2010–2019
Miaina araka ny Tenin’ireo Mpaminany
Okt 2014


Miaina araka ny Tenin’ireo Mpaminany

Manohana ny mpaminany sy misafidy ny hiaina araka ny teniny isika mba hifanaraka amin’ireo tanjon’Andriamanitra.

Tia ny zanany rehetra ny Raintsika any an-danitra ary iriany ny hahafantaran’izy ireo sy hahatakaran’izy ireo ny drafitry ny fahasambarana. Miantso mpaminany Izy noho izany, izay nomena hery sy fahefana hiasa amin’ny anaran’Andriamanitra mba hamonjy ireo zanany. Iraka mitondra fahamarinana izy ireo ary vavolombelon’i Jesoa Kristy sy ny hery tsy manam-petran’ilay Sorompanavotany. Mihazona ny fanalahidin’ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany izy ireo ary manome lalana ny hanatanterahana ireo ôrdônansy mitondra famonjena.

Ao amin’ny Fiangonana marin’ny Tompo dia, “tsy misy na oviana na oviana, afa-tsy olona iray ihany isaky ny mandeha eto an-tany no omena izany fahefana izany sy ireo fanalahidin’io fisoronana io.”1 Manohana ny Filoha Thomas S. Monson ho mpaminanintsika sy mpahita ary mpanambara isika. Manambara ny tenin’ny Tompo izy mba hitarihana sy hitantanana ny Fiangonantsika iray manontolo. Nanazava ny Filoha J. Reuben Clark Zanany hoe: “Ny Filohan’ny Fiangonana … irery ihany no manana zo handray fanambarana ho an’ny Fiangonana.”2

Nandidy ny olona ao amin’ny Fiangonany ny Tompo mba hanao izao manaraka izao mikasika ny mpaminany velona:

“Hampandr[y] sofina amin’ny teniny rehetra sy ny didy rehetra izay homeny anareo [ianareo] araka ny andraisany azy ireny, amin’ny fandehanana amin’ny fahamasinana tanteraka eo anoloako;

“Fa ny teniny dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny, amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra.

“Fa amin’ny fanaovana ireny zavatra ireny, ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy anareo.”3

Manohana ny mpaminany sy misafidy ny hiaina araka ny teniny isika mba hifanaraka amin’ireo tanjona masin’Andriamanitra.

Manohana koa ireo mpanolotsain’ny Filoha Monson sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo isika ho toy ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara. “Manana ny zo sy ny hery ary ny fahefana izy ireo hanambara ny hevitry ny [Tompo] sy ny sitrapony …, eo ambanin’ny fitarihan’ny … Filohan’ny Fiangonana.”4 Miresaka amin’ny anaran’i Kristy izy ireo. Maminany amin’ny anaran’i Kristy izy ireo. Manao ny zavatra rehetra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy izy ireo. Amin’ny alalan’ny teny zarain’izy ireo no ahenoantsika ny feon’ny Tompo sy hahatsapantsika ny fitiavan’ny Mpamonjy. “Ary na inona na inona hotenenin’izy ireo noho ny fanentanan’ny Fanahy Masina dia ho soratra masina … dia ny herin’Andriamanitra ho famonjena.”5 Ny Tompo mihitsy no niteny hoe: “Na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany.6

Feno fankasitrahana isika noho ny fiangonana izay “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesoa no fehizoro indrindra.”7 Tranon’ny filaminana ny tranon’ny Tompo ka tsy tokony ho voafitaka velively isika mikasika ny hoe aiza no hitadiavana ny valin’ny fanontaniantsika na ny fisalasalantsika mikasika ny feo tokony harahina. Isika dia tsy tokony “[h]ahilangilana sy [h]ampitambolimbolen’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra.”8 Manambara ny teniny amin’ny alalan’ireo mpanompo notendreny Andriamanitra, “ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asa fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra.”9 Rehefa misafidy ny hiaina araka ny tenin’ireo mpaminany isika dia eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana izay mitondra any amin’ny fahalavorariana mandrakizay no misy antsika.

Mianatra ny dikan’izany hoe manohana mpaminany iray izany isika amin’ny alalan’ity vehivavy mpitondratena iray ity izay niady mafy mba ho velona nandritra ny vanim-potoan’ny mosary iray. Nodidian’ny Tompo i Elia mpaminany mba handeha any Zarefata, izay toerana hahitany vehivavy mpitondratena iray efa nodidin’Andriamanitra mba hanohana azy. Rehefa mby teo am-bavahadin’ny tanàna i Elia dia nahita azy nanangona kitay hazo. Niantso azy i Elia ka nanao hoe: “Itondray rano kely amin’ny fisotroana aho mba hosotroiko.10

“Ary nony lasa naka ravehivavy, dia niantso [indray] Elia ka nanao hoe, Itondray mofo kely koa eny an-tànanao aho.

“Fa hoy rahavehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan’ila ao amin’ny barika sy diloilo kely foana ao amin’ny tavoara; ary he! Maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay.”

Namaly i Elia hoe: “Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa.”11

Alaivo sary an-tsaina ao anatin’ny fotoana fohy ny fahasarotan’ny zavatra nangatahan’ilay mpaminany mba hataon’ity reny matin’ny hanoanana ity. Afaka tsara nanome sakafo ho an’ilay mpanompony mahatoky Andriamanitra. Saingy noho i Elia manao asa amin’ny anaran’ny Tompo, dia nanaraka ny torolalana nomeny azy izy, dia ny hangataka ny zanakavavy malalan’Andriamanitra iray mba hahafoy izay nananany mba hanohanana ny mpaminany.

Nampanantena fitahiana avy amin’ny fankatoavana ihany kosa anefa i Elia: “Fa izao no nolazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin’ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin’ny tavoara.”12 Nomen’ny Tompo fahafahana ilay vehivavy mpitondratena mba hisafidy ny hino sy hankatò ny tenin’ny mpaminany.

Nodidina isika mba hanohana ny mpaminany eo amin’ity izao tontolo izao izay tandindomin’ny tsy fahampian’ny fahamarinana sy ny mosary ara-panahy ity. Rehefa mankatò sy miaro ary manohana ny tenin’ny mpaminany isika dia mijoro ho vavolombelona fa manana finoana hanaiky amim-panetrentena ny sitrapon’ny Tompo sy ny fahendreny ary ny fotoany.

Mankatò ny tenin’ny mpaminany isika na dia mety hentitra sy hafahafa ary sarotra tanterahina aza izany. Raha eo anatrehan’ny fenitra arahan’izao tontolo izao dia mety ho halan’ny olona rehefa manaraka ny mpaminany na mety ho fihetsika diso ara-pôlitika izany na mety tsy ho ekena eo amin’ny fiarahamonina. Saingy tsara foana ny fanarahana ny mpaminany. “Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.”13 “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’ny fahalalanao.”14

Omen’ny Tompo voninahitra sy tohanany ireo izay mankatò ny torolalan’ny mpaminany. Ho an’ilay vehivavy mpitondratena tao Zarefata dia nanavotra ny ainy sy ny an’ny zanany lahy tamin’ny farany ny fankatoavany an’i Elia. Tanteraka araka ny nampanantenain’ny mpaminany ny hoe, “izy sy ravehivavy mbamin’ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany … araka ny tenin’i Jehovah izay nampilazainy an’i Elia.”15

Ny Tompo dia “hanome ny ilain’ireo izay matoky Azy.”16 Toy ny mana ho an’ny fanahintsika ny tenin’ireo mpaminany. Rehefa mandray amin’izany isika dia voatahy ary voaro na ara-nofo na ara-panahy. Rehefa mivoky amin’ny tenin’izy ireo isika dia mahafantatra ny fomba hanatonana an’i Kristy ka ho velona.

Nanoratra ny Loholona Bruce R. McConkie fa amin’ny alalan’ny mpaminany ny Tompo no “manambara ireo fahamarinan’ny famonjena, … ilay famonjena ao amin’i Kristy ary izy no mamaritra … ny lalana mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay. … Ao anatin’ny vanim-potoana rehetra dia omen’ny Tompo izay torolalana ilain’izy ireo ny olona amin’ny fotoana hiatrehany zavatra mampidi-doza. Ary azo antoka fa any aoriana any dia hisy fotoana izay tsy hisy zavatra hafa afa-tsy ny fahendren’Andriamanitra ihany izay hilatsaka avy any an-danitra ary haloaky ny vavan’ny mpaminany no ho afaka hamonjy ny olony.”17

Raha ho ahy dia ny tenin’ireo mpaminany izay nampianarin’ilay mpampianatra ahy tao amin’ny Ravintsara no nanome ahy fahatakarana ny tokony ho endrik’izany hoe fifandraisana ao anatin’ny fanambadiana natao tao anatin’ny fanekempihavanana izany. Nanome ahy finoana sy fanantenana ny tenin’ireo mpaminany fa afaka miomana hiatrika izany hoe tokantrano sambatra izany aho ary afaka ny hahazo izany. Ny fandalinana tsy tapaka ny fampianaran’ireo mpaminany, na fahiny na maoderina, dia nanohana ahy nandritra ireo taona nanahirana ary matetika namizana nitaizana sy nampianarana ary nikarakarana zanaka fito. Ny tenin’ireo mpaminany ao amin’ny soratra masina ary ampianarina eto amin’ity polpitra ity dia teny mifono fampaherezana, sy fitiavana, manome hery ary fifaliana izay miantefa amintsika rehetra.

Rehefa mankatò ny tenin’ireo mpaminany isika dia manorina ny tokantranontsika sy ny fiainantsika eo amin’ny fototra iray azo antoka mandrakizay, “ilay vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy ilay Zanak’Andriamanitra, … ka rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, eny, ny zanatsipìkany ao amin’ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo … any amin’ny hantsan’ny fahoriana sy ny loza tsisy fiafarana.”18

Antsika ny safidy. Afaka misafidy ny tsy hiraharaha na hanamaivana na hanambany na hanohitra ny tenin’i Kristy ambaran’ireo mpanompo voatendriny isika. Saingy nampianatra ny Mpamonjy fa ireo izay manao izany dia hoesorina tsy ho eo anivon’ny vahoakan’ny fanekempihavanany.19

Rehefa mamaky sy mandalina ombam-bavaka ny teny masin’ireo mpaminany isika miaraka amin’ny finoana an’i Kristy omban’ny tena finiavana, dia hanambara fahamarinana ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny Fanahy Masina. Enga anie isika hanokatra ny sofintsika mba handre ary ny fontsika mba hahatakatra ary hanokatra ny saintsika mba ho azo velabelarina ho an’ny fandinihantsika ny misterin’Andriamanitra.20

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Joseph Smith dia mpaminany nantsoin’Andriamanitra mba hamerina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fisoronany teto an-tany. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa amin’ny alalan’ny Filoha Monson dia tarihin’ny mpaminanin’Andriamanitra marina iray isika amin’izao fotoana izao. Enga anie isika ka hisafidy ny hiara-hijoro amin’ireo mpaminany ary hiaina araka ny tenin’izy ireo mandra-pahatonga antsika ho iray ao anatin’ny finoana, madio ao amin’i Kristy ary heniky ny fahalalana ny Zanakalahin’Andriamanitra. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.