Avia, hanaraka Ahy
Nahoana isika no manatanteraka fivorian’ny Kôlejy sy ny Fikambanana Ifanampiana?


Nahoana isika no manatanteraka Fivorian’ny Kôlejy sy ny Fikambanana Ifanampiana?

Amin’izao andro farany izao dia naverin’ Andriamanitra tamin’ny laoniny ny fisoronana ary naoriny ireo kôlejin’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampy amin’ny fanatanterahana ny asa famonjeny. Noho izany, isaky ny alahady rehefa miangona ao amin’ireo fivorian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana isika dia mifanakalo hevitra sy manao drafitra ny amin’ny zavatra hataontsika mba hanampiana amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra. Mba hampahomby izany dia mila atao zavatra mihoatra ny fotoam-pianarana tsotra fotsiny ireo fivoriana ireo. Izy ireo dia fotoana ahafahana mifampizara hevitra momba ny asa famonjena sy hiarahana mianatra momba izany asa izany avy amin’ny fampianaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana ary hamolavolana drafitra sy hifandaminana mba hanatanterahana izany.