2012
Mikarakara sy Manompo amin’ny alalan’ny Famangiana Isan-tokantrano
Janoary 2012


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Janoary 2012

Mikarakara sy Manompo amin’ny alalan’ny Famangiana Isan-tokantrano

Halalino ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

“[Ny dikan’ny hoe] fiantrana dia mihoatra lavitra noho ny fahatsapana te-hanao asa fanasoavana,” araka ny fampianaran’ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. “Ny fiantrana dia teraka avy ao amin’ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy ary vokatry ny Sorompanavotany.”1 Ho an’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, ny famangiana isan-tokantrano dia afaka ho tonga fiantrana am-perinasa, fomba iray manan-danja mba hampiharana ny finoantsika ny Mpamonjy.

Amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano no anolorantsika fikarakarana amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ireo rahavavy tsirairay, sy ny fizarana hafatry ny filazantsara, ary ny fikatsahana ny hahafantatra azy sy ny zavatra ilain’ny fianakaviany. “Ny famangiana isan-tokantrano dia lasa asan’ny Tompo rehefa mifantoka kokoa amin’ny olona isika fa tsy amin’ny isan-jato,” hoy ny fanazavan’i Julie B. Beck, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany. “Ny tena marina, ny famangiana isan-tokantrano dia tsy misy fiafarana. Tsy andraikitra fotsiny izany fa fomba fiainana mihitsy. Ny fanompoana amim-pahatokiana amin’ny maha-mpamangy isan-tokantrano dia porofo mivaingana ny maha-mpanara-dia antsika.”2

Rehefa manome fikarakarana mitohy sy ombam-bavaka isika, dia mianatra ny ho mpanompo tsara indrindra sy manome fahafaham-po amin’izay ilain’ireo rahavavy tsirairay sy ny ilain’ny fianakavian’izy ireo. Ny fanompoana dia afaka miseho amin’ny endriny maro—ny sasany lehibe ary ny sasany tsy dia lehibe loatra. “Matetika ny fanaovana asa fanompoana kely no hany takiana mba hanomezana hery sy hitahiana ny hafa: fanontaniana momba ny fahasalaman’ny fianakavian’olona iray, teny fohy feno fankaherezana, fandokafana avy amin’ny fo, soratra kely maneho fisaorana, antso an-tariby fohy,” araka ny fampianaran’ny Filoha Thomas S. Monson. “Raha mandinika sy mifantoka tsara isika, ary raha manao asa arak’izay bitsika tonga amintsika, dia afaka manatanteraka zavatra tsara maro. … Tsy ho voatanisa ireo asa fanompoana ataon’ny tafika goavan’ny mpamangy isan-tokantranon’ny Fikambanana Ifanampiana.”3

Avy amin’ny Soratra Masina

Jaona 13:15, 34–35; 21:15; Môsià 2:17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5; Mosesy 1:39

Avy amin’ny Tantarantsika

Tamin’ny taona 1843, dia nozaraina ho paroasy efatra ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Nauvoo. Ny volana Jolay tamin’io taona io, ny mpitarika ny Fikambanana Ifanampiana dia nanendry kaomity mpamangy misy rahavavy efatra isaky ny paroasy. Anisan’ny andraikitr’ireo kaomity mpamangy ny fanadihadihana ny filàna sy ny fanangonana fanomezana. Ny Fikambanana Ifanampiana dia nampiasa ireo fanomezana ireo ho an’ireo izay nila fanampiana.4

Rehefa tsy nanangona fanomezana intsony ireo mpamangy isan-tokantrano, dia mbola notazonin’izy ireo ny andraikitra hanadihady ny filàna—ara-panahy sy ara-nofo—ary ny asa atao mba hanomezana fahafaham-po izany filàna izany. Nanazava i Eliza R. Snow (1804–87), filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany faharoa hoe: “Ny mpamangy iray … dia tena tokony hanana ny Fanahin’ny Tompo ao aminy, rehefa miditra ao amin’ny tokantrano iray mba hahafantarany izay toe-javatra misy ao. … Mitalahoa eo anoloan’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina mba handray [ny Fanahy] mba hahafahanao mahafantatra ny toe-javatra miseho ao amin’izany trano izany … ary mety te-hanambara teny feno fiadanana sy fankaherezana ianao, ary raha mahita rahavavy mahatsiaro ho mangatsiaka ianao, dia raiso ho eo amin’ny fonao izy tahaka ny zaza ataonao eo an-tratranao ka hafanao.”5

Fanamarihana

  1. Henry B. Eyring, “Ilay Lova Maharitra napetraky ny Fikambanana Ifanampiana,” Liahona, Nôv. 2009, 121

  2. Julie B. Beck, “Relief Society: A Sacred Work,” Liahona, Nôv. 2009, 114

  3. Thomas S. Monson, “Three Goals to Guide You,” Liahona, Nôv. 2007, 120–21.

  4. Jereo ny Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society (2011), 105.

  5. Eliza R. Snow, tao amin’ny Daughters in My Kingdom, 108.

Inona no Azoko Atao?

  1. Inona no azoko atao mba hanampiana ireo rahavaviko hahatsapa fa namana izay tia sy mikarakara azy ireo aho?

  2. Ahoana no ahafahako ho lasa mahay kokoa miambina sy mikarakara ny hafa?