2020
Manangona an’ Isiraely amin’ny alalan’ny Fanompoana
Janoary 2020


Sary
ministering

Fitsipika momba ny fanompoana, janoary 2020

Manangona an’Isiraely amin’ny alalan’ny Fanompoana

Ny fanompoana dia fahafahana manaraka ny torohevitry ny mpaminany ny hanangona an’Isiraely.

Nanasa antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba hanangona an’Isiraely— izay “zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao.”1

Ny fanompoana ho an’ireo rehetra izay te handray anjara amin’ity asa fanangonana an’Isiraely ity dia afaka ny ho fomba mahafinaritra ahafahana manao zavatra. Izany no fomba nentanim-panahy hanovana ny fiainan’ny hafa. Na manompo ireo mpikambana malaindaina isika na manasa azy ireo hanampy antsika rehefa manompo ireo izay hafa finoana amintsika dia ny fanompoana no manome ireo fomba samihafa ahafahana manangona an’Isiraely.

Manavotra ireo mpikambana izay miverina mazoto

“Rehefa ny fitiavana no manosika antsika dia hitranga ny fahagagana, ary hahita fomba isika hitondrana ireo rahavavy sy anadahintsika ‘tsy tonga’ ho ao amin’ny fandraisina tsy an-kanavaka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.” —Jean B. Bingham2

“Nalaindaina aho nandritra ny enin-taona teo farafahakeliny rehefa nifindra tany amin’ny tanàna vaovao iray izaho sy ny vadiko. Namangy ahy ny filohako vaovao tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ary nanontany ahy raha azony atao ny mandefa rahavavy hamangy ahy. Nanaiky aho na dia somary sahiran-tsaina. Io rahavavy io dia namangy ahy isam-bolana, na dia tsy mahazaka volon’alika aza izy—ary izaho nefa manana alika tia olona be! Nitohy teny ny fanompoany nandritra ny roa taona ary nisy fiantraikany goavana tamiko izany.

“Na dia finamanana tsotra fotsiny aza mazana no anton’ny famangiany, indraindray izy dia mametraka fanontaniana izay mitarika anay any amin’ny resaka ara-panahy. Nahatonga ahy ho somary tsy nahazo aina izany saingy nitaona ahy hanapa-kevitra na handroso ao amin’ny filazantsara na hijanona teo amin’izay nisy ahy. Sarotra ho ahy io fanapahan-kevitra io saingy nisafidy ny hihaona tamin’ireo misiônera vavy aho.

“Tamin’ny andro nandehanako nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo voalohany tao anatin’ny enin-taona dia natahotra aho ny hiditra tao. Rehefa niroso ho ao am-piangonana aho dia efa niandry ahy ilay rahavavy mpanompo ahy, koa dia niaraka niditra tamiko tao amin’ny efitrano fivavahana izy. Avy eo dia nanatitra ahy hatreo amin’ny fiarako izy ary nanontany ahy izay azony atao hanampiana ahy tsara kokoa hivoarako eo amin’ny fanatonako kokoa ny Mpamonjy.

“Ny fotoan’ilay rahavavy mpanompo sy ny fitiavany no nitarika ahy hiverina havitrika ary raisiko ho fanomezana lehibe indrindra tamin’ izay azoko rehetra hatrizay ireo ezaka rehetra nataony. Feno fankasitrahana aho fa teo anilako izy teo amin’ireo diako niverina ho ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.”

Tsy mitonona anarana, Colombie Britanika, Kanadà

Fitsipika hodinihina

“Namangy ahy isam-bolana”

Ahoana no ahafahanao maneho fa mikarakara an’ireo izay tompoinao mihoatra noho ireo zavatra hafa ianao? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:44).

“Fanontaniana”

Ny fametrahana ireo fanontaniana sahaza tsara dia afaka hiteraka fandinihan-tena. Tsarovy fa ny fanompoantsika dia misy tanjona izay mihoatra lavitra noho ny finamanana.3

“Niandry ahy”

Tokony hahatsapa ho raisina tsara ny tsirairay (jereo ny 3 Nefia 18:32).

“Teo anilako teo amin’ireo diako niverina”

Ny fanohanantsika dia afaka hanova zavatra manan-danja eo amin’ireo izay sahirana teo amin’ny fiverenany ho eo amin’ny Mpamonjy mba ho sitranina (jereo ny Hebreo 12:12–13).

Fanompoana sy fanangonana

“Na inona na inona fomba tsotra sy voajanahary aminao dia zarao amin’ny hafa ny antony mampanan-danja an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany aminao. …

“… Ny anjara andraikitrareo dia ny mizara izay ao am-ponareo sy miaina tsy tapaka araka izay zavatra inoanareo.” —Loholona Dieter F. Uchtdorf4

Miara-miasa ny manompo sy ny mizara ny filazantsara. Ireto misy fomba sasantsasany izay azontsika hanangonana ireo namana sy mpiara-monina amintsika rehefa manompo, na koa azontsika hanompoana rehefa manangona ireo namana sy mpiara-monina isika:

  • Miaraha manompo. Mitadiava fotoana hanasana ireo namana na mpiara-monina hiaraka aminao hanompo olona iray mila fanampiana. Asao izy ireo hanampy anao hikarakara sakafo ho ana reny iray vao tera-bao sy hitsidika mpiara-monina efa zokinjokiny na hanadio tranon’olona iray izay marary.

  • Miaraha mampianatra. Diniho ny hanasana namana na mpiara-monina iray izay tsy mandeha any am-piangonana matetika mba hampiantrano an’ireo misiônera rehefa mampianatra olona izy ireo. Na afaka manampy anao io namana io rehefa mampiantrano ireo misiônera ianao na miaraka aminao manatrika lesona any an-tranon’olon-kafa.

  • Manolora fanampiana rehefa mahita olona mila izany. Manolora tena hanampy amin’ny fitaterana olona mankany am-piangonana. Manasà ankizy hanatrika ireo fiaraha-mientan’ny zatovo na ny kilonga. Inona ihany koa no fomba hafa afaka manampy anao hanompo sy hanangona?

  • Ampiasao ireo loharano izay nomen’ny Fiangonana. Ny Fiangonana dia manome loharano maro ho an’ireo mpikambana mba hanampiana azy ireo amin’ny fizarana ny filazantsara. Afaka mijery ao amin’ny fizarana hoe “Misiônera” ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile ianao sy mitsidika ny ComeUntoChrist.org mba hahitana hevitra amin’ny fomba hanangonana an’Isiraely eo amin’ny fiarahamonin-tsika.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 June, 2018), churchofjesuschrist.org/study/broadcasts/worldwide-devotional-for-young-adults/2018/06/hope-of-israel?lang=mlg.

  2. Jean B. Bingham, “Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy,” Liahona, mey 2018, 106.

  3. Jereo ny “Fitsipika momba ny fanompoana: Ilay tanjona izay hanova ny fomba hanompoantsika,” Jan. 2019.

  4. Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 17.