Liahona Jolay 2026 Ireo lahatsoratra asongadina D. Todd ChristoffersonAndriamanitry ny fahagaganaAmin’ny alalan’ny fizarana ny tantaran’ireo fahagagana amin’ny andro farany dia manome toky antsika ny Filoha Christofferson fa Andriamanitra dia mijanona ho Andriamanitry ny fahagagana, na dia tsy azontsika aza ny fahagagana antenaintsika. Vehivavin’ny fanekempihavananaNahafoy tena izy mba hankamamy ny Filazantsara, ary nizara ny harena tamin’ny hafaNandray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ny zatovovavy iray tany Finlande taorian’ny Ady Lehibe II, izay maneho ny ohatra tsara indrindra amin’ny hoe tena vehivavin’ny fanekempihavanana. Avia, hanaraka ahyMassimo De FeoMiaraka aminay fa tsy manohitra anayMampianatra ny Loholona De Feo fa ny tantaran’i Elisa sy ny mpanompony dia mampahatsiahy antsika fa tsy irery na oviana na oviana isika ary vonona ny hanompo antsika ny Tompo sy ireo anjely. Shaun StahleMampisondrotra fiainana: Faha-25 taonan’ny Tahirim-bola Maharitra ho an’ny FianaranaNamoaka olona avy tao amin’ny fahantrana ary nampivoatra Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy firenena maro ary izao tontolo izao ny Tahirim-bola Maharitra ho an’ny Fianarana. Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany Daren FelixFantatry ny reniko izanyLesona iray momba ny fitsipiky ny fikirizana avy amin’ny renin’ny mpanoratra no manampy azy hahomby amin’ny asa fitoriana ataony sy eo amin’ny fiainany. William C. HorsleyNy loharanon’ny fifaliakoRehefa avy nandona tsy nahy ny fiaran’ny mpifanolobodirindrina taminy ny lehilahy iray dia nianatra ny maha-zava-dehibe ny tsy fanemorana ny fibebahany. Jocinete Costa dos Santos“Ato an-tranomaizina aho”Rehefa mitondra anaram-pianakaviana any amin’ny tempoly ny mpanoratra dia mahatsapa fifandraisana amin’ireo razambeny sy ny lanitra ho akaiky kokoa ny fony. Kimmy BadalMailaka amin’ny fandrenesana ny feon’ny TompoRehefa miatrika fanapahan-kevitra manan-danja ny mpanoratra dia mikatsaka ary mandray fanambarana sy fitarihana any amin’ny tempoly. Marianni J. Iguaran de GranadilloFantatry ny Tompo izy ireoMikatsaka sy mandray fitaomam-panahy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny distrika iray tamin’ny niantsoana ireo mpanolotsainy roa. Jill McAuleyIreo vaton’ny fahagagana ho ahyNy mpanoratra, izay nalemy tamin’ny faha-18 taonany dia nanorina antontam-bato miavosa ho fahatsiarovana ny fomba nitahian’i Jesoa Kristy, nanafahany sy nampatanjahany, ary nanovany azy taorian’ny loza niainany. Avy ao amin’ny Ho an’ny tanora isan-kerinandro Benjamin M. Z. TaiFanasana 5 hanampy anao hahatsapa fifaliana bebe kokoa rehefa miaina ny filazantsaraMampianatra ireo tanora ny Loholona Tai mba hikatsaka fifaliana ao amin’ny filazantsara rehefa mahatsapa izy ireo fa be loatra ny fitakian’ny Fiangonana amin’izy ireo. Daniel MáximoNy fiovana nisy teo amin’ny fomba fijeriko ny fanatrehana fotoam-piangonanaRaha toa manahirana loatra ny miaina tsy mitovy amin’izao tontolo izao, dia toy izao no fomba hifantohana indray amin’ny fifaliana avy amin’ny filazantsara. Andian-dahatsoratra mitohy Ny Fiangonana any LitoaniaJereo ny fitombon’ny Fiangonana any Lituanie.