soratra masina sy mikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao.

Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’ olona sy ny fianakaviana ihany koa dia sady ampahany manan-danja amin’ny fandalinanao manokana no ampahany manan-danja amin’ny fiomananao hampianatra. Hanampy anao hahazo fahatakarana lalina kokoa momba ireo fitsipika mifono fotopampianarana hita ao amin’ny soratra masina izany.

Ho tonga ao aminao mandritra ny fiomananao ireo hevitra sy fahatsapana momba ireo ankizy ampianarinao. Hahazo hevi-baovao ny amin’ny fomba hitahian’ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina ny fiainan’izy ireo ianao. Hotarihina ianao mba hitaona azy ireo hahita ireo fitsipika ireo rehefa mianatra avy ao amin’ny soratra masina samirery sy miaraka amin’ny fianakaviana izy ireo. Tsarovy ny tokony hitandremanao eo anatrehan’ireo ankizy izay mety tsy afaka manao fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina tsy tapaka sy takarivan’ny mpianakavy noho ny toe-java-misy eo amin’ny fianakaviana.

Hevitra hoenti-mampianatra

Eo am-piomananao hampianatra dia mety hahazo fitaomana fanampiny ianao amin’ny alalan’ny fizahana ireo rindran-damina hoenti-mampianatra ato anatin’ity loharano ity. Aza heverina ho toy ny torolalana arahana amin’ny antsipiriany ireo tolo-kevitra ireo fa hevero kosa ho toy ny sosokevitra hahazoanao fanentanam-panahy mora foana ho anao manokana. Fantatrao ireo ankizy ireo, ary mbola hanana fahafahana hahafantatra azy ireo kokoa mihitsy aza ianao rehefa mifanerasera amin’izy ireo ao an-dakilasy. Fantatry ny Tompo ihany koa izy ireo, ary hanome anao ireo fomba tsara indrindra hampianarana sy hitahiana azy ireo Izy.

Maro ireo loharanom-pitaovana hafa azonao ampiasaina eo am-piomanana, anisan’izany ireo hevitra hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana. Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa momba ireo loharano ireo sy ireo loharano hafa dia jereo ny “Loharano fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy” ao anatin’ity loharanom-pitaovana ity.

Zavatra vitsivitsy tokony hotsaroana

  • Manana andraikitra voalohany hampianatra ny zanany ny ray aman-dreny. Amin’ny maha-mpampianatra anao dia manana andraikitra manan-danja ianao mba hanohana, hankahery, ary hanorina fianarana ny filazantsara any an-tokantrano. Aoka ianao hitandrina amin’ireo ankizy izay tsy mampianatra ny filazantsara ao an-tokantranony ny ray aman-dreniny. Ampandraiso anjara ao anatin’ireo fifanakalozan-kevitra mikasika ny filazantsara ny ankizy rehetra na inona na inona toe-javatra misy any an-tokantranony.

  • Tsara ny famerimberenana. Mianatra amim-pahombiazana kokoa ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ny ankizy rehefa averimberina ampianarina amin’ny alalan’ny asa atao isan-karazany ireo fahamarinana ireo. Raha toa ka hitanao fa mandaitra amin’ny ankizy ny asa atao enti-mianatra iray dia avereno izany, indrindra raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao. Azonao atao ihany koa ny mamerina asa atao iray avy tao amin’ny lesona teo aloha.

  • Tian’ny Ray any An-danitra hahomby ianao amin’ny maha-mpampianatra anao. Nanome loharanom-pitaovana maro Izy mba hanampiana anao, anisan’izany ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra. Amin’ireny fivoriana ireny no hahafahanao mifanolotra hevitra miaraka amin’ny mpampianatra hafa momba ireo olana izay atrehinao. Azonao atao koa ny mifanakalo hevitra sy mampihatra fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy.

  • Raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao ka mila fanampiana fanampiny dia jereo ny “Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely” ato anatin’ity loharanom-pitaovana ity.

  • Ity loharanom-pitaovana ity dia ahitana rindran-damina ho an’ny herinandro rehetra anatin’ny taona ankoatra ireo alahady anankiroa hanaovana fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Amin’ireo alahady izay tsy hisian’ny Kilonga noho ny fihaonamben’ny tsatòka na izay mety ho antony hafa dia tokony hanohy hamaky ny Bokin’i Môrmôna ireo fianakaviana any an-tokantrano araka ny fandaharana voalahatra. Mba hihazonana ny kilasin’ny Kilonganao haharaka ny fandaharam-potoana dia azonao atao ny misafidy ny handingana lesona iray na hanakambana lesona roa. Mba hisorohana ny tsy fifankahazoan-kevitra dia azon’ny filohan’ny Kilonga atao mialoha ny manoro hevitra ireo mpampianatra ny amin’ireo fanitsiana ireo.

Sary
fianakaviana mandalina amin’ny alalan’ny fampiasana solosaina