Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho Zatovo Mahery!, aprily 2025
Fanampiana avy amin’i Jesoa Kristy: Ny antony sy ny fomba
Takaro ny antony mahatonga an’i Jesoa Kristy ho ny valim-panontaniana sy ny fomba hanampiany anao.
Sary nataon’i Dan Wilson
“Mahatsapa aho fa manakorotan-javatra foana. Sarotra ny manohy manao ezaka.”
“Sarotra ny toe-javatra iainako. Tsy azoko antoka ny fomba handrosoana.”
“Matahotra ny amin’ny hoavy aho. Tsy fantatro raha toa ka manana ny zavatra ilaina mba hahombiazana aho.”
“Reraka aho, saingy mbola misy zavatra hafa tokony hatao.”
Efa niaina ny iray amin’ireo olana ireo ve ianao? Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Na inona na inona fanontaniana na olana anananao dia hita foana eo amin’ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy ny valiny” (“Ny valiny dia i Jesoa Kristy mandrakariva,” Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany apr. 2023 [Liahona, mey 2023, 127]).
Mora ny miteny hoe: “I Jesoa Kristy no valiny.” Mitaky ezaka bebe kokoa ny fahatakarana ny antony sy ny fomba maha-valiny Azy.
Nahoana no i Kristy ilay valiny?
Rehefa niaritra ny sorona fanavotana nataony Izy dia nanao zavatra telo manan-danja ny Mpamonjy:
-
Nandresy ny fahafatesana Izy, izay nanome fahafahana antsika hitsangana amin’ny maty.
-
Nanonitra ny saran’ny fahotana rehetra Izy, ka nataony izay ahafahantsika mibebaka sy mitombo ary miverina any amin’ Andriamanitra indray. Manampy antsika hamela ny hafa koa izany rehefa manota izy ireo, satria nitondra ny fahotany teo Aminy i Kristy.
-
Niaina ny fanaintainana, ny fahoriana, ny fakam-panahy, ny aretina ary ny rofy rehetra Izy (jereo ny Almà 7:11–13). Midika izany fa fantany tsara ny fomba hanampiana sy hanasitranana anao ary afaka mampatanjaka anao hiaritra fitsapana sy hiezaka ny ho lasa tsaratsara kokoa Izy.
Mifidiana olana iray, ary azonao ampifandraisina amin’ny iray na maromaro amin’ireo fahamarinana telo ireo ilay vahaolana.
Fahantrana? Satria niaina ny zava-drehetra i Jesoa Kristy dia fantany tsara hoe manao ahoana izany. Tsy manaisotra hatrany ny sakana misy Izy, saingy afaka mampatanjaka kosa ny olona mizaka izany vesatra izany (jereo ny Môzià 24:15).
Tsy fahombiazana? Satria nandresy ny fahotana i Kristy dia tsy voatery hitoetra ho maharitra ny tsy fahombiazantsika. Ny fibebahana dia ahitana ny fivoarana sy ny fahatongavana ho ilay olona fantany fa azontsika ahatongavana.
Aretina? Koa satria nandresy ny fahafatesana Izy dia hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny vatana tonga lafatra tsy andairan’aretina sy ny fanaintainana isika. I Kristy koa dia “nitondra teo Aminy … aretina” (Almà 7:11), ka mahatonga Azy ho ilay hany tonga lafatra afaka manolotra fampiononana sy fanohanana.
Ahoana no hanampian’i Kristy?
Na dia fantatsika aza ny antony maha-valiny ny Mpamonjy (noho ny maha-Izy Azy sy ny zavatra nataony ho antsika), dia mbola mila mahafantatra ny fomba ahazoantsika fanampiana sy hery avy Aminy isika. Ireto misy fomba vitsivitsy:
Vavaka. Rehefa mivavaka amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, dia afaka miresaka amin’ Andriamanitra tonga lafatra ny olona tsy tonga lafatra tahaka antsika. Afaka mivavaka isika mba hahazo hery izay ilaintsika amin’ny toe-javatra rehetra, ary dia hamaly Andriamanitra—tsy amin’ny fomba tiantsika na antenaintsika foana, fa amin’ny fomba izay hahazoantsika fitahiana. Tena mandaitra ilay fanasan’ny Mpamonjy hoe: “Mangataha dia hahazo ianareo”(Jaona16:24; 3 Nefia 27:29; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:7).
Ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina dia manana tanjona iray ihany. Miara-miasa Izy rehetra! Isaky ny mahatsapa fitarihana na fampiononana avy amin’ny Fanahy Masina ianao dia afaka mahatakatra fa manampy anao ihany koa i Kristy .
Fitandremana fanekempihavanana. Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny teny hoe lalan’ny fanekempihavanana dia entina ilazana andiana fanekempihavanana izay manampy antsika hanatona an’i Kristy sy hifandray Aminy. Afaka mahazo ny heriny mandrakizay isika amin’ny alalan’io fatotry ny fanekempihavanana io” (Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany [Liahona, mey 2023, 36]).
Fahasoavana. Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy mibebaka isika dia afaka mahazo fanampiana sy tanjaka fanampiny (antsoina koa hoe fahasoavana) mba hanatanterahana ireo zavatra izay tsy ho vitantsika samirery (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahasoavana”). Mety hiseho amin’ny fomba maro izany tanjaka na fahasoavana izany: avy amin’ny Fanahy Masina, namana iray, olona tsy fantatra iray, fahatsapana iray. Raha ny marina dia avy amin’i Kristy ny zavatra tsara rehetra (jereo ny Môrônia 7:22). Rehefa mahazo faharetana bebe kokoa ianao, hery bebe kokoa, tanjaka bebe kokoa hiaretana, dia fantaro fa i Kristy no manampy anao.
Tsarovy ny antony sy ny fomba
Koa rehefa mila valiny amin’ny fanontaniana na olana iray ianao amin’ny manaraka dia banjino i Kristy. Tsarovy fa noho ny fandreseny ny fahotana, ny fahafatesana, ary ireo fanamby hafa rehetra eto an-tany dia tsy misy zavatra tsy azo tanterahina. Tadiavo ny fomba ahafahany mitahy anao, dia hahita ny fitaomany eo amin’ny fiainanao ianao. Tena lalim-paka ny fitiavany anao!
© 2025 by Intellectual Reserve, Inc. All right reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly For the Strength of Youth Message, April 2025. Malagasy. 19625 654