Ho an’ny tanora - Isan-kerinandro
Tonga soa eto amin’ny Ho an’ny tanora - Isan-kerinandro
Tongasoa eto amin’ny Ho an’ny tanora - Isan-kerinandro


Tonga soa eto amin’ny Ho an’ny tanora - Isan-kerinandro

Sary
Tanora maromaro mitsambikina

Tonga soa eto amin’ny Ho an’ny tanora - Isan-kerinandro, zavatra mivoaka isan-kerinandro eto amin’ny Médiathèque anao izay nosoratan’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony ary ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy manampahaizana manokana momba ireo lohahevitra manan-danja ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony.

Ny tanjontsika

Ny tanjontsika dia ny hanampy anao hahita valinteny amin’ireo olana anananao sy tanjaka ahafahana miatrika azy ireny. Hataontsika izany amin’ny alalan’ny fiarahana mizaha ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny famakafakana ny fomba hiezahan’ny tanora rehetra manerana izao tontolo izao hiaina izany.

Mombamomba Anay

Mandeha voalohany ny zavatra voalohany: ity fizarana manontolo ity dia avy amin’ny fanentanam-panahy avy aminao. Miatrika fanapahan-kevitra, sy fanamby vaovao, ary karazana fiovana maro isika mandritra izao fotoana eo amin’ny fiainantsika izao. Ary dia te hitari-dalana anareo izahay mandritra izany fotoana manontolo izany. Tianay ho fantatrareo ihany koa fa mahita anareo amin’ny maha-ianareo anareo izahay fa tsy hoe manambady ve ianareo sa tsia, izay no mahatonga ity fizarana ity tsy nantsoina hoe Ho an’ny tanora tokan-tena - Isan-kerinandro. Ity votoatin-kevitra ity dia natao ho an’ny tanora rehetra, na tokan-tena na manambady, na niverina ho tokan-tena indray, satria ny fitaomana anananao eo amin’ny Fiangonana—sy eo amin’izao tontolo izao—dia mety ho tsy hay refesina, na aiza na aiza misy anareo eo amin’ny maha-tanora olon-dehibe anareo.

Eritreretinay ihany koa fa ireo lohahevitra resahantsika dia hahaliana ny tanora rehetra, na ireo izay mihoatra ny 30 taona aza. Fantatray fa ny fahaliananareo amin’ireo lohahevitra sy ireo olana horesahantsika dia tsy hiova fotsiny noho ianareo hoe nankalaza tsingerintaona iray indray. Ireo olana atrehantsika ankehitriny dia tena manan-danja saika ho an’ny ankamaroantsika rehetra ary lehibe loatra ka tokony hiarahantsika mamaha, na firy taona isika na firy taona.

Fantatray fa ianareo rehetra dia samy manana ny lalam-piainana nisy azy, sy ny fari-pahaizany, sy ny fari-piainany, sy ny kolontsainy, ary ny toe-javatra iainany. Koa hiresaka karazana lohahevitra samihafa isika, ary maro amin’ireo tantarantsika no ho hita amin’ny fiteny mihoatra ny 20 ao amin’ny Bibliothèque de l’Evangile—te hanolo-tanana anareo rehetra izahay ary hitondra zava-manan-danja ho anareo rehetra. Mitondra ny finoany sy ny talentan’izy ireo eo amin’ny Fiangonana ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony manerana izao tontolo izao. Any amin’ny toerana maro isika dia tsy ho mpitarika rahampitso fotsiny, fa mitarika ny Fiangonana ankehitriny, anisan’izany ireo faritra izay efa ela no niorenan’ny Fiangonana. Ary ny fitaomana entintsika dia hihitatra mihoatra ny ankehitriny mihitsy aza, satria isika ihany koa no ray aman-drenin’ny taranaka manaraka.

Azontsika tohizana foana izany

Mbola betsaka tokoa ireo zavatra azontsika lazaina momba ny lanjan’ny tanora sy izay mety hahatongavany, saingy raha tohizantsika izany, dia mety ho toy ny hoe mirehareha isika (satria tsara araka izany tokoa ny taranaka misy antsika). Ampy ny milaza hoe: Mila antsika Andriamanitra, mila an’Andriamanitra sy ny Fiangonany isika, ary mifampila isika samy isika. “Hanao tantara [miaraka isika],” araka ny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson mikasika ny tanora. “Ary hanome fahafahana anareo hanatontosa ny zavatra izay heverina fa tsy ho vita velively Izy. …

“… ‘Taranaka voafidy ianareo’ (1 Petera 2:9) izay notendren’ Andriamanitra talohan’ny nahaterahanareo hanao asa mahagaga—hanampy amin’ny fanomanana ny vahoakan’ity izao tontolo izao ity ho amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany!”1

Na dia eo aza ny ankehitriny izay tsy mitsaha-miova sy ireo zava-tsy fantatra amin’ny hoavy izay manery tokoa, ny maha-tanora olon-dehibe dia afaka ny ho fotoana mahafinaritra hahafantarana ny tena sy hivoarana, hahitana ny tanjontsika eto ambonin’ny tany, ary hianarana ny fomba hitandremana ny filazantsara ho eo amin’ny ivon’ny fiainantsika. Faly be izahay miaraka aminareo eto amin’ity dia ity ary manantena fa ho mpitsidika matetika ianareo.

Ny hahitana anay

Ny Ho an’ny tanora - Isan-kerinandro dia hita ao amin’ny Médiathèque eo ambanin’ny hoe Ireo gazetiboky na Olon-dehibe > Tanora. Hahita ny sasany amin’ireo tantaranay ihany koa ianao ao amin’ny gazetiboky Liahona, ao amin’ny pejy Facebook an’ny Liahona ary ao amin’ny renimpejin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Te handre feo avy aminareo izahay.

  • Inona no lohahevitra tianareo horesahina?

  • Inona no tantara tianareo hozaraina?

  • Inona no sosokevitra omenareo anay?

Azonareo alefa ao amin’ny liahona.ChurchofJesusChrist.org ny tantaranareo sy ny hevitrareo ary ny fanamarihanareo manokana. Tsy andrinay ny handrenesana feo avy aminareo!