2013
Mba Sitrano ny Foko
Martsa 2013


Ho an’ny Tanora

Mba Sitrano ny Foko

Tamin’ny andro nitsingerenan’ny nahafatesan’ny anadahiko dia nieritreritra mikasika ny fiainako hatramin’izay fotoana nahafatesany izay aho. Tsy ny fanaintainana lalina ihany no tsaroako fa ireo fitahiana nomen’Andriamanitra ahy koa.

Tsy nety ho takatro mihitsy ireo olona izay milaza fa afaka mitondra fitahiana ny fahafatesan’ny olon-tiany iray. Tsy takatro mihitsy ny fomba mety ahafahako mahita fifaliana sy maneho fankasitrahana amin’ny zavatra izay mandratra lalina ny foko tokoa. Kinanjo indray alina dia niova tanteraka ny fomba fijeriko.

Nifoha niaraka tamin’ny fo izay tsy mbola navesatra mafy toy izany hatramin’izay aho indray sasak’alina. Nanempotra ahy ilay fanaintainana. Nandohalika aho ary tao anatin’ny ranomaso no nivavahako tamin’ny Raiko any an-danitra. Nampianarina mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny heriny manasitrana izay mahagaga aho. Nosedraina ny finoako tamin’izay. Tena mino tokoa ve aho? Nangataka tamin’ny Raiko any an-danitra aho mba hanasitrana ny foko. Tsy zakako irery ilay fanaintainana.

Dia nisy fahatsapana fiadanana, fankaherezana ary fitiavana nanenika ny vatako iray manontolo. Nahatsapa toy ireny nofihinin’Andriamanitra tamin’ny sandriny ireny aho ary narovany tamin’ny fanaintainana mafy izay tsapako. Mbola malahelo ny anadahiko ihany aho saingy afaka nijery izany tamin’ny fomba hafa. Maro ny zavatra azoko nianarana avy tamin’izany zava-niseho izany.

Fantatro fa misy ny fitiavana sy fiadanana avy amin’ny Tompo. Mila mandray izany fotsiny isika.