“Mpampihavana: Hery lehibe vaovao anananao,” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.
Mpampihavana: Hery lehibe vaovao anananao
Tsy ny olona be herim-po rehetra akory no misalotra kapaoty, na manao saron-tava manintona mihitsy aza.
“Anjaranao izao no mipetraka eo afovoany!”
“Tsia, anao izao!”
“Hipetraka eo aho. Tsy olana izany.”
“Dada a! Nataon’io nikorontana be ny fanasam-bilia tamin’ny andro hanaovako ny anjara raharahako ao an-dakozia!”
“Afaka manampy anie aho e!”
“Fa maninona no sarotra foana ny manao tsy tara any am-piangonana?”
Ny Alahady manaraka
“Nanapa-kevitra izahay ny hifoha antsasakadiny mialoha amin’ity herinandro ity!”