2022
Mahita ny tavan’ Andriamanitra ao amin’ireo fahavalontsika
Martsa 2022


“Mahita ny tavan’ Andriamanitra ao amin’ireo fahavalontsika,” Liahona, Mar./Apr. 2022.

Mahita ny tavan’ Andriamanitra ao amin’ireo fahavalontsika

Ireo lesona avy ao amin’ny bokin’ny Genesisy momba ny fandresena ny fifanjihirana ireo dia afaka manome lalana arahina ho an’ny fiainantsika.

Sary
tanana roa misintona tady amin’ny lalao an-kisitona

Sary nataon’i David Green

Amin’ny maha mpanelanelana olona mifanjihitra ahy dia nahazo fahendrena be aho mahakasika ny fomba fanovana ny fifanjihirana sy ny fanasana olona hihavana tamin’ny alalan’ny fijerena ireo ohatra sy fampianaran’i Jesoa Kristy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Kanefa tsy ny Testamenta Vaovao ihany no bokin-tsoratra masina izay nitarika ahy teo amin’ny sehatry ny asako. Ny Testamenta Taloha dia ahitana hevi-dehibe lalina tena mahatalanjona izay afaka manampy antsika rehefa tafahitsoka ao anatiny fifanjihirana manimba isika.

Inona no atao hoe fifanjihirana manimba? Rehefa lasa mandratra olon-kafa na ny tenantsika ny tsy fahaizantsika miaraka mamaha olana aman’olon-kafa.

Rehefa misy ny fifanjihirana manimba dia misy ny tahotra sao manaintaina, na izany mialoha na aorian’ilay fifanjihirana, tahotra sao tsy tian’ny olona na tsy hitany amin’ny fomba tiantsika hahitany antsika, ary tahotra sao tsy hahita vahaolana amin’ireo olana mianjady amintsika. Raha avelantsika mahazo vahana izany tahotra izany dia hahatsapa ho tsy hary fitaovana intsony isika hamaha ireo olana izay atrehantsika ary matetika lasa miaina fahakiviana na henatra na tsy afa-manoatra.

Toa mampidi-doza io karazana fifanjihirana io ho an’ny ankamaroan’ny olona, ary izay no mahatonga antsika mampihatra karazana endrika fifanjihirana toy ny fandosindosirana na fampifanarahana na fifaninanana entina hanalana ilay fifanjihirana. Mampalahelo fa amin’ny fifanjihirana manimba dia tsy misy tena mety ireo vahaolana ireo.

Eny, tokony hisoroka ny fifandirana isika (jereo ny 3 Nefia 11:29). Saingy tsy tokony handositra na hamela na hamely ireo olona mifanjihitra amintsika velively isika. Fa mila mianatra kosa ny fomba hitiavana ireo olona mifanjihitra amintsika. Mitaky fampiharana fiantrana ny fahavalontsika izany, ilay fitiavana madion’i Kristy (jereo ny Môrônia 7:47).

Nampianatra i Jesoa fa mora ny mitia an’izay tia anao. Nilaza ihany koa Izy hoe: “Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo” (Matio 5:44). Mangataka antsika ny Mpamonjy mba hitia tahaka ny ataony ary ho lasa tanteraka tahaka Azy (jereo ny Jaona 13:34; 3 Nefia 12:48). Mety midika izany fa vonona ny hitia ny hafa na dia toa mampanahy aza izany fitiavana izany. Mety hiahotra isika satria isika olona mpitsoaka ny loza. Saingy ny fisafidianana ny hitia ireo izay mety handratra antsika dia mamela antsika handresy ny tahotra tamin’ny lasa ary ho lasa heniky ny fiantrana.

Io karazana fitiavana io dia mitaky tsy fahatahorana manoloana ny fifandirana. Miantso antsika izany mba hisokatra amin’ireo olona mifanjihitra amintsika amin’ny fomba izay “mahari-po sady mora fanahy, … tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, … mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. … Ny [fiantrana] tsy ho levona mandrakizay” (1 Korintiana 13:4–5, 7–8). Ny fiantrana dia maneho izany karazana fitiavana izany fa tsy manome antoka hoe hanao torak’izany koa ny olona izay mifanjihitra aminao.

Ny fitiavana dia mamela antsika hahita mazava tsara ireo rahalahintsika sy rahavavintsika izay mifanjihitra amintsika ka manan-danja amintsika toy ny antsika ny zavatra ilain’izy ireo sy irian’izy ireo, na manao ahoana na manao ahoana fahitany antsika. Hataontsika izay rehetra hahitantsika vahaolana izay mahafeno ny zavatra ilain’izy ireo sy ilaintsika.

Misy tantara anankiroa avy ao amin’ny Testamenta Taloha izay ohatra tsara amin’io fitiavana io.

Esao sy Jakoba

Sary
Fihaonan’i Esao sy Jakoba

Esao sy Jakoba mifamihina, nataon’i Robert T. Barrett

Ao amin’ny Genesisy 25 isika dia mahita fianakaviana iray izay ahitana mpirahalahy nifanjihitra, dia i Esao sy i Jakoba, zanakalahin’i Isaka. Namidin’i Esao tamin’i Jakoba ny fizokiany ho solona sakafo (jereo ny Genesisy 25:30–31). Taty aoriana, raha nanaraka ny torohevitry ny reniny, dia naka ny toeran’i Esao i Jakoba mba hahazo ny tsodrano farany avy tamin’i Isaka (jereo ny Genesisy 27:6–29).

Nankahalain’i Esao i Jakoba ary nivoady ny hamono io rahalahiny io izy. Nandositra i Jakoba ary niara-nipetraka tamin’i Labana dadatoany. (Jereo ny Genesisy 27:41–45.) Tamin’ny farany dia nanana olana tamin’ny dadatoany i Jakoba ary voatery niverina nody (jereo ny Genesisy 31). Fantatr’i Jakoba fa nidika izay fa hifandona amin’i Esao izay nanana miaramila lehibe kokoa izy. Natahotra ny ainy sy ny an’ny fianakaviany izy (jereo ny Genesisy 32:7–8).

Tamin’ny fotoana izay hihaonan’izy ireo dia nandefa osy, rameva, omby, ondry ary ampondra betsaka i Jakoba ho fanati-pihavanana. Niondrika im-pito izy avy eo rehefa nanatona ny rahalahiny. Tsy nampoizin’i Jakoba ny zavatra nataon’i Esao. Nitomany i Esao, namihina ny rahalahiny ary nilaza taminy fa tsy ilaina ilay fanati-pihavanana.

Nanohina an’i Jakoba ny fitivan’i Esao sy ny navaliny:

“Trarantitra hianao, aza an’izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin’ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan’ Andriamanitra, ary efa sitrakao aho.

“Trarantitra hianao, raiso re ny saotra izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra” (Genesisy 33:10–11).

Singa telo ilaina ahafahana miaina am-piadanana

I Jakoba eto dia naneho endrika fitiavana izay hitako fa fomba tena mahomby hampisy fampihavanana amin’ireo izay nanaovantsika ratsy na izay nanao ratsy tamintsika.

Ny Salamo 85:10 dia manoritsoritra ny fepetran’ny fampihavanana: “Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.” Mahafeno ireo fepetra hita ao amin’ny Salamo ny fifampihavanana teo amin’i Jakoba sy i Esao.

Nitaky risi-po ho an’i Jakoba sy i Esao ny fanekena ilay fahamarinana hoe tsy mpifahavalo izy ireo fa mpirahalahy. Nitaky famindram-po ny fifamelana. Nitaky ny rariny, ilay karazana fahamarinana izay manitsy ny tsy nety nataontsika na ny hafa, ho an’i Jakoba dia ny nanome an’i Esao ampahany tamin’izay nitahiana azy. Rehefa eo ireo singa telo ireo, dia namela azy ireo hiaina am-piadanana izany.

Afaka manaraka izany lalana arahina izany koa isika eo amin’ny fiainantsika.

Rehefa tafahitsoka ao anaty fifanjihirana manimba isika dia mety tsy hahafahantsika manao na inona na inona ny fatahorantsika an’ilay fifanjihirana sy ny fatahorantsika ny hafa, na mety mahatonga antsika hanao zavatra miteraka voka-dratsy kokoa fa tsy mihatsara. Matetika isika manamarin-tena hoe na inona na inona ataontsika mba hamerenana ilay hodikodina manimba dia tsy hahomby izany. Lasa tsy mino isika hoe afaka miova ny hafa.

Na izany aza dia manome fomba iray handresentsika izany karazana fifanjihirana izany ny ohatr’i Jakoba. Natrehin’i Jakoba ny fatahorany an-drahalahiny sy ny fatahorany ny fifanjihirany taminy. Nifantoka kokoa tamin’ny “fiarovana azy ireo “ izy fa tsy tamin’ny “fiarovan-tena” tamin’io fotoana io, koa nitodika tamin-drahalahiny izy sady, nanome azy ny marina sy ny rariny noho ny tsy mety rehetra nataony. Lasa nalefaka ny fon’i Esao izay nikasa ny hamono azy taloha. Famindram-po sy fiadanana no nasetriny. Nahita fomba hitiavana ny fahavalony i Jakoba ary raha nanao izany izy dia “nahita ny tavan’ Andriamanitra” nibanjina azy.

Na dia eo aza ny tebiteby mety ho tsapantsika rehefa mamaha ny fifanjihirana amin’izany fomba izany dia io no mahomby indrindra amin’ny fanovana fifanjihirana toy izany noho ny hafa rehetra. Ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy dia manome toerana ho antsika mba hahitana tsara ny olona izay ananantsika olana amin’ny fomba izay manova tanteraka antsika sy izy ireo.

Josefa sy ireo rahalahiny

Sary
Josefa avy any Egypta mihavana amin’ny rahalahiny

Josefa avy any Egypta, nataon’i Michael T. Malm

Taranaka iray taorian’i Jakoba dia mahita ohatra iray hafa mahery vaika momba ny fitiavana isika avy amin’ny zanak’i Jakoba farany, dia i Josefa.

Namidin’ireo rahalahiny nialona azy ho andevo i Josefa fony izy tanora. Tahaka an’i Esao dia nahatsapa ireo rahalahin’i Josefa hoe niangatra ny rain’izy ireo, ary i Josefa no nahita sitraka kokoa taminy. Nijaly mafy i Josefa noho ny lolompon’ireo rahalahiny taminy. Nosarahana tamin’ny fianakaviany izy nandritra ny taona maro, lasa mpanompo, ary niafara tany am-ponja nandritra ny fotoana kely. Nampian’ny Tompo izy nony farany mba handresy ny fahoriany ka lasa mpanapaka lehibe tany Egypta. (Jereo ny Genesisy 37–45.)

Nijaly ihany koa ireo rahalahiny ary nandritra ny fotoan’ny mosary dia nankany Egypta, rehefa noana sy ketraka. Rehefa nifanena tamin’i Josefa izy ireo dia tsy nahafantatra azy ary nila vonjy.

Nanana ny zo handefa ireo rahalahiny tany am-ponja i Josefa mba hampiharana ny rariny tamin’izy ireo. Izany no mendrika azy ireo. Fa nisafidy ny hamindra fo kosa anefa izy, namela azy ireo sy nitia azy ireo.

“Avia, manatòna ahy hianareo,” hoy izy tamin’izy ireo. “Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.

“Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan’ Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ” (Genesisy 45:4–5).

Tsy vitan’ny hoe namela an’ireo rahalahiny fotsiny i Josefa fa nahita ihany koa tanjona mampiorina tao anatin’ny fifanjihiran’izy ireo. Tsapany fa teo ny tanan’ Andriamanitra ary na dia teo aza ny fahoriana niaretan’izy ireo, “Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ny tany, fa hamelona anareo amin’ny famonjena lehibe” (Genesisy 45: 7).

Sary
tanana mitazona tady tsy mienjana

Averina indray fa afaka manaraka izany lalana arahina izany ny fiainantsika, rehefa ekentsika fa afaka mitondra vokatra izay hanamafy orina ny fianakaviantsika sy ny fiarahamonina misy antsika ny fanaintainan’ny fifanjihirantsika, rehefa hiara-hiasa isika hitady vahaolana.

Handalo fifanjihirana isika rehetra. Haharary izany. Tena mafy indraindray. Talanjona foana aho amin’ny fanaintainana tsapan’ny hafa rehefa tafiditra ao anaty fifanjihirana, indrindra fa rehefa amin’ny olona lalainy. Kanefa tsy tokony ho izany fanaintainana sy tahotra izany no fiafaran’ny tantara.

Afaka misafidy ny hijery ny fifanjihirana sy ireo olona mifanjihitra amintsika amin’ny fomba hafa isika, tahaka ny nataon’i Josefa. Afaka misafidy ny hamela ny fahatezerana sy ny lolom-po ary ny fanomezan-tsiny isika ka hamihina ny fahavalontsika.

Azontsika atao ny misafidy ny fitiavana toy izay ny tahotra ary hahita, tahaka an’i Jakoba, Esao, Josefa sy ireo rahalahiny, fa ireo fahavalontsika dia rahalahintsika sy rahavavintsika. Rehefa miezaka ny hihavana amin’izy ireo isika dia afaka hahita ny tavan’ Andriamanitra ihany koa.