Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, febroary 2025
Fanampiana avy amin’ny Loharano tonga lafatra
Na inona na inona olana mifanehitra aminao dia hanampy anao i Jesoa Kristy rehefa mitodika any Aminy ianao.
Ilay lamina, nataon’i Jeanette Bourup
Mila fanampiana kely avokoa isika rehetra amin’ny fotoana iray na iray hafa. Indraindray mila fanampiana betsaka. Raha ny marina dia mazàna ny fiainana no mandeha tsara kokoa rehefa tsy miezaka ny handeha irery ianao.
I Jesoa Kristy no loharanon’ny fanampiana sy fanantenana ary tanjaka tonga lafatra ho anao. Afaka manampy anao ihany koa mba hiova ho tsara kokoa Izy—mety amin’ny fomba izay tsy noeritreretinao mihitsy aza.
Fiovam-po
Efa nivavaka ve ianao mba hanalefahan’ Andriamanitra ny fon’ny fahavalonao? Raha izany no izydia hilamina ny zava-drehetra (jereo ny 3 Nefia 12:44; Môrônia 7:48). Na dia tsy manana fahavalo mitovy araka ny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna aza ianao (hitanao, ireo fahavalo izay mirongo fitaovam-piadiana sy vonona ny hanafika), dia mety efa nivavaka ianao mba hanalefahan’ Andriamanitra ny fon’ny olona iray izay tsy nandray anao tamin-katsaram-panahy.
Saingy efa nieritreritra ny hivavaka sy hangataka amin’ Andriamanitra mba hanalefaka ny fonao ve ianao? Mety hoe sarotra aminao ny mamela olona iray. Na manohy ny hoe mora tezitra ianao, na dia tsy te hanao izany aza. Na te hahatsapa hatsaram-panahy kokoa amin’ireo mpiray tampo aminao ianao na dia mahasorena anao aza izy ireo indraindray.
Hanova ny fonao sy ny fiainanao i “[Jesoa Kristy]. Hivoatra sy ho lasa hitovy Aminy tsikelikely ianao. Hanome anao fahafahana lehibe kokoa hahazo ny heriny ny fifandraisanao Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana” (Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022], 8, nampiana fanamafisana).
Moa ve tsy fampanantenana lehibe tokoa izany? Na inona na inona olana anananao, na dia ny fonao manokana aza, dia afaka manampy i Jesoa Kristy. Ahoana no ahafahanao mitodika any Aminy anio?
© 2025 by Intellectual Reserve, Inc. All right reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly For the Strength of Youth Message, February 2025. Malagasy. 19621 654