Ny mpikambana dia afaka misafidy ny handray na fahazoan-dalana hidirana ny tempoly avoaka printy na ao anatin’ny finday. Raha toa ka maniry ny handray na hivadika amin’ny fahazoan-dalana ao anatin’ny finday ny mpikambana, dia mila mifandray amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana misahana azy ireo izy ireo. Rehefa vita fankatoavana ny fahazoan-dalana, dia afaka mampiasa ny fahazoan-dalany amin’ny alalan’ny appli Outils pour les membres ao amin’ny fitaovana findainy izy ireo. Ny torolalana nampiarahana amin’ity lahatsoratra ity dia hanampy ny mpikambana hahatakatra ny fomba fangatahana sy fikirakirana ary fampiasana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ao anatin’ny finday.
Hikirakira ny fahazoan-dalanao hidirana ny tempoly ao anatin’ny finday