Liahona
Mino an’i Kristy mialoha ny hahatongavany indray
Aprily 2024


“Mino an’i Kristy mialoha ny hahatongavany indray,” Ho zatovo mahery!, Apr. 2024.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery! aprily 2024

Jarôma

Mino an’i Kristy mialoha ny hahatongavany indray

Nanam-pinoana ireo Nefita nialoha ny nahatongavan’ny Mpamonjy, ary afaka manana finoana isika mialoha ny hahatongavany indray.

Sary
I Jesoa Kristy namangy ny Nefita

Efa mba neritreretinao ve hoe toy ny ahoana izany mino ny Mpamonjy mialoha ny nahatongavany teto an-tany izany? Izany tokoa no tsy maintsy nataon’ny Nefita—”[n]iandrandra ny Mesia sy [n]ino Azy izay ho avy, ho toy ny efa tonga sahady” (Jarôma 1:11).

Ankehitriny isika dia manana raki-tsoratra ara-tsoratra masina sy ara-tantara izay mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia niaina sy maty ary nitsangana indray. Mino Mpamonjy iray izay efa tonga teto isika. Saingy mino Mpamonjy iray izay mbola ho avy indray ihany koa isika.

Mialoha ny nahatongavan’i Jesoa Kristy, ireo Nefita dia nanana finoana ny:

Sary
Mpanjaka Benjamina sy ny vadiny mivavaka

Ho voavela heloka.

“Na zovy na zovy no hino fa ho avy i Kristy, dia handray ny famelana ny fahotany izy ary hifaly amim-pifaliana lehibe izaitsizy tokoa, miova tsy ny efa tonga teo anivony sahady Izy” (Môzià 3:13; nampiana fanamafisana).

Sary
Enôsa

Hamela heloka ny tena.

“Ary nisy feo tonga tamiko, nanao hoe: Ry Enôsa, voavela ny fahotanao. … Noho izany, dia nofafana ny hadisoako. Ary hoy aho: Ahoana no mahatò izany, Tompo ô? Ary hoy Izy tamiko: Noho ny finoanao an’i Kristy izay tsy mbola henonao na hitanao na oviana na oviana. Ary taona maro no ho lasana mialoha ny hanehoany ny tenany ao amin’ny nofo; … ny finoanao no efa namonjy anao.” (Enôsa 1:5–8; nampiana fanamafisana).

Sary
Jakôba mitory

Hanao fahagagana.

“Izahay dia nahalala ny amin’i Kristy, ary nanananay ny fanantenana ny voninahiny, taon-jato maro talohan’ny fiaviany. … Hany ka afaka mibaiko marina tokoa amin’ny anaran’i Jesoa izahay, ka na dia ny hazo aza, na ny tendrombohitra na ny onjan-dranomasina dia mankatò anay” (Jakôba 4:4, 6; nampiana fanamafisana).

Sary
Môrônia manoratra eo amina takelaka

Handray fanambarana.

“Nisy maro izay natanjaka izaitsizy tokoa ny finoany, na dia talohan’ny niavian’i Kristy aza, izay tsy hay notanana taty ivelan’ny voaly, fa nahita marina tokoa tamin’ny masony” (Etera 12:19; nampiana fanamafisana).

Mialoha ny hiverenan’i Jesoa Kristy indray, isika dia afaka manana finoana ny:

Ho voavela heloka, hamela ny tenantsika, hanao fahagagana, ary handray fanambarana (tahaka ireo Nefita).

Sary
zatovolahy mihira ao am-piangonana

Manomana ny tenantsika ho amin’ny fiaviany.

Rehefa miezaka mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia miomana ho amin’ny fiainana ao amin’ny fanjakana selestialy. “Fa indro, izao fiainana izao no fotoana ho an’ny olona mba hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra; eny, indro, ny andron’izao fiainana izao no andro ho an’ny lehilahy sy vehivavy mba hanatontosany ny asany” (Almà 34:32).

Sary
zataovo manoloana ny tempoly

Manomana izao tontolo izao ho amin’ny fiaviany.

Nasain’ny Filoha Russell M. Nelson isika mba ho isan’ny “asa lehibe indrindra eto an-tany,” dia ny fanangonana an’ Isiraely. “Natokan’ny Raintsika any An-danitra ny maro amin’ireo fanahiny mahery indrindra—aleo angamba ataoko hoe ny ekipany mahery indrindra—ho an’ity dingana farany ity. Ireo fanahy mahery ireo, ireo mpilalao tena mahay ireo, ireo maherifo ireo, dia ianareo!”1

Sary
zatovovavy mifamihina

Hanana finoana mandritra ireo fotoan-tsarotra.

Rehefa tonga indray ny Mpamonjy dia hiaina am-piadanana ny olo-marina. Hanjaka ny Mpamonjy ary hatao ho rariny ny tsy rariny. “Fa ny Tompo no ho eo afovoany, ary ny voninahiny no ho eo aminy, ary Izy no ho mpanjakany sy mpanome lalàna azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:59).

Sary
zatovovavy

Hatoky ny Fitsanganana amin’ny maty.

Hitsangana amin’ny maty avokoa ny olombelona rehetra. Hanana vatana tonga lafatra sy tsy mety maty isika. Afaka hahita ireo olona lalaintsika izay efa nodimandry indray isika. “Hakambana indray ao amin’ny endriny tomombana ny fanahy sy ny vatana; ny rantsam-batana sy ny vanintaolana dia samy haverina amin’ny tena endriny, toa antsika ankehitriny amin’izao fotoana izao” (Almà 11:43).

Sary
Niseho tamin’ireo Nefita i Jesoa Kristy

Nanam-pinoana ny Tompo talohan’ny nahatongavany ireo Nefita fahiny. Afaka manam-pinoana isika fa ho avy indray ny Mpamonjy, rehefa “[hitantsika] eny amin’ny rahon’ny lanitra [Izy] mitafy hery sy voninahitra lehibe” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:44; jereo ihany koa ny Asan’ny Apostoly 1:11). Amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana hoe mbola ho avy indray Izy no manova ny zavatra hataonao androany?

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraelyfampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), Médiathèque de l’Évangile.