2014
Teny An-tampon’ny Rano
Oktobra 2014


Teny An-tampon’ny Rano

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Nitalaho mafy tamin’ny Ray any an-danitra aho mba hanaisotra ny tebiteby sy ny hakiviana nahazo ahy, kanefa raha tsy nisy ireo fitsapana ireo dia mety tsy ho tonga tany amin’izay mety “tany nampanantenaina” nitondrany ahy aho.

Sary
Jaredite barges being tossed in the sea.

Enim-bolana teo ho eo taorian’ny nahazoako mari-pahaizana tany amin’ny oniversite, dia nanomboka tratran’ny tahotra tampoka sy fisehoana tebiteby ary fahatsapana harerahan-tsaina izany aho. Tsy fantatro hoe avy taiza no niandohan’ireo toe-javatra ireo saingy nahery vaika sy nahaosa izany.

Nitolona mafy aho mba hahafahako mifanto-tsaina. Izay mety ho asa vaovao nampanaovina ahy tany am-piasana dia niteraka fitebitebena toy izany ka tsy afaka nilamin-tsaina aho. Tonga tao an-tsaiko izao eritreritrera tsy voafehy rehetra izao ary midobodoboka mafy tokoa ny foko ka toy ireny hivoaka avy ao an-tratrako ireny izany. Mitohy ao anatin’ny andro maro izany ary rehefa tonga ao an-trano avy miasa aho dia mitambotsotra eny ambonin’ny sezabe. Tsy hitako akory dia lasa fotsiny indray aloha iny hariva iny dia misy andro iray hafa manomboka indray.

Naharitra amam-bolana ireo zavatra tsapa ireo na dia taorian’ny nahitako asa vaovao aza sy nitadiavako fanampiana tany amin’ny olona matihanina misahana izany toe-javatra izany.

Nivavaka isa-maraina aho rehefa handeha hiasa mba hahazo hery hahatontosako tsara ny androko ary mba hiverenako any amin’ny vady sy ny zanako vavy. Tsy fantatro hoe rahoviana vao hitsahatra ilay olana nianjady tamiko ka nitady hilavo lefona aho matetika. Nangataka fanampiana avy any an-danitra nandritra ny andro maro aho tao anatin’ny ranomaso. Nivavaka tamin-kitsimpo bebe kokoa noho ny teo aloha aho ka nitalaho tamin’ny Ray any an-danitra mba hanampy ahy hahatakatra ilay fitsapana sy hanala izany amiko.

Nahatsapa ho very tao anatin’ny haizina sy ny hakiviana aho rehefa tsy nahatsapa ny Fanahy. Saingy rehefa nanampy ahy tao anatin’ny fahaverezam-panantenana ny Fanahy dia nanana fahatokian-tena hanohy aho—na dia mandra-pahatonga ny fanaovako vavaka manaraka fotsiny aza. Lasa niantehitra bebe kokoa tamin’ny Ray any an-danitra aho fa tsy hoe nanao vavaka rehefa hisakafo fotsiny na nanao vavaka tsotsotra rehefa hariva. Lasa nanakaiky bebe kokoa Azy aho vokatr’izany.

Natopatopan’ny Onja

Raha mbola tao anatin’ny tebiteby sy ny hakiviana aho dia namerina namaky ny tantaran’ny Jaredita namakivaky ny “hantsana lehibe” (Etera 2:25). Azoko an-tsaina tsara ny fitebiteben’izy ireo rehefa niditra tao anatin’ilay sambony izy ireo. Mety hampidi-doza ilay dian’izy ireo saingy fantatr’izy ireo fa handeha ho any amin’ny “tany finidy ambonin’ny tany hafa rehetra” (Etera 2:15) izy ireo.

Toy izao no voasoratra mikasika ilay dian’izy ireo:

“Nataon’ny Tompo Andriamanitra izay hisian’ny rivo-mahery nitsoka tambonin’ny rano, nankamin’ny tany nampanantenaina; ary dia nahilangilan’ny rivotra tambonin’ny onjan-dranomasina toy izany izy ireo.

“Ary ny zava-nitranga dia imbetsaka izy ireo no nalevina tao amin’ny halalin’ny ranomasina, noho ny tendrombohitr’onja izay nitosaka taminy, ary koa noho ny tafiotra lehibe sy mahatsiravina izay nateraky ny fivatravatran’ny rivotra.

“… Koa rehefa nohodidinin’ny rano maro izy ireo dia niantso ny Tompo, ary Izy nitondra azy ireo indray nivoaka teo ambonin’ny rano.

“Ary ny zava-nitranga dia tsy nitsahatra nitsoka na oviana na oviana nankamin’ny tany nampanantenaina ny rivotra raha teny ambony rano izy ireo; ary dia natosiky ny rivotra toy izany izy ireo” (Etera 6:5–8).

Nisy fiantraikany manokana tamiko ireo andininy ireo. Tsapako ho toy ny tao anatin’ny samboko manokana aho niaraka tamin’ny rivotry ny fitebitebena nifafy tamiko sy ny onjan’ny harerahan-tsaina izay nahery vaika ary nandrendrika ahy tao anatin’ny fahakiviana lalina. Rehefa voahodidin’izany rehetra izany aho dia miantso ny Tompo, dia tafavoaka ety ivelany ihany fa tonga dia tafalentika indray.

Novakiko indray ny andininy faha-8: “Tsy nitsahatra nitsoka na oviana na oviana ny rivotra nankamin’ny tany nampanantenaina … ary dia natosiky ny rivotra toy izany izy ireo” (nampiana fanamafisana). Dia tena nanaitra ahy izany. Ilay rivotra izay niteraka onja niavoavo ka nandetika ny sambo iny ihany no nitahy ireo Jaredita nandritra ny diany. Nitalaho tamin’ny Ray any an-danitra aho mba hampitony ny rivotra sy ny onja kanefa raha tsy nisy azy ireo izany dia mety tsy ho tonga tany amin’izay mety ho “tany nampanantenaina” nitarihany ahy aho.

Nanova ny fomba fijeriko ny fiainana ireo andininy ireo. Nampitombo ny fianteherako amin’ny Ray any an-danitra ny tebitebiko sy ny harerahan-tsaiko. Raha tsy nisy ny rivotra sy ny onja dia mety tsy ho lasa nahalala velively an’Andriamanitra tahaka ny lasa nahalalako Azy tamin’izany aho—ary mety tsy ho tonga velively tany amin’ny tany nampanantenaina ireo Jaredita.

Amin’izao fotoana izao, izay taona vitsy taorian’izany zavatra niainako izany dia tsy mifafifafy amiko intsony ny rivotry ny fitebitebena ary nitsahatra tsy nandetika ahy intsony ireo onjan’ny harerahan-tsaina. Kanefa raha miverina ilay tafio-drivotra dia hiantso ny Tompo aho ary hisaotra Azy noho ny fahafantarako fa ny ranomasina tony dia tsy mitondra ny sambo any amin’ny tany nampanantenaina—ny ranomasina ahotakotaky ny rivotra no mitondra any.

Sary nataon’i Jerry Harston