2015
Loholona Gerrit W. Gong
Nôvambra 2015


Loholona Gerrit W. Gong

Fiadidian’ny Fitopololahy

Nahatsiaro bitsika iray voarainy fony izy misiônera tany Taiwan ny Loholona Gerrit W. Gong, izay voantso vao haingana hanompo ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy.

Nisy naman’ny Fiangonana tonga nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo. “Nahatsapa ho tokony hanoratra teny kely miendrika Môrsa ho azy aho izay milaza zavatra toy izao, ‘Tonga soa ato amin’ny fivoriana Fanasan’ny Tompo. Faly mahita anao ato!’”

Hay ilay naman’ny Fiangonana ka mpikirakira milina fifandraisan-davitra ka dia tena faly izy nandray ilay hafatra. “Gaga aho hoe afaka nanampy ahy hanolo-tanana olona iray amin’ny fomba manokana ny zavatra nianarako taona maro lasa tany aloha,” hoy ny LoholonaGong.

Ny fianarana avy amin’ny hafa sy ny fanampiana ny hafa no lalam-pianan’ny Loholona Gong nanomboka tany amin’ny fahazazany rehefa nianatra ny fomba famakiana ny sora-miafina ao anatin’ny Môrsa fony izy zatovolahy Skoto. Nahazo licence en études asiatiques et en études universitaires avy tao amin’ny Brigham Young University izy tamin’ny 1977 ary nahazo maîtrise en philosophie tamin’ny 1979 sy mari-pahaizana PhD en relations internationales avy tao amin’ny Oxford University tamin’ny 1981.

Ny Loholona Gong dia efa nanompo tamin’ny antso maro tao amin’ny Fiangonana, toy ny mpanolotsaina avo, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo, filohan’ny Sekoly Alahady ao amin’ny tsatòka, mpampianatra seminera, eveka, filohan’ny misiônan’ny tsatòka, filohan’ny tsatòka, ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra. Mpikambana tao amin’ny Kôlejy Fahadimy ao amin’ny Fitopololahy tao amin’ny Vondrom-paritra Utah Atsimo izy tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 2010.

Niasa ho toy ny mpanampin’ny sekreteram-panjakana lefitry ny Ministeran’ny Raharaham-bahinin’i Etazonia ny Loholona Gong tamin’ny 1985 ary nanao mpanampy manokana ny masoivohon’i Etazonia tany Beijing, Chine tamin’ny 1987. T Nihazona toerana maro tao amin’ny Center for Strategic and International Studies tao Washington, D.C izy nanomboka tamin’ny 1989 ka hatramin’ny 2001.

I Gerrit W. Gong dia teraka tao Redwood City, Californie, USA, tamin’ny taona 1953. Manan-janaka efatra sy zafikely telo izy sy i Susan Lindsay Gong vadiny. Nifindra monina avy tany Chine nankany Etazonia ny raibe sy ny reniben’ny Loholona Gong. Ny fanoritany ny razambeny dia taranaka 33 miverina miakatra hatrany amin’ny Dragona Gong Voalohany teraka tamin’ny 837 talohan’i J.K. tany amin’ny faritra atsimon’i Chine nandritra ny fiankohonan-dry Tang fahiny.