Avia, hanaraka Ahy
12–18 ôktôbra. 3 Nefia 20–26: “Zanaky ny fanekempihavanana ianareo”


“12–18 ôktôbra. 3 Nefia 20–26: -Zanaky ny fanekempihavanana ianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“12–18 ôktôbra. 3 Nefia 20–26,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Kristy niseho tamin’ireo Nefita

Sarin’i Kristy niseho tamin’ireo Nefita nataon’i Andrew Bosley

12–18 ôktôbra

3 Nefia 20–26

“Zanaky ny fanekempihavanana ianareo”

Eo am-pamakianao ny 3 Nefia 20–26, dia “hanadihady ireo zavatra ireo amin’ny fahazotoana tokoa” (3 Nephi 23:1) ianao mba hahitana fahamarinana izay tsapanao fa tokony hozaraina amin’ireo ankizy ao amin’ny kilasinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampitapitao ao an-dakilasy ny sarin’ny Mpamonjy iray. Rehefa mihazona ilay sary ny ankizy tsirairay avy dia asao izy hizara ny zavatra iray nampianarin’i Jesoa na nataony fony Izy namangy ireo vahoaka tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Azon’izy ireo zaraina ny zavatra nianarany tany an-tokantrano na tao amin’ny Kilonga.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

3 Nefia 20:1

Afaka mivavaka ato am-poko aho.

Raha toa ka nianatra momba ny vavaka ny kilasinao tamin’ny herinandro lasa dia azonao atao ny mitrandraka izany lesona izany amin’ny alalan’ny iray amin’ireto asa atao manaraka ireto.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo asehon’ny ankizy aminao ny zavatra ataon’izy ireo rehefa mivavaka. Inona no ataon’izy ireo amin’ny sandriny? ny lohany? ny masony? Hazavao fa indraindray isika dia te hiresaka amin’ny Ray any An-danitra saingy tsy afaka mandohalika na manakatona ny masontsika. Inona no azontsika hatao? Vakio amin’ny ankizy ny ao amin’ny 3 Nefia 20:1: “[I Jesoa] dia nandidy azy ireo ny tsy hitsaharany mivavaka ao am-pony.” Lazao amin’ny ankizy ny fomba hivavahanao ao am-ponao.

  • Manaova sarina vava sy fo eo amin’ny solaitrabe. Asaivo manondro ilay vava ny ankizy ary hilaza aminao ireo zavatra sasany izay lazainy rehefa mivavaka izy ireo. Dia asaivo manondro ilay fo izy ireo avy eo, ary hazavao fa azontsika lazaina ao am-pontsika koa ireo zavatra ireo . Mijoroa ho vavolombelona fa mahafantatra ny zavatra tsapantsika sy ao an-tsaintsika ny Ray any An-danitra.

3 Nefia 24:8–12

Mitondra fitahiana ny fandoavana fahafolonkarena.

Tsy andrasana handoa fahafolonkarena ny ankizy mbola tsy vita batisa. Saingy tsy hoe aloha loatra anefa ny fampianarana azy ireo ny fitsipika sy fitahiana mifandraika amin’io lalàna io.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hijery ilay varavarana ao amin’ny efitra fianarana. Inona no afaka miditra ao amin’ny efitratrano rehefa misokatra ny varavarana? Vakio ny 3 Nefia 24:10, ary hazavao fa rehefa mandoa fahafolonkarena isika dia misokatra ny “varavaran’ny lanitra” ary afaka miditra ao amin’ny fiainantsika ny fitahiana.

  • Mampisehoa vola madinika miisa 10 amin’ny ankizy (na zavatra kely hafa). Asao izy ireo hiaraka hanisa ireo vola madinika aminao. Mijoroa ho vavolombelona fa ny zavatra rehetra ananantsika dia fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra. Atokano ny vola madinika iray ary hazavao fa rehefa mandoa fahafolonkarena isika dia mamerina amin’ny Ray any An-danitra ny iray ampahafolon’ny zavatra azontsika. Mampisehoa sary maneho ny fomba hampiasana ny fahafolonkarena mba hitahiana ny Fiangonan’ny Tompo (toy ny fananganana tempoly, fampielezana ny filazantsara, sy ny sisa; jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 109–10, 118–19).

  • Mihirà hira mikasika ny fahafolonkarena. Mariho ireo andian-teny mampianatra ny antony andoavantsika fahafolonkarena.

3 Nefia 25:5–6

Tian’ny Ray any An-danitra aho hianatra momba ireo razambeko.

Araka ny naminaniana tao amin’ireo andininy ireo dia namerina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny famehezana izay mamela antsika hiaraka amin’ny fianakaviantsika mandritra ny mandrakizay i Elia.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny 3 Nefia 25:6 ary asao ny ankizy hametraka ny tanany eo am-pony isaky ny maheno ny teny hoe “fo” izy ireo. Hazavao fa tian’ny Ray any An-danitra ny “zanaka”—izany hoe isika rehetra—hianatra sy hahatsapa fitiavana ho an’ireo “ray”—dia ny ray aman-drenintsika sy ny raibe aman-drenibentsika ary ireo razambentsika izany.

  • Asao ny ray na renin’ny ankizy anankiray hilazalaza momba ny razambeny. Na lazao amin’ny ankizy ny tantaran’ny iray amin’ireo razambenao; mampisehoa sary raha azo atao. Mijoroa ho vavolombelona fa tian’ny Ray any An-danitra isika hiaraka amin’ny fianakaviantsika mandritra ny mandrakizay, ary izany no antony nanomezany antsika tempoly. Iaraho manao ny hira “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 98).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

3 Nefia 23:1, 5

Afaka manadihady ny soratra masina amim-pahazotoana aho.

Nilaza tamin’ny vahoaka ny Mpamonjy mba hanadihady ny soratra masina, ary te haka antoka Izy fa noraketin’izy ireo ny tenin’ireo mpaminany (jereo ny 3 Nefia 23:1, 5–13; 26:2).

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny mpianatra hamaky ny 3 Nefia 23:1, 5 dia tadiavo ny teny ao izay miverina in-telo. Inona no dikan’ny hoe manadihady ny tenin’ny mpaminany? Inona no mampiavaka ny fanadihadiana amin’ny famakiana fotsiny? Lazao amin’ny ankizy ny fomba fanadihadianao ny soratra masina ary ny zavatra hitanao ao anatin’izany.

  • Omeo karatra kely na taratasy ny ankizy tsirairay ary asao izy ireo hanoratra ny toko sy andinin’ny soratra masina ankafizin’izy ireo indrindra. (Androsoy hevitra izy ireo raha toa ilaina izany.) Avelao izy ireo hifandimby hanafina ny karatrany ao anatin’ny efitrano ka ny ankizy hafa rehetra mandritra izany dia hanapona ny masony avy. Asaivo mitady ilay soratra masina ny ankizy ka rehefa mahita izany izy ireo dia hiaraka hamaky izany. Inona no hitantsika ao amin’io soratra masina io ka manan-danja amintsika?

3 Nefia 24:8–12

Ny fandoavana fahafolonkarena dia manokatra ny varavaran’ny lanitra.

Rehefa mampianatra ny ankizy mikasika ny fahafolonkarena ianao dia manomana azy ireo handray “fitahiana izay tsy hisy ny toerana ampy handraisana izany.” (3 Nefia 24:10).

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Raha mandoa fahafolonkarena aho, ny Tompo dia . Asao ny ankizy hamaky ny 3 Nefia 24:8–12 ary ampio izy ireo hahita andian-teny entina hamenoana io fehezan-teny io. Mizarà zavatra niainana izay nitahiana anao noho ny nandoavanao fahafolonkarena.

  • Manoràta antontam-bola vitsivitsy eo amin’ny solaitrabe ary ampio ny ankizy hanao kajy ny fahafolonkarena (10 isan-jato) tokony homentsika ho an’ny antontam-bola tsirairay Asehoy azy ireo ny fomba famenoana ilay taratasy fenoina rehefa mandoa fahafolonkarena

  • Ampio ny ankizy hitanisa eo amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo fomba hampiasana ny fahafolonkarena mba hitahiana ny Fiangonan’ny Tompo (hananganana tempoly ,hampilezana ny filazantsara, hanontana soratra masina, sy ny sisa. Asaivo manao sary (na hitady sary ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana) maneho ny fomba hitahian’ny fahafolonkarena ny Fiangonana ireo ankizy.

3 Nefia 25:5–6

Tian’ny Ray any An-danitra aho hianatra mikasika ireo razambeko.

Diniho ny fomba hanentananao ny ankizy hikaroka ny razambeny ka rehefa tonga amin’ny fotoana hahafahany mandeha any amin’ny tempoly izy ireo dia afaka manatontosa ôrdônansy isoloana tena ireo razambe ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Teneno ny ankizy fa ny 3 Nefia 25:5–6 dia ahitana faminaniana momba ny zavatra iray izay hitranga amin’ny andro farany. Asao izy ireo hamaky ireo andininy ireo mba hahitana hoe inona izany. Mijoroa ho vavolombelona fa tanteraka io faminaniana io ary asao ny ankizy hamaky momba izany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16 (jereo koa ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 95). Hazavao fa rehefa mianatra momba ireo razambetsika isika ary manao asan’ny tempoly ho azy ireo dia mitodika amin’ny raintsika ny fontsika.

  • Lazao amin’ny ankizy ny momba ny razambenao iray izay maty nefa tsy nanana fahafahana natao batisa. Mampisehoa sary raha azo atao. Mijoroa ho vavolombelona fa tia an’io olona io ny Ray any An-danitra, koa noho izany dia nanomana fomba Izy mba hahafahan’io olona io mandray ny batisa amin’ny alalan’ny asa atao ao amin’ireo tempoly. Asaivo tadiavin’ny ankizy ny andian-teny ao amin’ny 3 Nefia 25:6 izay mety mamariparitra ny fahatsapanao momba ny razambenao.

  • Ampio ny ankizy hameno tetiarana amin’ny alalan’ny anaran’ny ray aman-dreniny sy ny raibe aman-drenibeny. Amporisiho izy ireo hangataka ny ray aman-dreniny mba hanampy anarana misimisy kokoa.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hangataka ny ray aman-dreniny na ny raibe aman-drenibeny mba hilaza tantaran’ny razambeny.

Manatsara ny fampianarantsika

Mianatra amin’ny fomba maro ny ankizy. Tia mianatra amin’ny alalan’ny fomba vaovao sy isan-karazany ny ankizy. Manaova asa izay mamela azy ireo hihetsiketsika, sy hampiasa ny retsipamantarany rehetra ary hanandrana zavatra vaovao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25.)