2011
Vola Ampy
Jona 2011


Ho an’ny Tanora

Vola Ampy

Nihaona tamin’ireo misiônera aho tamin’izaho 17 taona. Niara-nipetraka izaho sy ny zokiko lahy tamin’izany fotoana izany. Nodimandry herintaona talohan’izany ny reninay ary sarotra ny fiainana. Rehefa nampianatra ahy ny misiônera dia afaka nahita aho fa ny Fiangonana no ilay fiangonana notadiaviko hatrizay. Saingy ny fitarihan’ireo namako dia nanakana ahy tsy handeha ho any am-piangonana isan’Alahady.

Indray mandeha aho dia nanatrika fiaraha-mientana iray an’ny Fiangonana nandritra ny herinandro. Nitondra fifaliana lehibe ho ahy ny fahitana ireo tanora rehetra nihomehy sy nilalao. Nanararaotra izany fotoana izany mba hampianarana ahy lesona iray ao amin’ny filazantsara ireo misiônera niaraka tamin’ireo tanora, ary faly aho noho ny fanekeko hatao batisa.

Saingy na taorian’ny nidirako ho mpikamban’ny Fiangonana aza, dia niatrika olana aho. Izaho irery no mpikamban’ny Fiangonana tany amin’izany faritry ny tanàna izany sy nipetraka lavitry ny trano fivoriana. Tsy te-hifanerasera tamiko intsony ireo namako tsy mpikambana. Rehefa irery aho dia nivavaka ary nahatsapa ny fitiavan’ny Tompo.

Nandray vola kely isam-bolana aho izay avy amin’ny petra-bola navelan’ny reniko. Sarotra tamiko ny namelona ny tenako tamin’izany vola kely dia kely izany. Saingy nanapa-kevitra ny hankatò aho. Nandoa fahafolonkarena aho ary tsy maintsy nandoa koa ny saran-dalako rehefa manatrika seminera sy ny fivoriana Alahady. Tsy azoko hoe ahoana fa rehefa tonga ny faran’ny volana dia hitako fa ampy ny vola nanatanterahana ny zava-drehetra.

Fantatro fa voatahy aho tamin’ny alalan’ny fandoavana fahafolonkarena. Ny fankatoavana izany didy izany dia nanampy ahy hahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa, handeha hanao asa fitoriana sy hahafantatra ireo fitahiana mba hahafahako mankahery mpikambana vaovao izay miatrika olana.