2014
Manompo Amin’Izao Fotoana Izao mba Hanompoana any Aoriana
Oktobra 2014


Manompo Amin’Izao Fotoana Izao mba Hanompoana any Aoriana

“Manompoa ny [Tompo] amin’ny fonareo rehetra” (1 Samoela 12:20).

“Izay iray isika tonga voalohany eny amin’ny fiangonana!” hoy i Mórmon sady nanondro ny tilikambon’ny fiangonana izay tazana nipoitra teo ambonin’ireo hazom-boaniho. Dia nihazakazaka araka izay vitany izy mba ho eo alohan’i Morian zandrilahiny hatrany.

Efa nandeha an-tongotra efa ho iray kilaometatra mahery avy any an-tranony ireo zazalahy sy ny ray aman-dreniny kanefa mbola nifaninana nihazakazaka mafy i Mórmon sy i Morian rehefa tonga teo amin’ilay vavahady vy teo ivelan’ny trano fiangonan’ny paroasiny. Nijanona naka aina izy ireo.

Talohan’ny nanapahan’izy ireo hevitra hoe iza no nandresy dia niantso azy ireo ny zazalahy iray hoe: “Te hilalao baolina ve ianareo?”

Tia nilalao baolina i Mórmon kanefa handeha hanadio ny trano fiangonan’ny paroasiny izy sy ny fianakaviana mba hanomanana izany amin’ny fivoriam-piangonana ny ampitson’io.

Nanifikifika ny lohany i Mórmon. “Tsy izao ka—angamba rehefa avy eo!” hoy izy niantsoantso namaly.

Fotoana fohy taorian’izay dia niasa mafy i Mórmon sy i Morian. Nanisaka seza sy namafa trano niaraka tamin’ny rainy i Mórmon raha toa kosa ka nanasa trano niaraka tamin’ny reniny i Morian.

Taorian’izay dia niara-nanasa ireo fitaratra tao amin’ny trano fivoahana ireo zazalahy. “Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe ho tiako ny hanadio ny fiangonana kanefa mahafinaritra ilay izy,” hoy i Morian. “Ary ialahy mba ahoana ry Mórmon? Izay ve no antony nandehanan’ialahy aty toy izay hilalao baolina?”

Nieritreritra ny dadany i Mórmon. Evekan’ny paroasin’izy ireo izy kanefa mbola nitady fotoana hanampiana amin’ny fanadiovana ny trano fiangonana.

“Tonga eto aho satria te ho lasa toa an’i Dada,’ hoy i Mórmon.

Dia nieritreritra ireo misiônera ao amin’ny paroasiny izy. Sahirana mandom-baravarana maro sy mizara ny Bokin’i Môrmôna amin’ny hafa izy ireo. Hanasa olona ho any am-piangonana ao amin’ilay trano nodiovin’ireo zazalahy izy ireo.

“Tonga eto aho satria indray andro any dia te hanao asa fitoriana ihany koa,” hoy i Mórmon nieritreritra. “Afaka manampy ny misiônera amin’ny fanomanana ny trano fiangonana aho.”

Nieritreritra ny ampitson’io i Mórmon rehefa hifoha amin’ny 6:00 maraina izy sy ny rahalahiny dia handeha ho any am-piangonana miaraka amin’ny lobaka fotsy sy karavato ka hanomana ireo seza sy ireo bokin-kira ao amin’ny efitranon’ny Kilonga.

“Tonga eto aho satria te hanompo ao anatin’ny antso iray ato amin’ny Fiangonana,” hoy izy nieritreritra.

Nieritreritra mikasika ny fomba hahatongavany ho diakona afaka fotoana fohy i Mórmon. Hizara ny fanasan’ny Tompo izy ary hanao zavatra maro hafa mba hanompoana.

“Tonga eto aho satria handray ny fisoronana amin’ny herintaona, ary te hanao ny zavatra rehetra azoko atao aho izao mba ho vonona amin’izany.”

Efa nanao zavatra mba hiomanana amin’ny fisoronana i Mórmon: nahazo ny Récompense de la Foi en Dieu izy. Efa nianatra ny hiaina ny filazantsara sy hanompo ny hafa izy.

Nony farany dia nijery ny sarin’ny rahalahiny teo amin’ny fitaratra izy dia nitsiky.

“Tonga eto aho satria tiako ny Tompo,” hoy izy, “ary satria hanampy ahy ho vonona hanompo any aoriana ny manompo amin’izao fotoana izao.”Mipetraka any Utah, Etazonia ny mpanoratra

Sary nataon’i Adam Koford