2010
Fitahiana avy amin’ny Tempoly
2010


Fitahiana avy amin’ny Tempoly

Manome tanjona ho an’ny fiainantsika ny tempoly. Mitondra fiadanana ho an’ny fanahintsika izany—tsy fiadanana omen’ny olona fa ilay fiadanana nampanantenain’ny Zanakalahin’Andriamanitra rehefa niteny Izy hoe: “Fiadanako no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo.”

Mahatsapa ho akaiky kokoa ny Tompo isika ao amin’ny tempoly

Mieritreritra aho fa tsy misy toerana hafa eto an-tany izay hahatsapako akaiky kokoa ny Tompo mihoatra noho ny ao anatin’ny tempoliny masina iray. Raha ambarako araka ny fiteniko azy ny tononkalo iray, dia hoe:

Lavitra ve ny lanitra?

Tsy dia lavitra izany.

Ao amin’ny tempolin’Andriamanitra,

Eto amin’ny misy antsika mihitsy izany.

Niteny ny Tompo hoe:

“Aza mihary harena ho anareo ety an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, ary mpangalatra mamaky trano sy mangalatra:

“Fa miharia kosa harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, izay tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra:

“Fa izay misy ny harenao, dia ho any koa ny fonao.”1

Ho an’ny mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny tempoly no toerana faran’izay masina indrindra eto an-tany. Tranon’ny Tompo izany, ary tena arak’ilay soratra hita ety ivelan’ny tempoly izay milaza hoe: ny tempoly dia “hamasinina ho an’ny Tompo.”

Mankahery sy manandratra antsika ny tempoly

Ao amin’ny tempoly no ampianarana ny drafitra sarobidin’Andriamanitra. Ao amin’ny tempoly no hanatanterahana ireo fanekempihavanana mandrakizay. Mankahery antsika ny tempoly, manandratra antsika, mijoro ho fanilo mba ho hitan’ny rehetra, ary mitarika ny lalantsika ho any amin’ny voninahitra selestialy. Tranon’Andriamanitra izany. Mampahery sy manainga fanahy ny zavatra rehetra mitranga ao anatin’ny tempoly.

Ny tempoly dia ho an’ny fianakaviana, iray amin’ireo zava-tsoa lehibe ananantsika eto amin’ity fiainana an-tany ity. Nazava tsara ny nolazain’ny Tompo rehefa niresaka tamintsika ray, tamin’ny filazany fa andraikitsika ny mitia ny vadintsika amin’ny fontsika manontolo ary hanome azy ireo sy ho an’ny zanantsika ny zavatra ilainy. Nosoritany fa ny asa lehibe indrindra izay azontsika atao amin’ny maha-ray aman-dreny antsika dia ao an-tokantranontsika no anaovantsika azy, ary ny tokantranontsika dia afaka ho tonga lanitra, indrindra raha toa ka nofehezina tany amin’ny tempolin’Andriamanitra ny fanambadiantsika.

Itompokolahy Loholona Matthew Cowley, izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nitantara indray mandeha ny zava-nitranga indray Asabotsy tolakandro raha nitantana ny zafikeliny vavy nitsangantsangana izy amin’ny maha-raibe azy tamin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’izany zafikeliny vavy izany—tsy mba tany amin’ny valan-javaboahary na nijery sarimihetsika fa teny an-tokontanin’ny tempoly. Rehefa nahazo lalana avy tamin’ny mpiambina izy ireo dia nandeha nanatona ny varavarana lehiben’ny tempoly. Nasainy nakasoky ny zafikeliny vavy teo amin’ilay rindrina matevina ary avy eo teo amin’ilay varavarana lehibe ny tanany. Avy eo dia niteny tamin’ny fony izy hoe: “Tsarovy fa nikasika ny tempoly ianao tamin’ity andro ity. Indray andro dia hiditra ao anatiny ianao.” Ny fanomezana natolony izany zafikeliny izany dia tsy mba vatomamy na vongan-dranomandry mamy fa traikefa manan-danja kokoa sy mandrakizay—dia ny fankasitrahana ny tranon’ny Tompo. Nikasika ny tempoly izy, ary nikasika azy koa ny tempoly.

Mitondra fiadanana ho an’ny fanahintsika ny tempoly

Rehefa mikasika sy mitia ny tempoly isika dia ho hita taratra eo amin’ny fiainantsika ny finoantsika. Rehefa mandeha mankany amin’ny trano masina isika, ary rehefa mahatsiaro ny fanekempihavanana izay nataontsika tao dia afaka hizaka ny fitsapana rehetra ary hahatohitra ny fakam-panahy rehetra. Manome tanjona ho an’ny fiainantsika ny tempoly. Mitondra fiadanana ho an’ny fanahintsika izany—tsy fiadanana omen’ny olona fa ilay fiadanana nampanantenain’ny Zanakalahin’Andriamanitra rehefa niteny Izy hoe: “Fiadanako no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo.” Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”2

Misy finoana lehibe eo anivon’ny Olomasin’ny Andro Farany. Manome fahafahana antsika ny Tompo mba hahitany raha toa ka manaraka ny Didiny isika, raha toa ka manaraka ny lalana izay narahan’i Jesoa avy Nazareta isika, raha toa ka mitia ny Tompo amin’ny fo, ny hery, ny saina ary ny tanjantsika rehetra isika, ary tia ny namantsika tahaka ny tenantsika.3

Mino ilay teny voalazan’ny ohabolana aho hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao. Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny lalanao.”4

Toy izany hatrany no nitranga ary mbola ho toy izany hatrany foana izany. Raha toa ka manao ny adidintsika isika sy matoky tanteraka ny Tompo, dia hameno ny Tempoliny isika, tsy amin’ny alalan’ny fandraisantsika ny ôrdônansy ho an’ny tenantsika manokana ihany, fa koa amin’ny alalan’ny fahafahana manao asa ho an’ny hafa. Handohalika eo amin’ny alitara masina isika mba hisolo tena ao anatin’ny famehezana izay hanambarana ny mpivady sy ny zanany hiaraka mandrakizay. Vao 12 taona fotsiny ireo zatovolahy sy zatovovavy izay mendrika dia afaka hisolo tena an’ireo izay efa nodimandry ka tsy nandray ny fitahian’ny batisa. Izany no fanirian’ny Raintsika any an-danitra ho ahy sy ho anao.

Nisy fahagagana nitranga

Taona maro lasa izay dia nisy patriarika be fanetren-tena sy mahatoky iray, Rahalahy Percy K. Fetzer, izay nantsoina mba hanome tsodranon’ny patriarika ho an’ireo mpikambana izay nipetraka tao amin’ny faritry ny sisin-tany Sôvietika.

Nandeha tany amin’ny firenena Pôlôney Rahalahy Fetzer nandritra izany fotoan-tsarotra izany. Nakatona ny sisin-tany ary dia tsy nisy olom-pirenena afaka nivoaka. Nihaona tamin’ireo Olomasina Alemàna izay tavela tany ny rahalahy Fetzer rehefa naverina nofaritana ny sisin-tany taorian’ny Ady Lehibe faha-II ary ny tany izay nipetrahan’izy ireo dia lasa ampahan’ny faritr’i Pôlôna.

Iray amin’ireo mpitarika teo anivon’ireo Olomasina Alemà ireo i Rahalahy Eric P. Konietz, izay niaina tany niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany. Nomen-dRahalahy Fetzer tsodranon’ny patriarika Rahalahy sy Rahavavy Konietz ary ireo zanany efa lehibe.

Rehefa niverina tany Etazonia Rahalahy Fetzer dia niantso ahy raha toa ka afaka mihaona amiko. Rehefa nipetraka tao amin’ny biraoko izy dia nanomboka nitomany. Hoy izy hoe: “Rahalahy Monson, rehefa nametraka ny tanako teo ambonin’ny lohan’ireo olona tao amin’ny fianakaviana Konietz aho dia nanome fampanantenana izay tsy afaka ho tanteraka velively. Nampanantena an-dRahalahy sy Rahavavy Konietz aho fa afaka hiverina any amin’ny tany fiaviany any Alemàna izy ireo, ary tsy hotazonin’ireo mpanjanaka firenena ho toy ny babo ary hofehezina miaraka ny fianakavian’izy ireo any amin’ny tranon’ny Tompo. Nampanantena ny zanakalahiny aho fa hanao asa fitoriana ny filazantsara izy ary nampanantena ny zanakavaviny aho fa hanambady any amin’ny tempoly masin’Andriamanitra izy. Izaho sy ianao dia samy mahafantatra tsara fa tsy afaka ny handray ny fahatanterahan’ireo fitahiana ireo izy ireo noho ny fikatonan’ny sisin-tany. Inona ity nataoko?”

Hoy aho hoe: “Ry Rahalahy Fetzer, fantatro tsara loatra ianao ka fantatro fa izany no tian’ny Raintsika any an-danitra holazainao.” Niara-nandohalika teo akaikin’ny biraoko izahay ary namboraka ny tao am-ponay tamin’ny Rainay any an-danitra, tamin’ny filazana ireo fitahiana nampanantenaina ity fianakaviana manolo-tena ity mikasika ny zavatry ny tempolin’Andriamanitra sy ireo fitahiana hafa izay tsy azon’izy ireo horaisina tamin’izay. Izy irery ihany no afaka hanatanteraka izany fahagagana nilainay izany.

Nitranga ilay fahagagana. Nisy fifanarahana nosoniavina teo amin’ireo mpitariky ny governemanta Pôlôney sy ny mpitariky ny Repoblika Federalin’ny Alemàna, izay namela ireo teratany Alemà izay tavela tany hifindra any amin’ny faritr’i Alemàna Andrefana. Nifindra tany Alemàna Andrefana ry Rahalahy sy Rahavavy Konietz niaraka tamin’ireo zanany, ary Rahalahy Konietz dia lasa evekan’ny paroasy izay nisy azy ireo.

Nandeha tany amin’ny tempoly masin’i Suisse ny fianakavaina Konietz iray manontolo. Ary iza hoy ianareo ilay filohan’ny tempoly izay nandray azy ireo tamin’ny palitao fotsy sy tamin’ny sandry hamihina? Tsy iza fa i Percy Fetzer—ilay patriarika izay nanome azy ireo izany fampanantenana izany. Tamin’ny naha-filohan’ny Tempolin’i Bern Suisse azy tamin’izany no nandraisany azy ireo tao amin’ny tranon’ny Tompo ho fahatanterahan’ilay fampanantenana, ary namehy ireo mpivady niaraka ary koa namehy ny zanany tamin’ireo ray aman-dreniny.

Nanambady tany amin’ny tranon’ny Tompo tokoa ilay zanakavavy vao herotrerony. Nahazo antso ary nanatontosa asa fitoriana ny filazantsara tamin’ny fotoana maharitra tokoa ilay tovolahy zanany.

“Hihaona aminao any amin’ny tempoly izahay!”

Ho an’ny sasany amintsika, dia tsy dia lavitra ny lalana mankany amin’ny tempoly. Ho an’ny hafa, dia mila miampita ranomasimbe ary mandeha kilaometatra maromaro vao afaka hiditra ny tempoly masin’Andriamanitra izy ireo.

Taona vitsivitsy lasa izay, talohan’ny fahavitan’ny tempolin’i Afrika Atsimo, dia nihaona tamin’ny filohan’ny distrika, Reginald J. Nield aho raha nanatrika ny fihaonamben’ny distrika tany Salisbury, Rhodesia tamin’izany. Nandray ahy teo am-pidirana ny trano fivavahana izy sy ny vadiny ary ireo zanakavaviny mahatehotia. Nazavain’izy ireo tamiko fa efa nanangom-bola izy ireo ary efa niomana ho amin’ilay andro izay hahafahan’izy ireo handeha ho any amin’ny tempolin’ny Tompo. Kanefa, tena lavitra ny tempoly.

Tamin’ny fiafaran’ilay fivoriana dia nametraka fanontaniana mikasika ny tempoly tamiko ireo zanakavavy efatra mahatehotia, nanao hoe: “Ohatry ny ahoana kay izany tempoly izany? Amin’ny sary fotsiny no hahitanay izany.” “Inona no ho tsapanay rehefa miditra ny tempoly izahay?” “Inona no hotsaroanay indrindra ao amin’izany?” Nandritry ny ora iray dia nanana fahafahana aho niresaka tamin’ireo zazavavy efatra ireo mikasika ny tranon’ny Tompo. Teo am-piangaina ho any amin’ny seranam-piaramanidina aho dia nataon’izy ireo veloma ary toy izao no nolazain’ilay zazavavy zandriny indrindra hoe: “Hihaona aminao any amin’ny tempoly izahay!

Herinaona taty aoriana dia nanana fahafahana aho nandray ny fianakaviana Nield tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake. Tao amin’ny efitrano famehezana feno fiadanana no nahafahako nanambatra ho mandrakizay sy ho amin’ity fotoana ity ny Rahalahy sy Rahavavy Nield. Nisokatra avy eo ny varavarana ary indreto ireo zanakavavin’izy ireo mahafatifaty, niakanjo fotsy tsy nisy pentina avy, niditra ny efitrano. Nanoroka ny reniny izy ireo, avy eo ny rainy. Nitomany izy ireo ary feno fankasitrahana ny tao am-pony. Akaikin’ny lanitra izahay. Afaka niteny ny tsirairay hoe: “Ankehitriny dia fianakaviana hiaraka mandrakizay isika.”

Izany no fitahiana mahatalanjona miandry ireo izay mandeha mankany amin’ny tempoly. Enga anie isika hiaina ny fiainantsika amim-pahamendrehana, amin’ny tanana sy fo madio, mba hahafahan’ny tempoly hikasika ny fiainantsika sy ny fianakaviantsika.

Lavitra ve ny lanitra? Mijoro ho vavolombelona aho fa ao amin’ny tempoly masina dia tsy lavitra mihitsy izany—satria ao amin’izany toerana masina izany no hihaonan’ny lanitra sy ny tany ary hanomezan’ny Raintsika any an-danitra ny Zanany ny fitahiana lehibe indrindra.

Tempolin’i St. George Utah. Notokanana tamin’ny 6 Apr. 1877. Naverina notokanana tamin’ny 11 Nôv. 1975.

Tempolin’i Manille Philippine Notokanana tamin’ny 25 Sept. 1984.

Tempolin’i Bountiful Utah. Notokanana tamin’ny 8 Jan. 1995.

Tempolin’i Bern Suisse. Notokanana tamin’ny 11 Sept. 1955. Naverina notokanana tamin’ny 23 Ôkt 1992.

Efitrano famehezana, Tempolin’i Salt Lake.