2025
Ny fitiavana manavotr’i Jesoa Kristy
Ho zatovo mahery! Nôvambra 2025


Fivoriana sabotsy hariva

Ny fitiavana manavotr’i Jesoa Kristy

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Talitha Cumi [Talita komy], nataon’i Eva Timothy

Hisintona ny endrika PDF

Raha nanao fahotana goavana ianao ary eo an-dalam-pibebahana na manana faniriana ny hibebaka tanteraka sy hahatsapa ilay fifaliana tsy hay lazaina avy amin’ny famelan-keloka, dia fantaro fa miandry anao io fahagagana io. …

Fanombohana tena tsara ny fialana amin’ny fahotana, ny fitodihana amin’ Andriamanitra, ary ny fanamafisana orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Tafiditra ao anatin’ny fiaikena am-panetrentena ny sitraponao amin’ Andriamanitra ny fiaikena fahotana goavana amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao, fa ny famelana anao tanteraka kosa dia avy amin’ny Mpamonjy. …

Ny faniriana hiverina marina amin’ Andriamanitra dia miaraka amin’ny fahavononana ho marin-toetra tanteraka amin’ny Rainao any An-danitra, amin’ny tenanao, amin’ireo izay voaratra, ary amin’ny mpitarika anao ao amin’ny fisoronana. …

Ny fanirianao dia mitarika anao haniry hanamboatra izay zavatra nopotehinao. Kanefa, noho ny fahatsapanao fa misy zavatra sasantsasany tsy vitanao ny manarina azy, dia mivavaka mafy ianao, mba hanampian’ny Tompo, amin’ny alalan’ny fahasoavany, hanasitrana ireo izay voaratra vokatry ny zavatra nataonao. …

Eo am-pikatsahanao ny famindram-pon’ny Tompo dia manàna faharetana eo am-piandrasanao ny fankatoavany tanteraka. …

Ho anareo izay naratra tsy ara-drariny noho ny fahotana lehibe nataon’ny hafa, dia maniry mafy ny hizara ny fitiavana sy ny fangorahan’ny Mpamonjy, ny fampiononana ary ny fiadanany aho.

… zaraiko aminareo ny fahazoako antoka tanteraka fa mahafantatra anareo sy tia anareo ny Mpamonjy. Mangataha fanampiana Aminy. Izy no fampiononana sy tanjakareo, handefa ireo anjeliny Izy mba hanohana anareo.