Manetry tena mba hanaiky sy hanaraka
Ny fanetrentena dia fepetra takiana amin’ny fahavononantsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra.
Ao amin’ny Almà toko fahadimy dia misy fanontaniana manitikitika toy izao: “Raha toa, hono, ka antsoina ho faty ianareo izao ankehitriny izao, moa va ianareo afaka miteny anakampo fa ampy tokoa ny fanetrentenanareo?”1 Izany fanontaniana izany dia midika fa ny fanetrentena dia fepetra takiana mba hahavonona antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra.
Isika rehetra dia tia mieritreritra fa ampy ny fanetrentena ananantsika, saingy misy ireo zavatra iainana sasantsasany eo amin’ny fiainana izay mahatonga antsika hahatsapa fa matetika ilay lehilahy na vehivavy feno avonavona sy araka ny nofo dia tena velona ao anatintsika.
Taona maro lasa izay, fony mbola nipetraka tao an-trano ny zanakay mirahavavy, dia nanapa-kevitra ny hampiseho azy ireo sy ny vadiko ny sampana fandraharahana izay notantaniko aho tao amin’ilay orinasa niasako.
Ny tena tanjoko anefa tamin’izay dia ny hampiseho azy ireo toerana iray izay hanaovan’ny rehetra antsakany sy andavany ary tsy am-pihambahambana ny zavatra izay asaiko hataony fa tsy tahaka ny ao an-tranonay kosa. Rehefa tonga teo am-bavahady izahay, izay matetika mivoha ho azy rehefa manatona ny fiarako, dia gaga aho fa tsy nivoha ilay izy tamin’ity indray mitoraka ity. Nefa ny zava-nitranga dia tonga teo amin’ilay fiara ny mpiambina iray izay mbola tsy hitako mihitsy tamin’ny fiainako ary nanontany ahy ny kara-panondro fampiasako tao amin’ny orinasa.
Nolazaiko taminy fa tsy nila kara-panondro mihitsy aho hampidirako ny fiarako ao amin’ny faritr’ilay orinasa ary avy eo dia napetrako taminy ilay fanontaniana mahazatra ny olona feno avonavona hoe: “Fantatrao ve hoe iza no iresahanao?”
Izay novaliany hoe: “Ka satria tsy manana ny kara-panondronao ato amin’ny orinasa ianao dia tsy fantatro hoe iza ianao ary raha mbola izaho no eto am-bavahady dia tsy afaka ny hiditra ao amin’ity toerana ity ianao raha tsy misy famantarana araka ny tokony ho izy.”
Nieritreritra ny hijery ny tao aoriana tamin’ny fitaratra aho mba hijery ny fihetsik’ireo zanako vavy manoloana izany rehetra izany saingy fantatro fa teo am-pakana tsirony an’izany fotoana izany izy ireo! Ny vadiko teo anilako moa dia nihifikifi-doha nanehoany ny tsy fankasitrahana ny fihetsika nataoko. Ny azoko natao farany tamin’izay dia ny niala tsiny tamin’ilay mpiambina ary nilaza fa tena nanenina aho tamin’ny fomba ratsy nandraisako azy. “Efa voavela ianao,” hoy izy, “fa raha tsy manana ilay kara-panondro ianao dia tsy miditra aloha anio!”
Avy eo dia niverina moramora tany an-trano aho haka ny kara-panondroko rehefa angamba avy nianatra ity lesona sarobidy ity: Rehefa misafidy ny tsy hanetry tena isika dia ho afa-baraka amin’ny farany.
Hitantsika ao amin’ny Ohabolana hoe: “Ny fiavonavonan’ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.”2 Mba hampitomboana ny fanetrentena dia tsy maintsy takatsika ny tena dikan’izany eo amin’ny sahan-kevitry ny filazantsara.
Ny olona sasany dia manafangaro ny fanetrentena amin’ny zavatra hafa, ohatra hoe ny fahantrana. Saingy raha ny marina dia maro ireo mahantra izay feno avonavona ary maro ihany koa ireo izay manankarena kanefa manetry tena. Ireo hafa izay tena saro-kenatra na mihevitra ny tenany ho tsinontsinona dia mety manana endrika ivelany feno fanetrentena kanefa feno avonavona indraindray ao anatiny lalina ao.
Ka inona ary izany no atao hoe fanetrentena? Araka ny Torio ny Filazantsarako dia “fahavononana hanaiky ny sitrapon’ny Tompo izany. … Azo ampianarina. … Fitaovana mahery tena ilaina ho an’ny fitomboana ara-panahy [izany].”3
Azo antoka fa misy fahafahana maro ho antsika rehetra mba hanatsarana io toetra tahaka ny an’i Kristy io. Te-hijery aloha aho hoe hatraiza ny fanetrentenantsika na hatraiza no tokony ho izy tamin’ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminanintsika. Afaka manao ity famotopotorana ity isika tsirairay:
-
Moa ve isika manonona ny anarana fenon’ny Fiangonana amin’ny fifandraisantsika rehetra? Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny fanesorana ny anaran’ny Tompo amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia fandresena lehibe ho an’i Satana.”4
-
Moa ve isika mamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fanekena ilay fanasana manokana nomen’ny mpaminanintsika? “Anio aho dia manao antso avo amin’ireo mpikambana manerana izao tontolo izao mba hitarika ny lalana amin’ny fialana amin’ireo toe-tsaina sy fihetsika manavakavaka.”5
-
Moa ve isika mandresy izao tontolo izao, matoky ny fotopampianaran’i Kristy mihoatra noho ny filôzôfian’olombelona, araka ny nampianarin’ny mpaminanintsika?6
-
Lasa mpampihavana ve isika ka milaza zavatra tsara amin’ny olona sy momba ny olona? Nampianatra antsika izao manaraka izao ny Filoha Nelson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany teo: “Raha toa ka misy zavatra mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendri-piderana izay azontsika lazaina momba ny olona iray hafa—na izany lazaina mivantana aminy na tsy eo imasony—dia tokony ho izany no fitsipiky ny fifandraisantsika.”7
Toromarika tsotra nefa mahery vaika ireo. Tsarovy fa ny hany tsy maintsy nataon’ny vahoakan’i Mosesy mba ho sitrana dia ny mijery ilay menarana varahina izay natsangany.8 Kanefa “noho ny fahatsoran’ny lalana, na noho ny hamorany, dia nisy maro ireo izay maty.”9
Nandritra ity fihaonambe ity dia nandre sy mbola handre ny torohevitra azo antoka avy amin’ireo mpaminanintsika sy apôstôlintsika isika. Fotoana tonga lafatra izany hampitomboana fanetrentena ary hamela ny hevitsika mafonja ho voatelina amin’ny faharesen-dahatra matanjaka kokoa fa ny Tompo dia miteny amin’ny alalan’ireo mpitarika voafidy ireo.
Ambonin’ny zava-drehetra, eo amin’ny fampivelarana ny fanetrentena dia tsy maintsy mahatakatra sy manaiky ihany koa isika fa tsy afaka mandresy ny fanamby atrehantsika na manatanteraka izay tsara indrindra tokony ho vitantsika amin’ny alalan’ny ezaka ataontsika irery ihany. Ireo mpandahateny mandrisika, mpanoratra, mpanazatra ary mpandresy lahatra amin’ny tamban-jotran-tserasera manerana izao tontolo izao, indrindra amin’ny sehatra nomerika, dia hilaza fa ny zava-drehetra dia miankina amintsika sy ny ataontsika fotsiny ihany. Izao tontolo izao dia mino ny sandrin’ny nofo.
Kanefa amin’ny alalan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia nianatra isika fa miankina tanteraka amin’ny hatsaram-panahin’ny Ray any An-danitra sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika isika “satria fantatsika fa noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.”10 Izany no maha-zava-dehibe ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra satria ny fanaovana izany dia hanome antsika fahafahana feno handray ny herin’i Jesoa Kristy izay manasitrana sy manome fahafahana ary manatanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.
Ny fanatrehana ny fivoriana fanasan’ny Tompo isan-kerinandro sy ny fitsaohana tsy tapaka any amin’ny tempoly mba handraisana anjara amin’ireo ôrdônansy sy handraisana fanekempihavanana ary hanavaozana izany dia famantarana fa manaiky ny fiankinantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika isika. Izany dia hanasa ny herin’ Izy Ireo ho eo amin’ny fiainantsika mba hanampy antsika amin’ny olantsika rehetra ary amin’ny farany dia hahatanteraka ny tanjon’ ny nahariana antsika.
Vao tsy ela akory izay dia notsapaina indray ny hoe hatraiza ny fanetrentenako sy ny fahatakarako ny fiankinako amin’ny Tompo. Tao anaty fiarakaretsaka handeha ho any amin’ny seranam-piaramanidina aho mba haka sidina fohy mankany amin’ny toerana izay nisian’ny olana iray tena sarotra ny hamahana azy. Ilay mpamily fiarakaretsaka izay tsy mpikamban’ny Fiangonana dia nijery ahy tamin’ny fitaratra ary niteny hoe: “Hitako fa tsy salama ianao androany!”
“Miharihary be ve izany?” Hoy aho nanontany.
“Mazava ho azy,” hoy izy. Avy eo izy dia nilaza zavatra toy ny hoe: “Raha ny marina dia misy rahona tena ratsy ianao manodidina anao!”
Nohazavaiko taminy fa nanana toe-javatra sarotra nosedraina aho, ary nanontany izy avy eo hoe: “Efa nanao izay rehetra tratry ny herinao ve ianao mba hamahana izany?”
Namaly aho fa nanao izay rehetra azoko natao.
Avy eo izy dia nilaza zavatra izay tsy nohadinoiko na oviana na oviana: “Koa avelao ho eo an-tanan’ Andriamanitra izany dia hilamina ny zava-drehetra.”
Miaiky aho fa nalaim-panahy hanontany azy hoe: “Fantatrao ve hoe iza no iresahanao?” Saingy tsy nanao izany aho.” Nanetry tena teo anatrehan’ny Tompo nandritra io sidina naharitra adiny iray io aho nangataka fanampiana avy amin’ Andriamanitra. Rehefa nandao ny fiaramanidina aho dia nahare fa efa nilamina ilay toe-javatra sarotra tokony novahana ary tsy nilaina intsony ny fanatrehako izany.
Ry rahalahy sy anabavy, mazava sy mampahery ilay didy sy fanasana ary fampanantenana avy amin’ny Tompo: “Aoka ianao hanetry tena; ary ny Tompo Andriamanitra dia hitarika anao amin’ny tanana sy hanome anao ny valin’ny fivavakao.”11
Enga anie isika mba hanetry tena ka hanaraka ny torohevitr’ireo mpaminanintsika ary hanaiky fa Andriamanitra sy i Jesoa Kristy irery ihany no afaka manova antsika—amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana voaray ao amin’ny Fiangonany—ho amin’ilay endritsika tsara indrindra eto amin’ity fiainana ity ary indray andro any dia hahatonga antsika ho tonga lafatra ao amin’i Kristy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.