2018
Tazony hatrany ny fifandraisana aminy amin’ny fotoana rehetra, na aiza na aiza, amin’ny fomba rehetra
January 2018


Fitsipika entina manao famangiana isan-tokantrano, Janoary 2018

Tazony hatrany ny fifandraisana aminy amin’ny fotoana rehetra, na aiza na aiza, amin’ny fomba rehetra

Ny famangiana isan-tokantrano dia fanompoana. Nanompo tamin’ny fotoana rehetra ary na taiza na taiza i Jesoa Kristy. Afaka manao toy izany koa isika.

Ny hoe “manompo” dia manolotra asa fanompoana na fikarakarana na fanampiana izay mitondra soa na fifaliana ho an’ny olona iray hafa. Ny famangiana isan-tokantrano dia fitadiavana fomba hanompoana ireo izay vangintsika. Nanompo ny rehetra i Jesoa Kristy, tamin’ny fotoana rehetra ary na taiza na taiza. Namahana ireo olona 5.000 Izy, nanome fampiononana an’i Maria sy i Marta tamin’ny nahafatesan’ny anadahin’izy ireo, ary nampianatra ny filazantsarany tamin’ilay vehivavy teo amin’ny fantsakana. Noho ny fitiavany tamin-kitsim-po no nanaovany izany.

Araka ny ohatra nasehony, amin’ny maha-mpamangy isan-tokantrano antsika, dia afaka lasa mahafantatra sy mitia ny rahavavy tsirairay izay vangintsika isika, mahatsiaro fa ny fitiavana no fototry ny zavatra rehetra ataontsika. Rehefa mivavaka isika mba hahazoana fitaomam-panahy hahafantarana ny fomba ahafahana manompo azy sy manampy azy hanamafy orina ny finoany, dia “tsy hay sakanana ireo anjely hiara-hiasa [amintsika].”1

Nanomboka tamin’ny nananganana ny Fikambanana Ifanampiana tamin’ny 1842 ka mandraka ankehitriny, dia nitahy ny fiainan’ny olona maro ny asa fanompoan’ireo vehivavy. Ohatra, i Joan Johnson, izay mananotena 82 taona, sy ny rahavavy mpiara-mamangy aminy dia mampianatra ny mpiray vodirindrina aminy izay 89 taona ary voan’ny pneumonie. Takatr’izy ireo fa tsy indray mandeha isam-bolana ihany no mila azy ireo ilay naman’izy ireo ka dia nanomboka namangy azy isan-kerinandro izy ireo, na mivantana na an-telefaonina.

Ho an’ny mpamangy isan-tokantrano hafa, dia mety hoe ny fandefasana sms na email mitondra fampaherezana no mety ho zavatra tsara indrindra azo atao ho an’ny rahavavy iray tamin’io volana io. Ny fanorenana fifandraisana mivantana sy ny fihainoana amin’ny fomba feno fitiavana no tena votoatin’ny famangiana isan-tokantrano. Ny teknôlôjia vaovao sy ny famangiana mivantana tsy lefy laza dia ahafahantsika manao izany amin’ny fotoana rehetra, na aiza na aiza, ary amin’ny fomba maro.2 Izany no fanompoana araka ny nataon’i Jesoa.

Fanamarihana

  1. Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 454.

  2. Jereo ny Manuel 2: Administration de l’Église (2010), 9. 5.1.