2009
Mino isika fa Tendrin’Andriamanitra ny Fianakaviana
Ôktôbra 2009


Fotoana Ifanakalozana

Mino isika fa Tendrin’Andriamanitra ny Fianakaviana

“Ny fianakaviana no ivon’ny drafitr’Ilay Mpahary ho an’ny tanjona mandrakizain’ny Zanany rehetra” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao”).

Lehilahy ratsy fanahy i Amalikia. Nampanantena zavatra maro ho an’ny Nefita izy raha toa ka ataon’ireto farany ho mpanjaka. Maro ireo olona no nino azy ka niala tamin’ny fahamarinana.

I Môrônia no kapitenin’ny tafika Nefita tamin’izany. Olo-marina izy ary nino an’i Jesoa Kristy. Rehefa ren’i Môrônia fa maro ireo olona no notarihin’i Amalikia nivily lalana dia tezitra izy. Fantany fa tandindomin-doza ireo olona ireo ka hamery ny fahafahany.

Norovitin’i Môrônia ny kapaotiny ary nosoratany teo ny hoe: “Ho fahatsiarovana ny Andriamanitray, ny fivavahanay sy ny fahafahanay ary ny fiadananay, ny vadinay sy ny zanakay” (Almà 46:12). Nafatony teo amin’ny tendron’ny hazo iray izany rovitry ny kapaotiny izany ary nantsoiny hoe ny fanevan’ny fahafahana. Avy eo dia nivavaka ho an’ny olona izy sy namangy azy ireo, nanofahofa ny fanevan’ny fahafahana ary niantso ireo Nefita mba hiaro ny fahafahan’izy ireo. (Jereo Almà 46:1–21.)

Miaina ao anatin’ny fotoana izay hisian’ny olona toa an-dry Amalakia ianao, izay te-hamily ny lalanao hanalavitra ny drafitry ny Ray any An-danitra. Iray amin’ireo zava-manan-danja ao amin’io drafitra io ny fianakaviana.

Tian’ny Ray any An-danitra hahatakatra ny Drafiny ho an’ny fianakaviana ny mpikamban’ny Fiangonana. Nanoratra “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao” ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hanambarana ny zavatra inoantsika mikasika ny fianakaviana. Toy ny fanevan’ny fahafahana, ny fanambarana dia afaka hamporisika antsika hahatsiaro sy hanazava izay zavatra inoantsika.

Asa atao

Endaho ny pejy N4, ary apetaho amin’ny taratasy mafimafy kokoa izany. Apetraho amin’ny toerana avoavo izany fanambarana izany mba ho hitan’ny fianakavianao ary hahatsiarovany ny maha-zava-dehibe ny fifanamafisan’orin’ny tsirairay.

Hevitra ho an’ny Fotoana Ifanakalozana

  1. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao” dia fanambarana maoderina. Asaivo henoin’ny ankizy hoe impiry izy no maheno ilay teny “ambara” na “nambara” eo am-pamerimberenana miaraka ny fanekem-pinoana fahasivy. Ampianaro fa manohy manambara ny Sitrapony amin’ny Zanany Andriamanitra. Izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany no antsoina hoe fanambarana. Omeo tahadikan’“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao” ny ankizy tsirairay ary hazavao fa io fanambarana io dia nomena amin’izao androntsika izao tamin’ny alalan’ny mpanompon’Andriamanitra voafidy. Zarao fehezan-teny samihafa avy amin’izany fanambarana izany ny kilasy tsirairay ary esory ny teny sasany. Asaivo miara-miasa izy ireo mba hameno izany banga izany amin’izay teny tokony ho eo. Ohatra: “Ny dia ho an’ny n’ilay Mpahary ho an’ny tanjona mandrakizain’ny Zanany.” Asao ny kilasy tsirairay hijoro eo aloha ary hitanisa ireo fehezan-teny feno. Hirao ny andalana voalohan’ny hira “Avy amin’Andriamanitra ny Fianakaviana” (Liahona, Ôkt 2008, F12–F13). Hamafiso fa ny fanambarana mikasika ny fianakaviana dia fanambarana avy amin’Andriamanitra ary tokony ho takatsika sy iainantsika ny fampianarana ao anatiny. Hangony ny tahadikan’ny fanambarana. Ho ampiasaina indray izany amin’ny herinandro fahatelo.

  2. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao” dia mampianatra ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana. Manasà mpikamban’ny paroasy na sampana vitsivitsy izay nahazoana lalana avy tamin’ny eveka na filohan’ny sampana handray anjara amin’ny fivoriana famoasamboasan-kevitra amin’ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana (jereo “Panel Discussions,” L’Enseignement, Pas Plus Grand Appel [1999], 175–76). Omeo azy ireo mialoha ny fanontaniana ho apetrakao. Ohatra: Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny Ray any An-danitra anao sy ny vadinao? Afaka mizara tantara mikasika ny fampianaran’ny filazantsara izay nanampy anao ho vady tsara ve ianao? Inona no zavatra azon’ny ankizy atao ankehitriny mba hiomanany amin’ny fanambadiana indray andro any? Mety ho asainao mamerina mijery “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao” ny mpandray anjara. Avelao hifandimby hisafidy sy hamaky fanontaniana iray avy ny zaza. Asaivo valian’ny mpandray anjara ao amin’ny famoasamboasan-kevitra izany. Mijoroa ho vavolombelona amin’ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Sary NALAIN’I Matthew Reier